27 nôvambra 2011, Alahady Fiaviana I – B
Rehefa avy namarana ny taona litorjika, taona A (taonan’i Matio) isika, dia tafiditra sahady indray amin’ny taona B (taonan’i Marka). Avy nankalaza ny fetin’i Kristy Mpanjaka tokoa ny rehetra, koa eo am-piandrasana ny hiverenany, dia ampianarin’ny litorjia isika mba hiandry Azy fatratra, hiomana ao anaty fò amam-panahy voadio sy voaomana tsara. Izany no hevitry ny Fiaviana (na Avent). Tsy dia hoe akory hateraka indray i Jesoa, fa ny hiverenany no andrasantsika. Mandritr’izany anefa dia ezahintsika kristianina isan-taona ny manao ny fahatsirovana Azy amin’ny fomba manokana, koa ankoatry ny fahatsiarovana lehibe fanao ao amin’ny Eokaristia (Paka isan’Alahady sy andavandro), dia misy koa ireo fankalazàna roa lehibe manokana, dia ny Pakan’ny fahaterahany (Noely) sy ny Pakan’ny fijaliany amam-pandreseny (Paka).
Mitoloko i Izaia mpaminany, miantso ny Tompo mba hiverina: «Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!» (Iz 63,16b-17.19b; 64,2b-7), io no nanainga ilay mpamoron-kira Malagasy iray hiantsa hoe: «Dia aoka ianao, handrovitra ny lanitra, ka hidîna ety aminay amin-kery» (Ank. Va 421)… Miandrandra famonjena ny Vahoakan’Andriamanitra, miantso ilay Mesia sy Mpamonjy, mba ho tonga faingana aminy, hitondra ny aina vaovao (Sal 79; Fv 383). Mahatsapa ny fahalementsika i Izaia mpaminany ka nitoreo hoe: Rakotry ny ota ka menatra izahay, entin-drendrarendra toa ravin-kazo maina (Fv 19), na koa: «Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra» (Iz 64,5-6).
Miandry ny hiverenan’i Kristy isika, dia ilay andro hisehoany, hoy ny apôstôly Paoly, ka zava-dehibe ny fiandrasana Azy am-pitokisana; ilaina arak’izany ny fiorenana ao aminy, mba tsy hanan-tsiny isika amin’ny andro hiverenany (1Kor 1,3-9). Koa hamafiso ny fitiavam-bavaka, izay tsy misaraka amin’ny fitiava-namana, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany no fiambenana tsara, izay anaingan’ny Tompo antsika araka ny Evanjely naroso ho dinihintsika anio (Mk 13,33-37). Tsy fantantsika tokoa mantsy izay hiavian’ny fotoana na ho hariva, na maneno akoho, na maraina, fa ho tampoka toy ny hahatongavan’ny tompon-trano. Koa miambena, hoy ny Tompo.
Eny mijaly sy ory tokoa ny Vahokan’Andriamanitra manerana ny Nosy sy any amin’ireo tany maro, na dia ireo lazaina ho tany matanjaka aza. Ny antony: noho ny fanjakazakan’ireo mpanana sy be sandry, fa eo koa ny tsy finiavana hihavao sy hihatsara. Mila ny vavaka arahin’asa arak’izany ny finoana noraisintsika, mba hisian’ny filaminana, hiadanan’ny ambanilanitra. Manomboka ety an-tany mantsy ny paradisa, raha tena mifankatia tokoa isika olombelona (Fv 462). Te hanondrotra antsika amin’ny Fitiavany ny Tompo, izany no hevitra ambaran’ny Fahatongavana ho Nofo, hankalazaintsika amin’ny Noely. Eny, tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra, mba hahatonga ny Olombelona ho zanak’Andriamanitra. Ny hiadanantsika no anton’izany. Saingy marary ampiana isika olombelona, ary malailay fonosana toy ny landy ihany koa.
Ny fakana tahaka an’i Jesoa, tonga tety an-tany, nanetry tena, nihaino sy nianatra ny fombantsika, izay no hany làlana azo antoka hialantsika amin’ny tsy fahombiazana maro mpahazo antsika. Satria, izay manandra-tena dia haetry ary izay manetry tena kosa no hasandratra (Mt 23,12; Va 82)… Ray ô, ampio ny Vahoakanao, sy ny vahoaka malagasy mba ho afaka amin’ny loza vokatry ny hetraketrak’ireo diso miantehitra be loatra amin’ny fahefan’izao tontolo izao! Amen!
Benirina