Fidina sy Tompoina i Kristy izay arahintsika!

Alahady 26 aogositra 2012, Mandavantaona – 21, Taona B

 

Mifarana anio ny fandinihantsika ny mikasika ialy Mofo nidina avy anay an-danitra natao ho safidina sy harahintsika. Tsy mety anefa ny manarakarak’olona fahatany, fa tsy maintsy fantarina tsara aloha izy vao fidina sy tompoina, fa izany no antoky ny faharetana tsy mivadika sy tsy misy fetra. Dia toy izany koa, aoka haka tahaka an’i Piera sy ireo apôstôly isika, izay nilaza marina sy mazava fa: «Hankany amin’iza àry izahay ry Tompo? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay» (Joany 6,68). Matetika eo amin’ny fiainantsika dia izay tsara olona toa resaka sy manao izay mahafalifaly antsika fotsiny no arahintsika sy toavina, nefa maro fitaka izany ary maro fandripandrika. Koa ohatra ho antsika i Josoe sy ny Vahoaka Israely izay nifidy ny Tompo ho tompoiny sy ho Andrimanitr’izy ireo (cf Jôs 24,1-2.15-16.18). Koa nakafizo sy anaranao fo lalandava ny Tompo ary misaotra Azy fa mijery ny olo-marina am-pitiavana sy mihaino ny tolokony Izy, ary manavotra ny fanahin’ny mpanompony (cf Sal 33).

Miresaka fanambadiana moa i Paoly ao amin’ny vakiteny faharoa, dia ny fifanajàna eo amin’ny vehivavy sy lehilany, fa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany koa ary noho izy roroa efa zaryu lasa nofo iray ihany dia tokony hifanolo-tena ao amin’ny Kristy izay nanolotra ny tenany ho an’ny Eglizy ny lehilahy sy ny vehivavy tafaray ao amin’ny Fanambadiana. Tandindon’ny Fitiavan’i Kristy ny Vadiny mantsy ny fitiavan’ny lehilahy ny vadiny ary toy izany koa, ny fitiavana amam-panajana asehon’ny vehivavy amin’ny vadiny (cf Efez 5.21-32). Marefo ny fiainam-panambadiana ankehitriny fa be ny tanora no sodoka manaraka olona tsara tarehy na lehilahy manam-bola fotsiny, fa tsy tena nisafidy malalaka ary tsy nanao safidy vaohevitra ihany koa. Ilaozy àry ny hevi-pona sy nofinofy diso toerana fa afaharo amo amin’i Kristy ny fitiavanao ny namana sy ny fofom-badinao dia hazava aminao ny làlan-kizorana.

Maro ireo mpianatra no tafintohina noho ny tenin’i Jesoa, ny amin’ny tsy maintsy hihinanana ny Nofony sy hisotroana ny Rany, satria zava-pady roa loha lehibe tokoa izany amin’ny Jody sy ny firenena maro eto ambonin’ny tany. Maro no niala sy nandao Azy taorian’io. Fa kosa izy roambinifolo lahy izay tsy nandao ny Tompo taorian’ireo teniny sarotra raisina, ny amin’ny Mofo nidina avy any an-danitra, izay tsy maintsy hohanina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay (cf Joany 6,61-70): izy ireo no santatra ho antsika, ka tokony hahay hisafidy isika ary hahay manaraka ny teny sy fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Evanjely, tsy ny ampahany izay heverinao ho mahafalifaly anao fotsiny ihany, fa izy manontolo tsy misy analana, satria ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy. Safidy no nataon’ireo mpianatra ireo, ary safidy koa no tsy maintsy ataontsika, koa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy. Koa raha mino sy mahalala marina tokoa isika fa i Jesoa no ilay Masin’Andriamanitra (Jaony 6,69) dia tsy tokony hihemotra sy hisalasala intsony hanatona ny Eokaristia, handray tsy tapaka sy matetika ny Vatana aman-dRan’i Kristy.

Ry Jesoa Mofo-aina mamelona anay ô, raiso re faefa nifidy anao sy manolo-tena ao aminao izahay, mba ho fehezinao, ary aza avela hivily amin’ny làlanao izahay! Amen!



Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01