Inona àry no hataonay?

 

Alahady 16 desambra 2012

Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana (Taona D)

 

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny toriteny nataon’i Joany Batista amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana izao. Tamin’ny herin’ny androany isika dia nandre ny fampianarany izay nanainga ny olona hamboatra ny lalan’i Tompo ka nanazavany ny fampianarana voalaza ao amin’ny Bokin’Izaia Mpaminany manao hoe : « Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra » (Lk. 3: 4b – 6). Vao nahare izany fampianarana izany ny olona dia nanantona an’i Joany Batista ary nanontany azy ny tokony hatao mba ho mendrika tokoa hitsena ny Tompo : « Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: Inona àry no hataonay? » (Lk. 3: 10). Tamin’ny fomba mazava sy mahitsy no namaliany io fanontanian’ny vahoaka io. Izany indrindra no ambaran’ity Evanjely izay aroso antsika androany ity manao hoe: « dia namaly izy ka nanao hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa » (Lk. 3: 10).
Ankoatry ny fahazotoana mivavaka sy ny fibebahana ary ny fiovan-toetra izay nambarantsika tamin’ny heriny dia manainga antsika ihany koa ny Fiangonana amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao mba hahanana fitiava-namana ka hanao asa fanasoavana, indrindra ho an’ireo mahantra sy mijaly tsy misy mpiahy. Mazava ny fampianaran’i Joany Batista ho antsika androany ka anjaran’ny tsirairay no mandinika izay tokony hatao mba ho fiahiana ny mahantra. Eto dia tsy vitan’ny am-bava fotsiny fa tena tokony haharihary amin’ny asa izay fanampiana ny hafa izay. Ny fotoan’ny Noely toa izao tokoa matetika no ihazakazahan’ny maro amin’ny fividianana fitafiana vaovao sy anaovana fihinanam-be nefa aoka hotsaroantsika mandrakariva fa maro ireo tsy manana hitafiana ary zara raha mihinana ka tsy tokony hohadinoina fa manana adidy amin’izy ireny isika ary izay ataontsika amin’ireny madinika ireny dia i Jesoa no anaovantsika azy satria tonga hamonjy ny olona rehetra izy. Samy manana ny fomba hampisehoana izay fitiava-namana izay moa ny tsirairay fa ny zava-dehibe dia ny fahatsampantsika fa manana adidy amin’ny mpiara-belona isika ka tsimaintsy mifampitsinjo sy mifanampy ary izay no tokony hampiavaka antsika Kristianina.
Tsy ny olon-tsotra ihany anefa no nanantona sy nihaino ny fampianarana nataon’i Joany Batista fa na ireo manana adidy amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ihany koa dia tonga nanontany azy izay tokony hataon’izy ireo. « Ary nisy poblikàna nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: Inona no hataonay, ry mpampianatra ô? Dia hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo. Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay? Dia hoy ny navaliny azy: Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo. » (Lk. 3: 12 – 14). Efa talohan’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy no nahitana ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra fanjakana. Efa nisy hatry ny ela ny kolikoly sy ny fanaovana herisetra amin’ny madinika ka io fampianarana nataon’i Joany Batista ho an’ny poblikàna sy ny miaramila io dia tokony hampandinika lalina ireo izay manana andraikitra amin’ny raharaham-bahoaka. Fotoana izao hiovan-toetra, ka hoantsika izay manana adidy eo amin’ny Firenena sy ny Fiangonana dia manainga antsika ity Evanjely androany ity mba handini-tena ka hiaina ao anatin’ny fahamarinana.
Mazava dia mazava ny fampianarani Joany Batista androany : « Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo... Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo. » Noho izany dia tsimaintsy hiezaka isika mba tena hiaina araka izany fampianarana izany. Ny fotoanan’ny fety tahaka izao indrindra mantsy no tena isehoan’ny fanararaotana ary maro no alaim-panahy amin’ny fanararaotam-pahaefana ka tafiditra anatin’ny kolikoly, herisetra ary fidorohana ka manadino fa manana adidy masina eo anatrehan’ny fiarahamonina. Tsy ny rehetra anefa no tafiditra amin’izany fa maro dia maro ireo manao ny adidiny amin’ny fo madio ary manao mihoatra izay voalazan’i Joany Batista androany koa hoy indrindra i Md Paoly amin’ny vakiteny faharoa mankahery antsika manao hoe : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny, averiko indray: mifalia e! Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e! Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. » (Fil 4. 4 – 6). Izay fifaliana izay ary no angatahantsika amin’izy Tompo mba hanenika ny fiainan-tsika manontolo amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao.

P. Louis-Martin a.a.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0692