Omeo an'i Sezara izay azy...

Alahady tsotra faha-29, taona A

Fakam-panahy mpahazo ny Kristianina matetika ny manasaraka ny vatana sy ny fanahy. Na ny Ntaolo malagasy aza moa dia nanitrikitrika fa "ny fanahy no olona". Nanjary nosokajiana ho anisan'ny tontolo ambany ny vatana fa ny fanahy no mila hamasinina. Misy aza ireo sekta sasany izay nanao tsinontsinona ny vatana mihitsy mba hanamasinana ny fanahiny. Tokony hijanona ho fakam-panahy ihany izany ary tokony horesena satria noharian'Andriamanitra ny vatana ka tokony hokarakaraina. Hoy rahateo i Paoly "Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra?" (I Kor. 3. 16). Izany rahateo no mahatonga ny Fiangonana hanameloka ireo izay manao tsinotsinona sy tsy manaja ny vatana.

Koa amin'ity androany ity i Jesoa dia notsapain'ireo mpanao lalàna fanahy mikasika indrindra ny lalàn'ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany. Mety ve ny mandoa hetra ho an'i Sezara. Ho an'ny Jody izay teo ambany fiadidian'ny fanjakàna Romana dia noheverina ho maloto ny fifaneraserana amin'ny mpanjanaka. Izany rahateo no nahatonga ny Fariseo nankahala ny Poblikana. Koa ny fitsapana napetraka tamin'i Jesoa izany eto dia mikasika indrindra ny hoe manaiky ny fanjakàn'ny mpanjanaka ve izy sa tsia. Raha mamporisika ny fandoavana hetra izy dia mifanohitra amin'ny lalàn'ny finoana, ka ho mora ny manameloka azy, raha misakana izany indray nefa izy dia mifanohitra amin'ny lalàn'ny Romana ka ho moa koa ny hanameloka azy araka ny lalàna. Fantatr'i Jesoa anefa izany fikasan-dratsy izany ka tsotra ny valin-teniny "Omeo ho an'i Sezara izay an'i Sezara". 

Mamporisika izany i Jesoa eto ny handoa hetra, saingy hazavainy fa ny fandoavana hetra ho an'i Sezara dia tsy midika velively ho fanompoana an'i Sezara. Ny fandoavana hetra dia mitory fotsiny fanekena ny lalàm-pitondràna. Lalàna izay iainan'ny fiaraha-monina. 

Tsy mijanona eo anefa ny tenin'i Jesoa fa ny tapany faharoa izay henjana kokoa dia ny hoe "... ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra". Ity tapany faharoa ity no arofanina miaro amin'ilay fakam-panahy hirona fahatany amin'ny ahiahin'ny vatana. Satria tsy ampy fotsiny ny manatanteraka ny lalàn'ny olombelona fa ambonin'izany dia ilaina ny manaraka ny lalàn'Andriamanitra. Ny lalàn'Andriamanitra no fanilo manazava ny fanarahana ny lalàn'olombelona. 

Mitodika manokana ho an'ny Malagasy Kristianina amin'izao fotoana izao ity Evanjely androany ity. Ny fanontaniana ao antsaina, izay mitovitovy amin'ny napetraka tamin'i Jesoa, dia hoe, mety ho an'ny Kristianina ve ny mandray anjara amin'ny politika? Dia asehon'i Jesoa eto fa tsy mifanohitra velively ny fandraisana anjara amin'ny fanatsaràna ny fiaraha-monina sy ny fanompoana an'Andriamanitra. Saingy tokony hiseho hatrany amin'ilay asa fanatsaràna ny fiaraha-monina ny maha mpanompon'Andriamanitra ny Kristianina.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306