Alahady 11 novambra 2012, Mandavantaona faha 32 (Taona B)
Anisan’ny mampiavaka ny fampianaran’i Jesoa ny fahasahiany miteny ny marina ary tsy misalasala izy miteny ampahibe-maso ireo manao tsinontsinona ny hafa indrindra ny madinika. Tsy hoe te-hitsikera ny hafa izy na te-hanalabaraka olona fa matoa izy miteny dia te-hanantra ireo mpanara-dia azy mba hanana fitondran-tena mendrika eo anivon’ny fiarahamonina. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amin’ity Alahady Faharoa amby telopolo tsotra Mandavantaona ity no milaza amintsika ny fampitandreman’i Jesoa an’ireo nihaino azy mba hanana fanetren-tena indrindra ireo izay nomena andraikitra hikarakara ny vahoaka. Hoy indrindra izy tamin’ny fampianarany: « Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa » (Marka 12: 39 – 40).
Mampandinika sy mampieritreritra ity fampianaran’i Jesoa ity satria zavatra fahita tokoa, eny fa na dia amin’izao vanin’andro iainantsika izao aza, ny fisehosehoana ety ivelany mba hohitan’ny olona rehefa manao zavatra. Raha dinihana lalina ity fampianaran’i Jesoa ity dia fampitandremana no nataony ka nilazany hoe « Mahìna amin’ny mpanora-dalàna » (Marka 12: 39) ; midika izany fa tokony hitandrina isika amin’ny fihetsika izay aseho. Tsy milaza i Jesoa hoe ratsy ny misehoseho na arahabain’ny olona eny an-kianja na mipetraka voalohany amin’ny fanasana fa ny tiany hampitaina dia ny hanajana sy hiarovana ny mpiara-belona indrindra ireo heverin’ny fiarahamonina ho madinika ka voalikilika. Ny adidin’ireo manam-pahefana sy nomena adidy manoka amin’ny fitarihana ny vahoaka araka izany dia ny hanompo sy hitia fa tsy « mihinana ny fananan’ny mpitondratena » (Marka 12: 40). Io indrindra no tena hevi-dehibe tian’i Jesoa hampitaina satria firifiry tokoa moa ireo manao tsindrio fa lavo na manararaotra ny fahorian’ny sasany ka tsy mahita afa-tsy ny tombotsoa ho an’ny tena samirery na tsy hanao zavatra raha tsy hahazoana dera sy laza.
Izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa « nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao » (Marka 12: 41). Noho izy Andrimanitra mahalala ny miafina rehetra dia nahita izy fa maro ny mpanan-karena no nandatsaka be fa nandatsaka ny ambim-bavany fotsiny ihany saingy « nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy » (Marka 12: 42). Nahita izany i Jesoa dia niantso ny mpianany ka nilazany hoe: « Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany » (Marka 12: 43 – 44).
Mahalala ny miafina ao anatin-tsika tsirairay avy ao i Jesoa ka manainga antsika mba hanome izay vokatry ny fon-tsika amin’ny adidy samy hafa andrasana amintsika. Tsy ny habetsany na ny hakelin’ny tolotra ataontsika no jereny fa ny fon-tsika manolotra azy satria maro ireo mpanan-karena no tena mahafoy sy manao asa soa amin’ny fony tokoa fa tsy hoe manome ambim-bava fotsiny ihany. Misy ihany koa ireo izay heverina ho mahantra no tsy mahafoy na inona na inona ary indraindray aza dia masiaka sy manao teny tsy voahevitra na miteny ratsy mihitsy aza. Koa miara-mivavaka isika androany mba tena hanana fanetren-tena sy fitiavana marina tokoa ka haka tahaka an’i Jesoa nietry tena sy namonjy ny olona rehetra tsy misy avakavaka.
P. Louis-Martin a.a.