Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika

 

Alahady 30 Septambra 2012 Alahady faha 26 Mandavantaona (Taona B)

Eto ampanombohana izao fifampizarana ny tenin’Andriamanitra izao dia hafaliana ho ahy ny miarahaba antsika rehetra tratr’izao Alahady farany amin’ny volana Septambra izao. Midika izany fa tapitra hatreo ny fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra fa tsimaintsy hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray manomboka amin’io herinandro miditra io ho an’ny ankamaroan’ny sekoly eto Madagasikara.

Ny Finoana anefa tsy mba misy fialan-tsasatra fa Andriamanitra dia miasa mandrakariva ary tsy manavakavaka izy fa tia ny olona rehetra, eny fa na dia izay heverin’ny fiarahamonina ho kely sy bitika indrindra aza. Ny tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady ity dia manamafy indrindra izay fitiavan’Izy Tompo antsika izay. Ny Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka izay aroso amintsika dia mitantara ny nahitan’ny mpianatra olona nandroaka demony tamin’ny anaran’i Jesoa nefa tsy anisan’izy ireo. Saika hila dera na haka ny fon’i Jesoa angamba no neritreretin’i Joany ka nilazany ny eritreiny handrara ilay olona nandroaka demony tamin’ny anaran’i Jesoa nefa tsy anisan’ny Apostoly. Tsotra ny valitenin’i Jesoa « izay tsy manohitra antsika dia momba antsika ».

Indraindray tokoa isika alaim-panahy hifanavakavaka na hila dera aza fa hoe Mpivavaka sy mafana fo noho ny hafa, ka rehefa mahita olona tsy dia mahazatra loatra nefa mandray andraikitra ary manao zavatra tsara ao Ampiangonana dia mametraka fanontaniana hoe izy iny olona iny?

Tsy voafetra ho an’ny tsokajin’olom-bitsy ny fandraisana andraikitra amin’ny Fiangonana fa natao ho an’ny vita Batemy rehetra ary samy manana ny anjara tandrify azy ny tsirairay. Ko amin’izao Alahady faha 26 Mandavantaona izao dia manainga antsika ny Fiangonana hahay hifanampy sy hifampintsinjo ary tsy hanavakavaka fa tena hifankatia tokoa ka tsy hisy hihevitra ny tenany ho ambony na mahavita azy satria samy zanaky ny Ray iombonana, ary samy mahazo ny fanomezam-pahasoavana hanompo; indrindra ny madinika satria raha misy manafitohina ny iray amin’ireny madinika ireny hoy Jesoa dia tsara ho azy ny ametrahana vato fikosehan-dafarinina eo amin’ny vozony ary atsipy any anaty ranomasina araka ny voalazan’ny Evanjely androany.

P. Louis-Martin aa.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096