I Jesoa no ilay Mpiandry Ondry Tsara sy mandrakizay!

Alahady 29 avrily 2012, Taona B, Paka IV

Tsy misy anaran-kafa hahazoantsika famonjena eto an-tany, afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy avy any nazareta ihany, ilay nofantsihina tamin’ny Hazofijaliana ary efa natsangan’Andriamanitra ho velona, Izy ilay vato narian’ny mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro; ary izany no asa mahagaga nataon’ny Tompo ho antsika rehetra (cf Asa 4,8-12; Sal 117). Miharihary àry fa manerana ny tany ny hatsaram-pon’ny Tompo (cf Sal 32,5-6), ary ambaran’i Joany ao amin’ny taratasy voalohany nosoratany fa hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika, fa lehibe ny fitiavany amin’ny iantsoana antsika hoe zanany, sady tena zanany tokoa, koa na dia mbola tsy tena mahita azy miharihary aza isika izao, dia zanany tokoa fa efa mahalala Azy sy mahafantatra Azy amin’ny masom-pinoantsika (cf 1Jo 3,1-2).

Eny, efa nanirahany mpiandry isika, dia i Jesoa Kristy ilay nilaza fa: “Izaho no mpiandry ondry tsara”. Mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny Izy, tsy mba toy ny mpikarama. Mahalala ny azy Izy, ary ny ondriny mihaino ny feony. Manangona ny ondriny amin’ny vala tokana Izy, ary mahafoy ny ainy ho azy ireo; tsy misy maka ny ainy aminy fa Izy mihitsy no mahafoy azy amin-pahefana, araka ny didy azony avy amin’ny Rainy (cf Jo 10,11-18).

Koa manana adidy ireo misahana andraikitra eo amin’ny sehatra maro samihafa, mba hiaro sy hiahy ireo izay ankinina aminy, toy ny nataon’ny Tompo sy mbola ataony amintsika. Maneho ny voninahiny isika kristianina raha miezaka miahy am-pitiavana ireo zanaka, ankohonana, vondron’olona ankinina amintsika. Ny tena fitiavana dia mahafoy, tsy mila tambiny, toy izay nataon’i Kristy. Fa ny fitia mifamaly kosa anefa mahatsara sy mahamafy orina ny Fihavanana, koa izany no anaingana antsika rehetra mba hahay miombona sy mifanampy ary mifanohana sy mifanasoa. Ahariharin’ny Sakramenta izany, indrindra ny Fampihavanana sy ny Eokaristia izay tsy misaraka fa mifameno. Tsy vaky fa mitriatra, toy ny dian’omby an-koraka ireo Sakramenta roa ireo, noho izany tsy azo sarahina velively sady tsy tokony hatao atsirambina ny fandraisana azy matetika: Aina mamelona antsika andian’ondrin’ny Tompo izany.

Mivavaka manokana koa isika anio mba ho maro ny tanora hamaly ny antson’ny Tompo, tsy ho pretra sy relijiozy ihany, fa mba ho lahika vonona hifarimbona ao amin’ny tokatrano voatso-drano eny ambony alitara, mba ho kristianina vonona ary mazoto mamonjy ny namany sy ny mpiara-belona aminy, maneho ilay hatsaram-pò amam-panahin’Ilay Mpiandry Ondry Tsara natao ho ohatra ho antsika rehetra.


Benirina

Vavaka ho an’ny fiantsoan’andriamanitra:


Ry Jesoa Tompo, Ianao ihany no nilaza hoe : «Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy», dia hoy Ianao nanampy:  «Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa amin’ny sahany». Koa amim-po manaiky Anao sady sitrakao no ivavahanay ho an'ny Fiantsoan’Andriamanitra.

Henoy, ry Andriamanitray, ny fitalahoanay aminao: omeo Pretra masina sy maro izahay,  hitory ny Evanjelinao, sy hizara ny fahasoavanao;  omeo Relijiozy vonona sy mahafoy tena ny Fiangonanao,  ho vavolombelon’ny Fitiavanao hatrany amin’ny fara-vazan-tany;  omeo Apostoly Lahika vonon-kamonjy ny namana izahay, hampamiratra ny toe-panahy kristianina eran’ny tany rehetra,  amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fitiava-namana, amin’ny fandeferana sy herim-panahy, amin’ny asa sahanina, hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy. Mba fidio eto afovoanay izy ireo: amin’ny fiangonanay, amin’ny sekolinay, amin’ny fianankavianay.

Tohano izahay mba hahay hanampy, araky ny herinay rehetra, ireo izay antsoinao ka manaraka anao amin-kerim-po sy fitokiana, mba «ho tonga anie ny Fanjakanao». Miaraka amin’i Masina Maria Virjiny sy ireo Olomasina rehetra Razanay izahay no mitalaho izany Aminao. Amen!


+ Mgr Gilbert Ramanantoanina, sj

 

(Fihirana Vaovao, ISP Ambatomena, Fianarantsoa 2004, p. 480)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942