Antsoin'Andriamanitra ho Fianakaviana iray ao Aminy isika

Tinité Masina, Alahady 03 jiona 2012, Mandavantaona – 09, Taona B

Tsy misaraka ary tsy mandao antsika ny Trinité Masina. Toy ny tsy isarahan’ny mpianakavy. Hararaotinay ny miarahaba ny Reny rehetra tratry ny fety… Ny Ray tia ny Zanaka, ny Zanaka tia ny Ray, ao koa ilay Fanahy Fitiavana: fifankatiavana ireo. Izay no Trinité Masina, izay koa no maha Fitiavana an’Andriamanitra. Tsy misy mifampialona ireo, iray fomba, tsy azo sarahina nefa tsy mifangaro, ny asany no manavaka Azy ho zary Tokan’Olona Telo, satria mitovy fahandrianana tanteraka. Antsoiny hiditra ao amin’ny Fianakaviambeny àry isika, fa efa nomeny antsika ny Ainy; velominy ao amin’ny Fanahy Masina isika, tarihiny làlana sy toroany ny marina mba handraisantsika izay hitsiny, ary hiainantsika izay rariny.

Ry kristianina havana, hankalazaina anie Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina, homemboninahitra anie izy! Fa ny Tompo irery no Andrimanitra, izy no hany nifidy Vahoaka tokana sy nanafaka azy tany Ejipta ary nanavotra azy tamin’ny loza sy ny ratsy rehetra mbamin’ny fanandevozana natao taminy (cf Dt 4,32-34.39-40). Koa mitehafa tànana, miderà an’Andriamanitra isika, fa mendrika ny hoby Izy ary mendrika hisaorana. Derao ilay nahary sy namonjy ary nandala antsika, hobio ilay nitia sy niantso ary nifidy antsika, hirao ilay toky sy hery ary fiainantsika, tompoy ilay Mpanjaka sy mpiaro ary Tompontsika! (cf Hasina 210; Sal 46).

Raiso àry ny Fanahy Masina izay mitarika sy mitaona antsika ho amin’ny fananganan-janaka. Eny, efa tena zanany tokoa anie isika vita Batisa e, ary tsy misalasala miantso Azy hoe: Ray, Baba, Aba. Ny Tenan’io Fanahy io moa no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika; koa raha zanaka dia mpandova; eny mpandova an’Andriamaitra isika, sady mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy, mba hiombo-boninahitra aminy (cf Rom 8,14-17). Tsara lova tokoa lahy ry Tompo ny mpanota voaavotrao, tsara làlana kosa re ny vahiny tarihinao, ary tsara vatsy ny mpandeha fahananao (cf ffpm 515). Moa tsy izany va no vokatry ny Fitiavan’ny Trinité Masina ka anomezany antsika ny Eokaristia mba handovantsika ny lanitra, rehefa nahita sy nizotra ny lalan-tsara isika, ka velon-kira na dia enjehina aza, toa an-dRasalama sy i Jacques Berthieu martiora, ary ireo kristianina mahery fò maro tsy voatanisa, izay samy nahafoy ny ainy ho fanompoana ny Tompo ao amin’ny hafa. Vokatry ny asan’ny Fanahy Masina avokoa izany rehetra izany, ary asan’ny Trinité Masina ho antsika sy ao amintsika.

Koa aoka isika hahatan-dova, fa ny mpandova tsy maintsy miasa sy mikolokolo ny lova mba haharetany sy hitondrany soa ary vokatra be. Lova lehibe ny Aina azo amin’ny Batemy, fa lova lehibe koa ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Koa ireo Sakramenta rehetra, zarain’ny Fiangonana miaraka amin’ny Trinité Masina, amin’ny alalan’ireo olombelona (isan’ny mpanota) mpandraharaha isakarazany, dia natao hahavonjy antsika sy hamelona ary hikolokoloana izany Aina izany. Irahin’ny Tompo àry isika, hitory ny Evanjely sy hanao Batemy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Nampanantena koa Izy fa ho eo amintsika mandrakariva mandram-pahatapitr’izao tontolo izao (cf Mt 28,16-20).

Mazotoa àry isika mandray sy mizara ireo Sakramenta, amelomana ny tenantsika. Ny Batemy manome ny Aimbaovao moa dia azon’ny rehetra omena an’izay mangataka azy, raha an-kamehana. Ny Eokaristia, raiso matetika fa sakafo, fanafody mahavonjy, sady mahavelona no Vatsy sy Aina mampiray antsika. Ny Fampihavanana aza atao atsirambina fa antoky ny fiombonam-pianakavian’Andriamanitra io; raha sendra marary ny Aina fa nanota, dia io no dokotera mamoha ny Eokaristia ho tena fanafody; toy ny Fafy Masina manadio ny heloka vita izy mbamin’ny Eokaristia. Ny Fankaherezana kosa no mampitombo ao amintsika bebe kokoa ny hasin’Andriamanitra izay efa voaray tamin’ny Batemy. Ny Fanambadiana dia mampiharihary ilay Fitiavana tsy mivadika ao amin’ny Trinité Masina, sady fanafodin’ny filan’ny nofo, ka manandratra ambony dia ambony ny hasin’ny vatantsika osa sy malemy, mety lò, nefa mbola hatsangana sy hasandratry ny Tompo amin’ny andro farany. Ny Filaharana no maneho ny fanompoan’ny Trinité Masina antsika. Ary ny Fanosorana ny marary dia mamoha ny fahasoavana ara-nofo sy ara-panahy ho an’izay marofy ara-batana ka miandry vonjy sy Vatsy Masina, hiatrehana ny diantsika mpivahiny eto an-tany…

Ry Trinité Masina ô! Misaotra anao izahay noho ny Fitiavanao, nananganana anay mba ho zanakao, sy ho anisan’ny Fianakavianao! Hiravoravo izahay, hitotorebika sy handihy, ho fanomezam-boninahitra ny anaranao masina! Aleloia!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.063