Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao

 

Alahady 30 desambra 2012

Fetin’ny Fianakaviana Masina (Taona D)

 

Anisan’ny mampiavaka antsika Katolika ny fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina isaky ny Alahady manaraka ny Noely. Tafiditra tsara ao anatin’ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo izao fankalazana izao ary ampahafantarana antsika fa niaina tao anatin’ny fianakaviana tahaka ny olona rehetra i Jesoa. Izany no porofo fa na Andrimanitra tena Andriamanitra aza Izy dia niaina feno ny maha olombelona azy ihany koa ka nanome lanja ny hasin’ny fianakaviana. Niaina teo anivon’ny fiarahamonina i Jesoa ary nanatanteraka ireo fomba amam-panao niainan’izany fiarahamonina nisy azy izany. Ny Evanjely androany no mitantara amintsika fa « isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo » (Lk. 2: 41 – 42). Midika izany fa nandritra ny fahazazany dia tsy nisaraka tamin’i Maria sy Josefa i Jesoa fa teo anivon’izy ireo mandrakariva ary niaina tao anatin’ny fianakaviana iray.
Ity Evanjely androany ity ary no manambara amintsika fa nikarakara sy nitaiza an’i Jesoa tokoa i Maria sy Josefa ka nandray ny andraikitra feno amin’ny maha ray aman-dreny azy ireo. Nitebiteby tokoa izy ireo nony tsy nahita an’i Jesoa niara-nody tamin’izy ireo taorian’ny fety tany Jerosalema ary dia niverin-dalana mihitsy nitady azy. « ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy » (Lk. 2: 43 – 45). Nony afaka hateloana anefa rehefa nahita an’i Jesoa nijanona tao anatin’ny tempoly izy ireo dia tsy nisalasala i Maria reniny nilaza ny tao am-pony sy ny tebiteby niainany tamin’ny tsy fahitana an-janany : « ary nony nahita azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy: Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao » (Lk. 2: 48). Mazava araka izany fa tena Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka tokoa raha i Maria sy Josefa fa nikaroka mandrakariva izay hahaso any zanany.
Ity fampianarana ity no hamafisin’ny Fiangonana amintsika amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina izao ka mampahatsiahy antsika fa manana adidy lehibe amin’ny fiahiana ny zanany ny ray aman-dreny ary tsy tokony hanao abanin-javatra izany adidy izany. Noho izany dia eo anivon’ny fianakaviana no tsimaintsy mitombo sy mivelatra amin’ny lafiny rehetra ny zanaka, tahaka an’i Jesoa teo anivon’ny Fianakaviana Masina tao Nazareta : « dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. Ary Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 51 – 52).
Vakiteny I : 1 Sam. 1:20-22,24-28,
Tononkira : Sal. 84:2-3,5-6,9-10,
Vakiteny II : 1 Jo. 3:1-2,21-24,
Evanjely : Lk. 2:41-52,
Modely ho an’ny fianakaviana rehetra ny fiainan’ny Fianakaviana Masina ka anamafisana fa ny fianakavina dia toy ny fiangonana kely itomboan’i zanaka fahendrena sy tena, hahatonga azy ireo hahatehotia amin’Andriamanitra sy ny olona. Ny fianakaviana dia ny fiombonana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka mahatonga ny Fiangonana hanamafy fa ny mamorona ny fianakaviana iray dia ny ray izay lehilahy ary ny reny izay vehivavy ka afaka hiteraka ny zanaka fa tsy fiaraha-mitoetra misy amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ka mifanaraka hanorina fianakaviana iray hono. Io antony io indrindra ary no mahatonga ny Fiangonana hanizingizina fa tsy azo heverina ary tsy azo ekena mihitsy ny fanambadina misy eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy satria tsy manome lanja ny hasin’ny fianakaviana izany. Ady hevitra be ny amin’io ary misy ny miezaka mandresy lahatra fa mety io. Saingy ny mazava dia izao, ny lahy tsy afaka hiteraka amin’ny lehilahy; tahaka izany, tsy misy vehivavy afaka hiteraka amin’ny firaisana amin’ny vehivavy toa azy; koa ho antsika dia mazava fa ny fiombonan’ny lahy sy ny vavy no fototra iorenan’ny fianakaviana.
Na eo aza naefa ny faneken’i Jesoa hiara-monina amin’i Maria sy Josefa ka namoronan’izy ireo fianakaviana iray amin’ny maha olombelona azy dia tsy tokony hohadinointsika fa tena Andrimanitra Izy ary ny nanekeny ho tonga nofo dia tsy nanafoana velively ny maha Andriamanitra azy. Izany no nahatonga azy namaly an’i Maria reniny nanao hoe: « nahoana no nitady ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho? » (Lk. 2: 49). Tsy azo sarahina ny maha Andrimanitra sy ny maha olombelona an’i Jesoa, midika izany fa tsy azo sarahina ihany koa ny fanebeazana maha-olona sy ny fanabeazana ara-panahy eo anivon’ny fianakaviana. Noho izany dia manana adidy lehibe ny ray aman-dreny amin’ny famelomana ny zanaka sy fanomezana azy ny fanabeazana ara-tsaina amin’ny alalan’ny fandefasana azy hianatra any an-tsekoly, fa eo indrindra ny fanabeazana ara-panahy ka itarihana azy ireo hivavaka sy hahalala an’Andrimanitra. Miara-mivavaka ary isika amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina izao mba ho feno ny tsodranon’Andrimanitra ny fianakaviana rehetra ka hiaina ao anatin’ny fifaliana sy ny fiadanana ary fitiavana lavorary tahaka ny Fianakaviana Masina tao Nazareta.
Hiditra taona vaovao ihany koa isika izao koa amin’ny fo feno fitiavana sy fifaliana lalandava no ifanolorantsika mianakavy ny firarian-tsoa sy fiarahabana. Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra hirotsaka amintsika tsirairay avy amin’izao taona vaovao izao hahafahantsika miaina ao anatin’ny hafaliana sy fitiavana ka na inona na inona angatahintsika amin’Izy Tompo dia homeny antsika izany araka ny voalazan’ny vakiteny faharoa arosin’ny Fiangonana amintsika androany manao hoe : « ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona angatahantsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jeso-Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika » (1Jn. 3: 21 – 23). Izay finoana an’i Jeso-Kristy sy fifankatiavana izay anie hameno ny fiainantsika mandrakariva, indrindra amin’ izao taona vaovao izao sy mandrintra ny androm-piainantsika manontolo.
 
 
P. Louis Martin
Assomptionniste
 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0658