18 desambra 2011, Alahady Fiaviana IV - B
Ny misiterin’ny Fahatongavana ho Nofo dia maneho miharihary amintsika fa tsy mifanaraka amin’izay fomba fisainan-tsika olombelona tokoa ny fihevitry ny Tompo Andriamanitra, izay nampisy ny tsy misy, ary maneho amin’ny fomba mahagaga ny asany sy ny heriny. Saika mahalana dia mahalana anefa ireo zava-mahagaga no asehony ny olombelona, mba ho famantarana hinoantsika.
Ny Teny no nahariany ny zavatra rehetra, dia ny Teny Fahendrena sy Fahazavana ary Fototr’izao rehetra izao (cf Jen 1,1-4ss; Jn 1,1-8). Io Teny io no mampifandray antsika amin’Andriamanitra, ary izy Tonga Nofo no mampiombona antsika aminy tanteraka. Koa noho ny faniriana te hihaona bebe kokoa aminy sy ho fanajàna Azy dia nikasa i Davida mpanjaka fa hanorina fitoerana ho Azy, dia ny tempoly izany, saingy izy Tompo indray no nampanantena taminy fa hanokan-toerana ho an’ny vahoakany sy hiadanany ary ny mba handovan’ny taranany ny fiketrahany (cf 2Sam 7,1-5.8-11.16). Fomba hafa azo atao ho fihaonana amin’Andriamanitra kosa anefa ny tantara sy ny fotoana. Eny amin’ny toerana rehetra dia azontsika ihaonana amin’Andriamanitra avokoa, toy izany koa ny fotoana sy ny taona rehetra. Saingy tsara ny manavaka fa ny toerana dia ety ivelantsika, fa ny fotoana sy ny tantara kosa dia ao anatintsika, tsy ilay fotoana araka ny adimpamataranandro fa ilay fotoana ao ampontsika, araka ny maha izy azy ny tsirairay, ka iombonany amin’ny Tantara ao amin’ny Tompo ilay hany mandrakizay. Eny, Tonga Nofo toa antsika, mety maty sy voafetra, ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mba hahatonga Aina tsy mety maty sy maharitra mandrakizay ireo zanak’Andriamanitra rehetra izay efa natsangany ao amin’i Kristy. Ary indro fa efa nambara sy naseho tokoa ankehitriny ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay (cf Rôm 16,25-27).
Ampahatsiahivin’ny Evanjely anio mantsy fa: efa nambara mazava tamin’ilay Virjiny, tao Nazareta, ny amin’ny hoe: hananany anaka avy tamin’ny Fanahy Masina, ary i Jesoa no hatao anaran’ilay zaza (ny hevitry ny teny hoe Jesoa dia: Mpamonjy); nomena ho toy ny porofo moa ny fananan’i Elizabeta anaka, na dia efa zokiolona aza izy (cf Lk 1,26-38). Eto amintsika tokoa Andriamanitra, ary efa maneho tsy tapaka ny asany Izy, saingy isika no mafy fò sy saro-tiana toa landy moka, ka maniasia lava. Na izany aza anefa dia eo ny fitiavany antsika, izay nomeny antsika, ka nanaovany antsika ho mitovy endrika aminy sy nanaganany antsika ho isan’ny zanany. Aoka àry isika mba hiezaka, handray sy hiaina izany fitiavany izany. Tsy amin’ny maha lehilahy sy maha vehivavy antsika fotsiny, fa amin’ny maha olona afaka mitia sy mifampizara antsika, amin’ny fiombonantsika amin’i Jesoa ao anatin’ny hafaliany sy ny fijaliany, satria eo lalandava Izy. Aoka tsy ho hadino fa, ny fijaliany sy fahafatesany ary ny fitsangany ho velona fisehoana faratampony amin’ny Fahatongavany ho Nofo. Io Fahatongavany ho Nofo io koa anefa no mampiavaka ny finoana kristianina amin’ny finoana fahafa sisa rehetra. Koa taorian’ny niakaran’ny Tompo any an-danitra dia mbola eo afovoantsika Izy ka nametraka ireo paipaidafika efatra izay iorenan’ny fiainan’ny Fiangonana: ny Fampianara-pinoana na ny Katesizy, ny Eokaristia (Litorzia), ny Vavaka ary ny Firahalahiana (izay miseho amin’ny asa fiantrana).
Ampio izahay ry Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay na dia ao amin’ny mafy sy sarotra indrindra aza. Eny, ainay sy vonjinay ianao ka aza avelanao hivily amin’ny lalanao izahay mba tsy haniasia. Amen!
Benirina