Andian'ondry eo an-tanan'Andrimanitra isika


Alahady 22 jolay 2012,

Mandavantaona – 16, Taona B

Fanirian’ny Tompo ny hanangona ny firenen-drehetra ho iray, ary ho tanterahiny amin’ny andro efa voatendriny izany. Ny antsika olombelona dia ny manasaraka sy manavakavaka no mahavantana antsika. Koa araka ny teniny nampitondrain’i an’i Jeremia àry dia feno toky isika fa havondrony na dia mihahaka aza noho ny fahotantsika. Nahahakareo ny andriko hoy ny Tompo, fa kosa hatsangako ny solofo marina sy tia ny rariny ary hendry ho an’i Davida (cf Jer 23,1-6).

Eny tokoa, i Jesoa Kristy no ilay solofo fiadanantsika sy mampiaray antsika roa tonta, dia ny taranaky ny Jiosy ny hafa firenena, ny hamonjy antsika no nahatongavany. Ny fifandrafesana nolevoniny, ny hazofijaliana no nampiahavanany antsika mba samy ho tonga olom-baovao (cf Ef 2,13-18).

Koa na tahaka ny ondry tsy manana mpiandry aza isika indrindray, dia aza hadino fa eo ny Fiangonana izay nanankinana izany rahraha izany. Eny nirohotra nitady an’i Jesoa tokoa ny vahoaka fa miandrandra ny famonjena avy aminy. Miezaka manohy izany famonjena izany ny Fiangonana ary mitory izany ny kristianina tsirairay ka mijoro ho vaolombelon’ny Tompo (cf Mk 6,30-34)

Aniraho mpijinja ry Tompo,ireo vokatra marobe miely eran-tany, ary omeo mpiandry mahatoky ny tokatrano tsirairay avy, ny ray aman-d reny anie ho tia ny zanaka, ny zanaka hanaja ny ray aman-dreny. Ireo raim-pianakaviana anie hahay mifikitra amin’ny tokatrano nahoriny ary hanome ohatra tsara ho tahafin’ireo zanany ka ho mpiandry ondry mahatoky ao amin’ny fiangonana kely any an-tokatrany, izay endriky ny Fiangonana iray manontolo eo amin’ny tany ama-monia!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0555