Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny halehany

 

Alahady 09 desambra 2012

Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana (Taona D)

 

Raha ny fampianaran’i Jesoa no mahazatra antsika amin’ny fihainoana ny Evanjely aroson’ny Fiangonana isaky ny Alahady, dia somary miova kely izany amin’ity Alahady faharoa amin’ny Fiaviana ity satria ny fampianaran’i Joany Batista no ambaran’ny Evanjely androany. Tsy mahagaga izany satria miomana hankalaza ny fety lehibe nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo isika ka tian’ny Fiangonana hampahafatarina antsika fa tsy sendrasendra na tonga tsy nampoizina i Jesoa Mpamonjy fa efa nandritra ny taona maro nifandimby mihitsy no nanoman’Andriamanitra Ray ny fiaviany. Maro ireo Mpaminany no efa nanambara fa ho avy ny Mesia ary dia izany Faminaniana izany no notorian’i Joany Batista ka ambaran’ny Evanjely androany fa « nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’Izaia mpaminany » (Lk. 3: 3 – 4a).

 

 

Vakiteny I : Ba. 5: 1 – 9

Tononkira : Sal. 126: 1 – 2, 3, 4 – 5, 6

Vakiteny II : Fi. 1: 4 – 6, 8 – 11

Evanjely : Lk. 3: 1 – 6

 

 

Nahazo antso sy iraka manokana i Joany Batista mba hialoha lalana sy hanomana ny fahatogavan’i Mpamonjy ka tsy nisalasala nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny tany rehetra amoron’i Jordany. Midika izany fa tsy namorona izy na nitondra fampianarana vaovao fa izay efa voalazan’Andriamanitra tamin’ireo Mpaminany taloha mahakasika ny fahatongavan’ny Mpamonjy no ambarany sy toriny. Mazava araka izany fa efa hatrany ampiandohana mihitsy Andriamanitra no nampanantena ny Mpamonjy ary nampiomana ny vahoaka ho vonona handray azy. Amin’izao fotoan’ny Fiaviana izao ihany koa dia manasa antsika ny Fiangonana mba hiomana tsara amin’ny fankalazana ny Noely ka izany indrindra no anomezana antsika io Evanjely mitantara ny toriteny nataon’i Joany io. Tsy hoe miandry Mpamonjy vaovao isika matoa mankalaza ny Noely isan-taona fa mba hampahatsiahivana antsika fa tena nidina tety ambonin’ny tany tokoa i Jesoa ary niara-nonina tamintsika olombelona. Tsy angano noforinana izany na tantara mahavariana fotsiny fa tena nisy ary voaporofo fa tena tantara marina. Raha ny Evanjely androany no jerentsika dia hita miharihary fa tafiditra ao anatin’ny tantara mihitsy ny fotoana niainan’i Joany Batista izay nialoha lalana azy, eny fa hatramin’ireo olona niara-niaina tamin’i Joany sy ny Ray niteraka azy dia voalaza mazava tsara. « Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea, Heroda no tetrarka tany Galilea, Filipo rahalahiny no tetrarka tany Abilena, ary Ana sy Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra » (Lk. 3: 1 – 2)
Fampianarana lehibe no ambaran’i Joany Batista amin’ity Evanjely ity,  tsy zava-baovao anefa izany fa ny voalaza ao amin’ny Bokin’Izaia Mpaminany no nampahafantariny ireo nihaono azy ary ampahafantariny antsika ihany koa androany ka tsy mihambahamba izy milaza hoe : « Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra » (Lk. 3: 4b – 6). Manentana antsika indrindra izy mba handini-tena ka hanamboatra ny lalam-piainana izorantsika mba homendrika hitsena ny Mpamonjy. Manainga antsiky izy mba hijery izay lohasaha mila totofana, ny avo mila aetry, ny melomeloka mila ahitsy ary ny mikitoantoana mila hamarinina. 
Ny fiainantsika andavan’andro mihitsy no tian’i Joany harenina mba hahamendrika antsika handray an’i Jesoa Mpamonjy izay miara-monina amintsika isan’andro ary raisintsika amin’ny fomba mendrika manonkana amin’ny fankalazana ny Noely. Mampianatra antsika ary izy mba hialantsika tao anatin’ny lohasahan’ny fitiavan-tena izay mampiletika antsika anaty lavaka ka mahatonga antsika tsy mahaita ny hafa. Eo ihany koa ny tedrombohitra sy havoana ateraky ny avonavona sy ny fizahozahoana ka mila aetry mba hahatonga antsika hanana fanetren-tena tahaka an’i Kristy izay Andriamanitra nefa nanaiky ho tonga olombelona ka niara-nonina tamintsika. Misy ihany koa ny melomeloka ateraky ny lainga sy ny tsy fahamarinana samihafa ka mahatonga antsika tsy hizotra amin’ny lala-mahitsy ao anatin’ny fahamarinana. Manasa antsika izy amin’izany mba hampanjaka ny fahamarina ao amin’ny tenantsika sy amin’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Ary farany dia mampiantra antsika i Joany Batista mba hanarina ny mikitoatona amin’ny fiainantsika dia isika izay misalasala ary tsy matoky ny fahasoavan’Andriamanitra indraindray. Eo ihany koa ny tsy fifampitokisana misy eo amintsika samy isika ka mahatonga antsika tsy hipetraka tsara na hijoro mahitsy fa hitsingevaheva ka sady tsy matoky tena no tsy matoky ny namana amin’izay atao. Andeha ary isika hiara-mivavaka amin’izao Alahady faharoa amin’ny Fiaviana izao mba hanavao ny fianantsika tokoa, ka homendrika handray ny Mpamonjy amin’ny fo madio. Tsy ho amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao fotsiny ihany anefa no hiainantsika izany fihavaozana izany fa mandritra ny androm-pianantsika mihitsy satria tsy manam-petra ny fitiavan’Andrimanitra antsika izay nandefa ny Zanany hiara-monina amintsika ary tsy mandao antsika fa eo anivontsika mandrakariva isaky ny mivory amin’ny anarany isika rehefa mivavaka sy mandray ny Sakramenta.

Hevitra mandeha

( 20/04/2024 09:18)
( 20/04/2024 09:18)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105