Handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny

 

Alahady 07 oktobra 2012
Alahady Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona

 

Anisan’ny adi-hevitra mipetraka amin’izao vanin’andro iainantsika izao ny resaka mahakasika ny mariazy. Ny fanontaniana izay napetrak’ireo Farisiana tamin’i Jesoa dia mbola maro ihany koa no mety mametraka azy ka manontany hoe « Mahazo misao-bady va ny lehilahy? » (Mk. 10: 2) Na ny mahavantana kokoa dia ny hoe « Azo atao ve ny misaram-panambadiana? » Samy manana ny valin-teny mety homeny ny tsirairay fa raha ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana androany no vakiana dia mazava ny valin-teny nomen’i Jesoa an’ireo Farisianina ary omeny antsika ihany koa fa « tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona. » (Mk. 10: 6 – 9)

Hatrany amboalohany izany dia efa novolavolain’Andriamitra isika olombelona hanohy ny asam-pahariana miaraka aminy ka tsy hahafoana ny taranak’olombelona izay nohariany. Izany indrindra no nahariany azy ho lahy sy vavy mba ho afaka manome taranaka fara-mandimby. Nohariany lahy sy vavy ny olombelona araka ny voalazan’ny Vakiteny Voalohany androany: “nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Amin’izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. » Jen. 2: 21 – 24

Araka izany dia noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona ary nataony hifameno ka io fifamenoana io no tiany hohamafisina amin’ny fanambadina izay anasany ny mpivady hanohy ny asam-pahariana izay natombony. Izay no mahasaro-bidy ny hasin’ny Sakramentan’ny Mariazy ka mahatonga ny Fiangonana hankahery ny zananany haharitra amin’izany fanambadiana izany. Eny fa na ny Razantsika Malagasy ihany koa aza dia efa nahatakatra izany ka nilaza fa « ny fanambadiana dia toy ny lamban’akoho ka faty no isarahana. »

Ekena fa tsy mora ny miaina izany, indrindra amin’izao vanin’andro ankehitriny izao koa angatahantsika mandrakariva ny herin’ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika amin’izany. Ity Alahady ity moa no anokafan’ny Papa Benoît faha – 16 ny Sinaoda momba ny Fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny endriny vaovao (Nouvelle Evangélisation) ary anisan’ny voaresaka be dia be amin’izany ny fianankaviana izay fiangonana kely itoriana ny Vaovao Mahafaly koa miombona amin’ny Fiangonana manerana ny tany isika no mivavaka ho an’ny fiankaviana rehetra mba tena hisy tokoa ny fifankatiavana marina. Ity herinandro ity ihany koa no misokatra ny Taona nantokana ho an’ny Finoana ka enga anie ny isa-pianankaviana mihitsy no hivelona voalohany indrindra izay Finoana izay.

P. Louis-Martin a.a.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218