Samy nantsoin’Andriamanitra manokana isika!

15 Janoary 2012. Alahady tsotra faha-2, Taona B.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana.

 

Niantefa tamin’i Samoela kely ny antson’ny Tompo, saingy mbola zaza izy ka tsy nahafantatra izany, sady mbola tsy nampahalalaina ny tenin’ny Tompo izy. Noheveriny fa i Helî mpandraharahan’ny Tompo no niantso azy. Ka nony voaantso intelo niatoana sy nihazakazaka intelo misesy tany amin’i Helî izy dia nasainy niverina nandry sy nilazany fa raha mbola misy miantso dia valio hoe: «Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao» (cf 1Sam 3,3b-10.19). Marihina moa fa efa antitra i Helî ary efa pahina ny masony, voalaza koa fa ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela kely nandry tao an-tempoly izay nisy ny fiaran’Andrimanitra (cf 1Sam 3,1-3a). Midika ho fanompoana am-paharetana izany.

Isika rehetra izao koa dia iantefan’ny antson’ny Tompo, tahaka an’i Samoela kely: miteny amintsika tsy tapaka, amin’ny alalan’ny zava-misy, Andriamanitra, saingy tsy azontsika angamba, ary heverintsika fa ny hafa hatrany no miteny amintsika, nefa izy ireny dia fitaovana itenen’Andriamanitra avao, ary na dia ireo mpitondra fivavahana aza dia iraka ihany koa, ka Andriamanitra, Izy Tompo mihitsy no miteny amintsika ary maneho ny sitrapony amin’ny zava-mitranga sy iainana andavanandro. Mila mamantatra izay lazainy anefa isika, ka izany no ilana ireo olona anti-panahy sy manana traikefa eo amin’ny finoana, mba hanazava sy hivaofy amintsika ny fanambaràn’Andriamanitra, anomezany antsika ny famonjena sy ny fahasoavany. Ny jiro mirehitra ao anatintsika izay tempoliny noho ny Batemy dia tsy inona fa ny finoana, izay lasa mitsilopilopy raha tsy iainana sy hamafisina amin’ny vavaka sy ny asa fiantrana.

Amin’ny maha tempolin’Andriamanitra ny tenantsika, izay fonena’ny Fanahy Masina, dia manainga antsika ny apôstôly Paoly mba hanaja ny vatantsika izay tsy natao ho an’ny filan-dratsin’ny nofo (firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna atao mialoha sy ivelan’ny fanambadiana). [Ny teny hoe “mijangajanga” no ilazan’ny kristianina izany; teny noforonin’ireo misiônera vahiny, ilazàna ny didy faha-enina. Matetika no tsy azon’ny olona any ambanivolo sy mbola tsy mahalala ny finoana kristianina io teny io. Ny “janga” amin’ny faritany maro manerana ny Nosy dia midika hoe: “sitrana, salama”, ka nony ampiasaina any amin’ireo mponina an’ala sy tany dezaka (ho an’ireo miomana amin’ny Batemy) ilay teny verindroa hoe: “mijangajanga” dia tsy azony mihitsy, ka lazainy fa mandrebireby, satria: «ny olo janga (sitrana, salama) izay koa ve, hoy izy, ka jakainao ho manota»]. Ny tiana ho lazaina dia ity: tsy natao ho an’ny filàna amam-piliban’ny nofo ny vatantsika, fa ratsambatan’i Kristy, ary efa novidiny lafo, koa Andriamanitra no aoka homena voninahitra amin’izay ataontsika rehetra. Ratsy ny fanaranana sy fanararaotana ny hafinaretan’ny nofo tsy ara-dalàna, sady fahavetavetana izany, satria ny fahotana rehetra dia ataon’ny olona eo ivelan’ny tenany avokoa, fa izany kosa dia ataony amin’ny tenany mihitsy. (cf 1Kor 6,12-15.17-20). Kristianina àry ve ianao dia ho sahy handrava sy hanimbazimba ny endrika onenan’Andriamanitra ao aminao sy ny namanao?

Ny Evanjely anio àry no manainga antsika rehetra mba hianatra tsara ny nataon’ireo mpiantr’i Joany Batista, fa vao nahare ny teniny hoe: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra», dia lasa nanaraka an’i Jesoa mba hizaha izay itoerany sy naira-nitoetra taminy tamin’iny andro iny. Ka nony niala avy teo dia nampiely tamin’ireo havany sy namany fa: «Efa hitanay ny Mesia». Tsy vitan’izay fotsiny koa, fa nitondra azy ireo koa nankany amin’i Jesoa, mba hohamafisany amin’ny finoana araka ny antso miantefa amin’izy ireo tsirairay avy (Joany 1,35-42). Natao hifampitaona koa isika, ho amin’ny tsara fa tsy ho amin’ny ratsy, sanatria. Koa alao hery àry fa «ny soa atao levenam-bola» ary ny toetra sy fihetsika soa mahasarika ny maro, maika moa fa ny fijorona amin’ny finoana sy ny fandalàna ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitiava-namana.

Antso manokana ny maha-mpifindra monina antsika, ao ireo lahika mpila ravinahitra sy mpiasam-panjakana: natao hampanjaka ny rariny ho fanasoavana ny hafa sy ny firenana, ao ireo mpifindra monina anatiny sy ivelany. Aoka ho iraka mahatoky ny amin’izany ny lahika rehetra. Ireo misiônera sy relijiozy ary pretra kosa moa dia efa voatsodrano ho an’izany, tsy maintsy mifindra monina. Antoky ny fanapariahana haingana ny Evanjely koa ny fifindra-monina, izay zary asam-pamonjena sy iraka; nifindra monina ny Tompo, avy tany ankoatra no tonga nonina tety amintsika, nifalo tany Ejipta, noho ny fanenjehan’i Heroda.

Tompo ô, omeo apôstôly lahika maro eo amin’ny sehatra samihafa izahay, ary enga anie mba ho vonon-kamonjy ny namana tokoa izy ireo, sahy hijoro ho vavolombelon’ny finoana sy ny fitiavanao, ka hiaro ny rariny sy ny hitsiny: ireo mpitondra anay sy mpanao pôlitika, ireo mpitsara, mpitsabo, miaramila sy pôlisy ary zandary natao hitandro ny filaminana, ireo mpanabe sy mpandraharaha isakarazany. Ho maro anie ireo lahika mpivarotra mahay mandàla ny fiaraha-monina, ka tsy ho mpanararaotra na ho mpaka tombony be, tsy hanao mamy fo velona, fa kosa hahay mandàla hatrany ny soa iombonana. Amen!


Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105