Tsy nandrava ny lalàna i Jesoa fa nanamafy

Alahady tsotra faha 30 mandavan-taona, Taona A

Manakaiky ny fiafaran'ny taona litorjika isika amin'izao fotoana izao. Miditra amin'ireo toko farany amin'ny bokin'i Matio ihany koa. Mbola ao anatin'ny resak'i Jesoa amin'ireo olona mitady hevitra hamandrihana azy. Androany ary izy ireo dia nametraka ity fanontaniana misy fandrika iray ity indray. "Inona no didy lehibe indrindra?" Ny tanjon'izy ireo, mazava ho azy, dia ny hahatonga an'i Jesoa hametraka ambaratongan-dalàna. Misy ny lalàna tokony harahina be be kokoa, ary misy ny lalàna maivana kokoa.

Tamin'ny heriny dia efa nolazain'i Jesoa nandritra ilay resaka fandoavana hetra amin'i Sezara fa tsy azo sarahina ny lalàn'Andriamanitra sy ny lalàn'ny fiaraha-monina. Ka nohamafisiny izany androany tamin'ny namaliany ity fanontanian'ny Farisiana ity. "Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra.  Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;  ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Io izany no namintinan'i Jesoa ny didy rehetra. Ny fitiavana. Napetrany tsara teto fa misy fitiavana telo tsy maintsy Tsy afaka misaraka ny didy roa na dia misy voalohany sy faharoa aza. Samy didy lehibe dia fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana. Ny namana tokoa mantsy no endrik'Andriamanitra ary ny fitiavana an'Andriamanitra dia tokony hoporofoina amin'ny fitiavana ny namana. Amin'izay fotoana izay dia ho mora azy ireo hamintina ny tenin'i Jesoa tany aloha rehetra izay toa manova ny lalàna. Imbetsaka mantsy i Jesoa no niteny hoe "Efa renareo ny voalaza hoe... Fa izaho kosa milaza aminareo..." (Jereo eto), izany hoe toa nanao lalàna vaovao i Jesoa. 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1892