Tonga hanavotra antsika ny Tompo!

 

Mifarana ny fanomanana ny Noely 2011 ary efa migadona ity ilay ora sy fotoana nadrasana ela. Tonga hanavotra ireo “manana fahotana” ny Tompo, ary izy ireo moa no hanatongavany. Tsy tonga ho an’ireo mpanankarena manao fanahy iniana sy minia mifikitra amin’ny haren’ny tany kosa anefa Izy, fa tonga ho an’izay mahantra sy ny ory ary ampahoriana, sy ho an’izay manetry tena sy miaky ny fahalemeny. Eny tsy tonga ho an’ny olomarina i Kristy fa ho an’ny mpanota. Miaiky izany ve inao? Raha: eny, no avalinao, dia havotany tokoa ianao, ary efa voaavotra sahady aza.

Ilay taranak’i Davida araka ny nofo izay ankalazaintsika ny nahaterahany anio, dia Mpanjaka be fahefana sy ambony indrindra ary manana ny fandidiana rehetra; Izy moa no ilay mamoha tsy mba misy mahakatona, ary ilay manidy tsy mba misy mahavoha; Ilay Emanoela, Mazava-atsinanana nandrasana izay ela izay. Sambatra izay mandray Azy ho Tompo sy Mesia fa hahazo vonjy sy handova ny tena fiadanana mandrakizay. Ho ravo izay manatona Azy, fa homeny ny famonjena sy ny fahasoavana rehetra.

Natera-behivavy tokoa ilay Tompon’ny Aina, ilay Zazalahy teraka ho antsika sy nomena antsika, Izy no mizaka ny Fanjakana sy miantsoroka izany, ary Mpitondra hafatra lehibe no atao anarany, izany anarany izany di aisan’ny hajain’ireo mpino silamo, satria fantany ary tsapany fa mpaminany lehibe tokoa i Jesoa, ary izay hino ny teniny sy hanaraka izany moa dia hovoavonjy. Naseho miharihary ho an’ny olona rehetra ny tokoa anio fahasoavan’Andriamanitra, ary nambaran’ireo Anjely tamin’ny mpiandry ondry fa: «Voninahitra ho an’Andriamanitra any am’ny avo indrindra, ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany, ho an’ny olona tsara sitrapò sy nanehoany ny fitiavany… Fa Mpamonjy no teraka ho anareo androany!». Fangatahana tsy tokony hatao mahasasatra antsika mihitsy àry, arak’izany, ny fitalahona ny fahasoavana mba ho tsotra toy ilay Zaza vao teraka, ho tso-piainana, ho mahatoky sy marina, sahy hijoro  ho tompon’andraikitra miaraka aminy sy ny Fiangonana Vatany masina, amin’izay ataontsika rehetra. Antoky ny fampanjakana ny fiadanana izany.

Aoka isika ho kinga sy malina ary ho vonona lalandava, toy ireo mpiandry ondry, hamaly ny atson’ny Tompo amin’ny fotoana rehetra, fa izany no maha Noely ny fiainana. Satria ny Noely dia fahavononana. Raha natao hankalazàna ny fandresena ny fahafatesana, izay zavatra ratsy indrindra ho antsika olombelona, ny Paka, ny Noely kosa dia natao hamolahana ny tena mba hanana fahavononana lalandava, handresy ilay Ratsy mpandavo ho amin’ny fahafatesana. Koa ilay Teny Tonga Nofo ambaran’ireo apôstôly ao amin’ny asa soratra navelany anie no hameno ny fo amam-panahintsika, ka handraisantsika Azy eo amin’ny fiainana andavanandro, eo amin’ny namantsika sy ny hafa ary eo amin’ireo madinika sy osa ary mila vonjy. Toy ireo mpiandry ondry, samia mba mailamailaka ary aza mitaredretra amin’ny fanaovantsoa. Toa ireo majy, samia manana vahaizana mitsinjo ny hafa sy mitsinjo lavitra ihany koa. Ilay Kintana mamirapiratra ao anatin’ny haizina anie, no hambomba antsika. Efa mandray Azy matetika ao amin’ny Eokaristia sy ny Soratra Masina isika, ary mameno ny fontsika donto sy mazin-dava ny fahazavany anio, koa aza avela ho faty intsony izany fahazavany ao anatinao izany mba hanafanany anao sy handrehetany ny afon’ny Fanahy Masina ao aminao. Dia ho fiainana entanin’ny Tompo isan’andro ny anao, ary hamokatra asa soa sy hahavita asam-pamonjena maro miaraka aminy, na ao an-trano na any am-piasàna...

Efa teraka ao Betlehema tokoa ny i Jesoa zazakely. Eny, hobiontsika ilay Mesia, Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Ho azy anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1368