I Jesoa no hany tena afaka manasitrana ny haratsiantsika


12 Febroary 2012. Alahady tsotra faha-6, Taona B

Aretin-dratsy mpahazo ny olombelona hatry ny fahagolantany ny habokàna, haratsiana no iantsoan’ny tantsaha malagasy izany any amin’ny faritra maro. Ny Evanjely anio dia mitantara momba ilay lehilahy azon’ny aretin-dratsy nangorahan’i Jesoa sy nositraniny ary nadio (Mk 1,40-45). Ny Fahotana izay mangeja antsika no tena haratsiana mpahazo ny olombelona hatrany am-piandohana ka tian’ny Tompo hanavotana antsika.

Araka ny Boky Levitika, niteny tamini Moizy ny Tompo mba hanavaka ny olona voan’ny habokana tsy hiharoharo amin’ny vahoaka, hatao hoe “maloto” izy raha mbola eo aminy ny fery manamarika ny soratr’aretina mahazo azy, ka hitokana irery any ivelan’ny toby izy (Lev 13,1-2.45-46). Tsy fanasaziana akory no anton’izany, fa fiarovana ny hafa mba tsy hifindran’ny aretiny. Zary lasa toy ny zava-pady izany, sady toa fomba amam-panao amin’ny tany maro nifampikasokasoka na tsia tamin’ireo firenena Semita.

Fantantsika fa ny fahotana na ny fahalotoana anaty dia ratsy sady manimba. Tsapan’ny Ntaolo koa fa zava-pady ka nohalaviriny ny hanao an-tsitrapò fahadisoana lehibe na helokabevava, ary nahatonga azy ireo nanadio izay nandoto sy voaloto tamin’ny fisoronana, toy ny fafy sy alaondrana. Toa tsy raharahain’ny olona sy ny Fanjakana intsony izany ankehitriny, fa efa nivadika ny tany, ary lazaina ho samy lehibe sy olonafaka; nefa dia voagejan’ny faharatsiana sy fitiavan-karena ary fitiavan-tena. Mitondra fery sy ratra tsy tapaka ao anaty izy ireny. «Aleo enjihin’omby masiaka, toy izay henjehin’eritreritra», hoy ihany ny Ntaolo; niezaka izy ireo hiala amin’ny faharatsiana; saika voatandrin’izy ireo manontolo ny didin’Andriamanitra, satria niainany ny maha olom-banona. Ankehitriny anefa, toa tsy mitsaha-mitombo ny halatra, ny faharatsiana isakarazany, ny risoriso, ny fanjakazakana ary ny toetra ratsy maro. Zary fihatsarambelatsihy no manjaka eo amin’ireo mihambo ho tia namana na ireo mirehareha ho kristianina. Eny fa na ireo mpiasam-bahoaka sy mpitondrana sasany aza, mba mody manao asa soa sy fiantrana, fa ny dony tapany handoa erany no tena kinendriny.

Nahazo fahasoavana lehibe tokoa ilay boka nositrain’i Jesoa, lazain’ny Evanjely anio, noteneninay tery am-piandohana, saingy mahazo fahasoavana bebe kokoa ny mpanota kasihin’ny Fanahy Masina ka mandray ny Sakramenta (indrindra ny Batemy, Vatsy Masina [Eokaristia], Fampihafanana, Fanosorana ny Marary), satria afa-pahotana sy voavonjy ary sitraniny avy ao anaty: ho velona ao aminy ireo ka handova ny fiainana mandrakizay.

Misarika antsika ny apôstôly Paoly mba haka tahaka azy, izy ilay maka tahaka an’i Kristy; koa na mihinana na misotro isika, na inona na inona ataontsika, dia aoka, hoy izy, hatao ho voninahitr’Andriamanitra, ary misarika ny saintsika izy mba tsy hanafintohina n’iza n’iza, fa kosa, hanao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra; tsy hitady ny ho an’ny tena, no làlana tsotra indrindra hahatongavana amin’izany, fa kosa hitady izay hahasoa ny be sy ny maro, mba hahavonjy azy rehetra amin’ny lafiny rehetra (1Kôr 10,31-11,1).

Marobe tokoa, eny fa na ireo kristianina aza, no resin’ny fakam-panahy, manao mamy fò velona, tia tena diso tafahoatra, manararaotra sy mampahory ny hafa. Fanaon’ny eveka efa hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, ny mampisintaka ireo nanao heloka bevava sy tafahoatra, mba tsy hanatona ny Eokaristia raha tsy efa avy nivalo sy nibebaka ary nanao asa fivalozana maharitra, tsy mba famaizana na sazy izany, fa hiarovana azy tsy hihinana sy hisotro fanamelohana ho an’ny tenany (cf 1 Kôr 11,27.29; Md Augustin d’Hippone, Epistolae LIV [3,4], in PL 33, 201). Firifiry anefa ireo kristianina ankehitriny no toa zatra manao làlan-dririnina, toa mihevitra fa mandeha ho azy ny fiainana maha mpanara-dia an’i Kristy, toa tsy mba mandinika ny tenany akory vao miroso eo anoloan’ny Latabatra Masina, mandray ny Eokaristia? Anjaran’ny tsirairay ny mandinika ny tenany, satria be ireo fahalotoana miavosa mamely sy mandrodana ny fiarahamonina misy antsika. Tsy halatra sady lainga be vava ve no ataon’izay manao risoriso sy tsolotra (magnotra, manao kolikoly, manditsoka) ka mivarotra ny marina, misonenika amin’ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka sy ireo fananana iombonana? Tsy fanaovana varoboba ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka ve izany, ka mamarina ny maro any an-kady? Moa tsy iray lasitra amin’i Jodasy ve ny olona toy izany? Moa tsy lainga mivatravatra koa no ataon’ireo mpanao ronono an-tavy, ka mampanantena poakaty sy ny tsy misy? Tsy famonoana olona koa ve ny mandà ny Fihavanana mampiray sy mampiombona, ary moa tsy mpanakorontana firenena ireo mpanao didy jadona sy didiko fe lehibe? Ratsy lavitra sady fahalotoana tsy hay lazaina, manoatra noho ny (fihodinana) fijangajangana ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana anaty, fa tsy vitan’ny mandoto ny tenany izy, fa mitondra faisana sy fahavoazana ho an’ny be sy maro koa ny ataony, noho ny fitiavan-tenany… «Anatsingita sy anatsinahy, ka mieritrereta izay manam-panahy!».

Ry Masina Maria Reninay, Mpanjakavavin’i Madagasikara ô! Mivavaha ho anay, mba ho afaka amin’ny loza sy ny fahalotoana rehetra manjò sy  mangeja ny Firenenay izahay! Amena!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0656