Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona

 

Alahady 18 novambra 2012, Mandavantaona faha 33 (Taona B)

 
Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona Litorjika ny Fiangonana satria amin’ny Alahady herin’ny androany isika dia efa hankalaza ny Fetin’i Kristy Mpanjaka izay amarananan’ny ny taona Litorjika ho antsika Katolika. Ireo vakiteny aroson’ny Fiangonana amintsika amin’ity Alahady fahatelo amby telopolo tsotra mandavan-taona ity no milazalaza amintsika mahakasika ny resaka fiafaran’izao tontolo izao izay fantatry ny maro amin’ny fiteny mahazatra hoe « farandro ». Indraindray dia lasa fampatahorana antsika izy io ary raha izany no resahina dia maro no matahotra na mihorohoro. Misy ihany koa moa ireo manome fampianarana diso ka vao maika mampatahotra izay tsy mahazo loatra ny tena hevitr’io teny hoe faran-dro io.
 
Raha jerentsika ny tenin’i Jesoa androany dia tsy misy tokony hatahorana satria tsy tonga hampihorohoro antsika izy fa tonga hanambara amintsika ny tenin’Andriamanitra. Izay no nilazany hoe « ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona » (Marka 13: 31). Marina fa somary mampandinika tokoa raha ny fanombohan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana anio no vakiana maimaika. Hoy indrindra i Jesoa hoe « amin’izany andro izany, rahefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Marka 13: 24 – 26). Ity tenin’i Jesoa ity matetika no misy mandika vilana ka mampihorohoro sy milaza fa tsy ho ela ny faran-dro. Malaza amin’izao ny hoe amin’ny 21 Desambra 2012 (21/12/12) no farandro satria hisy zavatra hiseho eny amin’ny lanitra. Ireo manam-pahaizana mpandalina ny eny ambony eny dia manamafy fa hisy zavatra mety hiseho amin’io adro io ka izay no hararaotin’ny sasany anomezana fampianarana diso. 
 
Mazava ny fampianaran’i Jesoa androany izay manamafy amintsika milaza hoe : « izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32). Dikan’izany dia tsotra, misy fetrany ny fahalalan’olombelona ka na eo aza ireo manam-pahaizana aran-tsiansa sy ireo mpandinika ny eny ambony tsy taka-maso eny dia voafetra ihany, noho izany tsy misy olom-belona afaka hilaza fa amin’izao na amin’ny andro toa izao no ho tonga ny faran-dro. Na ny « Zanaka koa aza » tsy mahalala izany hoy i Jesoa ka iza no olom-belona afaka hilaza raha hafa ankoatr’izany. Ireo rehetra mampianatra fa ho tonga ny farandro amin’ny 21 Desambra 2012 dia manome fampinarana diso daholo ka aoka isika tsy hinohino foana. 
 
Ny fampianaran’ny Fiangonana Katolika izay arahin-tsika dia mazava fa Andriamanitra irery ihany no mandamina ny zavatra rehetra ka izy no iankinan-tsika sy anankinan-tsika ny fiainan-tsika. Noho izany na ho androany na ho rahampitso ny faran-dro dia tokony ho vonona lalandava isika. Izay no anomezana antsika ireo Sakramenta samihafa indrindra ny Sakramentan’ny Fampihavanana sy ny Eokaristia izay entina anomanana mandrakariva ny Fanahin-tsika. Izay ihany koa no anaingana antsika hivavaka tsy tapaka indrindra amin’ny andro Alahady, tsy noho ny tahotra fa ho tonga ny farandro fa noho ny fahatsapan-tsika fa velona sy mamelona antsika ny Tenin’Andriamanitra dia i Kristy izay milaza sy manamafy amintsika androany fa « ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona » (Marka 13: 31). Koa hiara-mivavaka isika amin’izao Alahady izao mba hiaina marina araka izany Tenin’Andriamanitra izany ka hanankina amin’izy Tompo isan’andro ny fiainantsika.
 
P. Louis-Martin a.a.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099