Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika

 

Talata 25 desambra 2012

 

Fankalazana ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo

 

Andro lehibe ho antsika anio, ankalazana ny Noely nahaterahan’ny Mpamonjy ka isaorantsika Andrimanitra nadefa ny Zanany hamonjy antsika. Ho an’ny tsy mpino dia toy ny angano sy arirarira ihany ny fiheverana fa tonga nofo ny Zanak’Andrimanitra ary nonina teto an-tany ho famonjena antsika olombelona. Ho antsika mpino kosa dia zava-marina io ary tsy azo lavina satria ireo nahita maso sy niara-nonina tamini Jesoa no vavolombelona nanambara fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa izy ary nanaiky hiara-monina amintsika. Md Joany izay nanoratra ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany no anisan’izany vavolombelona izany ka milaza amintsika mazava tsara manao hoe: « ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy » (Jo. 1: 14). Io fijoroan’i Md Joany ho vavolombelona io dia hamafisin’ireo tantara marina mikasika ny zava-niseho tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy ambaran’ireo Evanjely hafa toy ny hita ao amin’ny Md Matio, indrindra ny ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka izay mitantara mazava tsara ny zava-niseho tamin’izany alina nahaterahan’i Jesoa izany.
 

Vakiteny I : Iz. 52: 7 – 10

Tononkira : Sal. 98: 1, 2 – 3ab, 3cd – 4, 5 – 6

Vakiteny II : Heb. 1: 1 – 6

Evanjely : Jo. 1: 1 – 18
Tsy ny porofo ara-tantara mahakasika ny nahaterahan’i Jesoa anefa no zava-dehibe fa ny finoana velona anantsika sy andraisantsika azy ho Mpamonjy. Noho io antony io indrindra no mahatonga ny Fiangonana hanome antsika ny Evanjely nosoratan’i Md Joany amin’izao Noely izao. Ity Evanjely ity dia tsy mitantara amintsika ny zava-niseho tany Betlehema tamin’ny nahaterahan’i Jesoa fa manome antsika kosa fampianarana sy fandalinam-pinoana mahakasika an’i Jesoa Zanak’Andrimanaitra izay Teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika ary Fahazavana tonga hanilo antsika olombelona miaina ao anatin’ny aizina. « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina » (Jo. 1: 1 – 5).
 
Ara-tantara dia efa talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy no nankalazaina isaky ny 25 Desambra ny fetin’ny fahazavana. Taty aoriana anefa dia io daty io no naraikitra ho fankazana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy izay fahazavana mamirampiratra amin’ny maizina araka ny volaza ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany. Midika izany fa ilay fankalazana ny 25 Desambra tao anatin’ny aizina anjakan’ny filibana, fihinanam-be sy rendrarendra samy hafa taloha dia niova ho fetin’ny fahazavana dia i Kristy izay nanafaka antsika tao anatin’ny fahotana ka mitondra antsika amin’ny fahazavana vaovao. Amin’izao andro iainan-tsika ankehitriny izao anefa dia toa hita fa miverina tsikelikely amin’izay fomba fankalazana taloha izay ny olona sasany ka saika variana amin’ny rendrarendra sy fisehoana ety ivelany fotsiny ary maro no manadino fa i Kristy Fahazavana no ankalazaina amin’ny Noely. Hita izany amin’ireo dokam-barotra samihafa izay mampirenty fitafiana, sakafo ary fitaovana maro isan-karazany. Maro dia maro ihany koa ny dokam-barotra mahakasika lanonana samihafa izay mitaona ny olona tsy ho any am-piangonana hidera an’Andrimanitra fa mitaona ny olona kosa ho any amin’ny trano fandihizana sy filibana izan-karazany.
 
Fotoan-dehibe ho antsika Kristianina ny Noely, fotoana ahaterahan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy koa andeha isika hibanjina an’i Kristy fahazavana ka tsy hanaiky hotarihin’ny aizina dia ny rendrarendran’izao tontolo izao. Izy no loharana ipoiran’ny fahasoavana rehetra ka manainga antsika ny Fiangonana androany hanantona an’i Jesoa Mpamonjy izay nambaran’i Joany Batista mpialoha lalana manao hoe : « izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako izy. Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin'ny alàlan’i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alàlan’i Jesoa-Kristy » (Jo. 1: 15 – 17). Izay fahasoavana avy amin’i Jesoa Kristy izay ary no ifampirarian-tsika mianankavy amin’izao Noely izao ka na eo aza ny zavatra maro manahirana antsika, indindra ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenen-tsika dia matoky lalandava isika fa eo Jesoa fahazavana mitarika antsika amin’ny lalana marina sy mahitsy satria avy amin’ny hafenoany tokoa no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana.
 
P. Louis Martin
Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01