FANDALINANA NY EVANJELY ALAHADY
HAFATRY NY RAY MASINA BENOIT FAHA XVI
AMIN’NY ANDRO ERAN-TANY FAHA XIX HO AN’NY MARARY
(11 febroary 2011)
« Fa ny ratra nahazo Azy no nahasitrana anareo » (1Pi 2,24)
Ry havana malala,
Isan-taona ny 11 febroary, ankalazana ny fahatsiarovana an’ilay Virjiny Sambatra, ao Lourdes, no anoloran’ny Fiangonana ny Andro Eran-tany ho an’ny Marary. Araka ny fanirian’ny Papa hajaina Joany Paoly II, dia fotoana tsara fanararaotra io, handinihana momba ny misterin’ny fahoriana ary indrindra koa hanentanana bebe kokoa ireo ankohonam-piangonantsika sy ny fiaraha-monim-pirenena, hitodika amin’ireo rahalahy sy anabavy zoin’aretina. Raha mpiray tampo isika olombelona rehetra, dia vao mainka tokony hotsinjovintsika manokana ireo havana marefo indrindra, ireo mijaly ary ireo mila fikarakarana, mba tsy hisy amin’izy ireo hihevi-tena fa hoe hadino, na nailika an-jorom-bala ; satria tokoa ny enti-mandrefy ny maha olombelona antsika dia ny fomba ifandraisantsika amin’ny fahoriana sy amin’ireo ianjadiam-pahoriana. Marina foana izany na ho an’ny isam-batan’olona, na ho an’ny fiaraha-monina. Satria izay fiaraha-monina tsy afa-mandray an’ireo ianjadiam-pahoriana ary tsy afa-miombona aminy, amin’ny alalan’ny fiaraha-miory, mba hahatonga ny fahoriana ho entan-jarai-mora zaka ary koa hahafahana mitondra azy ao anaty, dia fiaraha-monina tsy mifaditrovana ary tsy mendrika ny olombelona (Taratasy ansiklika Spe salvi, n°38).
Enga anie ny ezaka atao, any amin’ny diosezy tsirairay avy any, amin’ity Andro anio ity, hitondra fankaherezana, mba hahitana fahombiazana bebe kokoa hatrany ny fikarakarana atao an’ireo izay mijaly ; sady koa ho enti-manomana an’ilay fankalazana manetriketrika, tsinjovina hatao amin’ny taona 2013, ao amin’ny toerana masina anajana an’i Masina Maria ao Altötting, any Alemaina.
1. Mbola voatahiriko ao am-poko lalina ao, fony aho nanao famangiana pastoraly tany Turin, ny fotoana nahafahako nandinika sy nivavaka teo anatrehan’ny Lamba masina nifonosan’i Jesoa, teo anatrehan’io endrik’olona zoim-pahoriana io, izay manasa antsika handinika an’Ilay nizaka ny fijalian’ny zanak’olombelona, manerana ny taona rehetra sy ny toerana rehetra, ary ny fahoriantsika ihany koa, ny fahasahiranantsika sy ny fahotantsika. Teo anivon’ny tantara, firifiry moa ny mpino nandalo teo anatrehan’io lamba fandevenana nifonosana vatan-dehilahy nohomboina tamin’ny hazofijaliana io, ary mifanaraka indrindra amin’izay rehetra voalazan’ny Evanjely momba ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa ! Ny fibanjinana azy dia manasa antsika handinika ny tenin’i Md Piera manao hoe : « Fa ny ratra nahazo Azy no nahasitrana anareo » (1Pi 2,24). Nijaly ny Zanak’Andriamanitra, maty Izy fa nitsangan-ko velona, ary izany indrindra no mahatonga ny feriny ho famantarana ny fanavotana antsika, ho famantarana ny famelana heloka sy ny fandrindrana ny fihavanantsika amin’ny Ray ; fa ny feriny koa anefa no tonga fisedrana ny finoan’ny mpianatra sy ny finoantsika ; fa isaky ny miteny momba ny hijaliany sy ny hahafatesany ny Tompo, dia tsy mety ho azon’ireo mpianatra ireo ihany, laviny ary toheriny. Na ho azy ireo na ho antsika, ny fahoriana dia mitoetra mandrakariva ho zava-mifono mistery lalina, sarotra ekena sy zakaina. Nizotra tamin’alahelo ireo mpianatra roalahy ho any Emaosy, noho ny zava-nitranga andro vitsivitsy lasa, tao Jerosalema, ary raha tsy niara-dia taminy Ilay nitsangan-ko velona, dia tsy nisokatra ho amin’ny fijery vaovao ny masony (jr. Lk 24,13-31). Ilay vato misakana tsy hay nihoarana teo aloha, satria noheverina fa mariky ny tsy fahombiazan’i Jesoa, no lasa porofon’ilay fitiavana nahazo fandresena, rahefa nifanojo tamin’Ilay nitsangan-ko velona izy ireo : « Ny hany mendrika inoana dia izay Andriamanitra tia antsika, manaiky hitondra ny ratrantsika sy ny fahoriantsika, indrindra fa ny fahorian’ny tsy manan-tsiny » (Hafatra Urbi et Orbi, Paka 2007).
2. Ianareo rehetra marary sy mitondra fahoriana no ilazako fa amin’ny alalan’ny ratran’i Kristy indrindra no ahafantsika mibanjina, amin’ny fijery feno fanantenana, ny aretina rehetra manjò ny taranak’olombelona. Raha nitsangan-ko velona ny Tompo, tsy noesoriny teo amin’izao tontolo izao tsy akory ny fahoriana sy ny ratsy, fa noreseny hatrany ifotony kosa. Ny herin’ny Fitiavany, mahefa ny zavatra rehetra, no nentiny nanohitra ny herin’ny Ratsy. Ary nasehony antsika tamin’izany fa ny lalana mitondra amin’ny fiadanana sy ny hafaliana, dia ny Fitiavana : « tahaka ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa » (Jo 13,34). Ilay Kristy nandresy ny fahafatesana no indro velona eto anivontsika ! Koa sady miaraka amin’i Md Thomas isika, hilaza hoe : « Tompoko sy Andriamanitro ! », no handeha hanaraka an’ilay Mpampianatra antsika, amin’ny fahavononana hanolotra ny aintsika ho an’ireo rahalahintsika (jr. 1Jo 3,16), mba hahatonga antsika ho iraka mitondra hafaliana tsy resin’ny fahoriana, dia ny hafaliana avy amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona. Hoy i Md Bernard : « Tsy afaka ny ho ory Andriamanitra, fa afaka miaraka ory ». Andriamanitra, ilay tena Fahamarinana sy Fitiavana, no nanaiky hijaly ho antsika sy miaraka amintsika ; tonga olombelona Izy, mba hahafahany « miaraka ory » marina amin’ny olombelona, ao amin’ny nofo aman-drany. Koa ao amin’ny fahorian’olombelona rehetra dia misy Olona efa niditra, hiara-mizaka aminy ny fahoriana sy ny faharetana ; ao amin’ny fahoriana rehetra, dia misy fanalana alahelo mitobaka, fanalana alahelon’ny fitiavana avy amin’ilay Andriamanitra mandray anjara, mba hampiposaka an’ilay kintan’ny fanantenana (jr. Taratasy Ansiklika Spe salvi, n° 39). Ry havana, averiko aminareo io hafatra io, mba hahatonga anareo ho vavolombelony, amin’ny alalan’ny fangirifiriana iaretanareo, sy ny fiainanareo ary ny finoanareo.
3. Eo am-pitsinjovana ny fihaonana any Madrid, amin’io volana aogositra ho avy io, amin’ny Andro Eran-tany ho an’ny Tanora, dia tiako ny hampitodika manokana ny eritreritro hankamin’ireo tanora, fa indrindra ireo tanora misedra ny fangirifirian’ny aretina. Mazàna mampatahotra ny Fijalian’i Jesoa Kristy sy ny Hazofijaliany, satria toa hita ho fahavalon’ny aina izy ; ny mifanohitra amin’izany anefa no marina ! Ny Hazofijaliana no « Eny » ataon’Andriamanitra amintsika olombelona ; io no fara tampony ary mahery indrindra amin’ny fanehoany ny Fitiavany, ary io no loharano ipoiran’ny aina velona mandrakizay. Miboiboika avy amin’ny fon’i Jesoa trobaky ny lefona io aina avy amin’Andriamanitra io. Izy Jesoa no hany mahavita manafaka an’izao tontolo izao amin’ny ratsy ary manao izay hielezan’ny Fanjakany, dia ilay Fanjakan’ny Fahamarinana, ny fiadanana ary ny fitiavana andrandraintsika rehetra (jr. Hafatra ho an’ny Andro Eran-tany ho an’ny Tanora 2011, 3). Ry tanora malala, mianara « mahita » an’i Jesoa sy « mihaona » Aminy ao amin’ny Eokaristia, fa ao tokoa Izy mba ho antsika, ary mba ho sakafo hataontsika vatsy eny an-dalana aza. Fa mahaiza koa mamantatra Azy sy manompo Azy ao amin’ny mahantra, ao amin’ny marary ary ao amin’ireo havana zoim-pahoriana sy sahirana, ka mila ny fanampianareo (jr. ibid., 4). Ho anareo tanora rehetra, na marary na tsia, averiko indray ny fiangaviako anareo handrary rohim-pitiavana sy firaisan-kina, mba tsy hisy olona hahatsiaro tena ho manirery, fa samy hahatsiaro ho eo anilan’Andriamanitra avokoa, ary ao anatin’ny fianakaviamben’ireo zanany (jr. Audience générale, 15 novambra 2006).
4. Rahefa mibanjina ny ferin’i Jesoa isika dia mitopy any amin’ny fony masina indrindra ny masontsika, fa ao no fara tampony anehoan’Andriamanitra ny fitiavany. Ny fo Masin’i Jesoa, dia i Kristy mifantsika eo amin’ny Hazofijaliana, ny lanivoany misokatra voatrobaky ny lefona, ary miboika avy eo ny ra sy ny rano (jr. Jo 19,34) « mba hahafahan’ny olona rehetra manatona ny Fony sy manovo hafaliana ao amin’ny loharano velon’ny famonjena » (Sorona Masina Romanina, Prefasy amin’ny fetin’ny fo Masin’i Jesoa). Ary ho anareo manokana izay zoin’aretina : tsapanareo fa akaiky anareo io Fo feno fitiavana io, koa manovoza amin’io loharano io am-pinoana sy an-kafaliana, sady mivavaha hoe : « Ry rano nivoaka teo amin’ny lanivoan’i Kristy, diovy aho ; ry Fijalian’i Kristy, herezo aho ; ry Jesoa tsara fo, ekeo ny fangatahako ; afeno ao anatin’ny ferinao aho » (Vavak’i Md Ignace de Loyola).
5. Eto am-pamaranana ny Hafatro ho an’io Andro Eran-tany ho an’ny Marary ho avy io, dia iriko ny haneho ny fitiavako anareo rehetra ary ianareo tsirairay avy, amin’ny fandraisako anjara amin’ny fahoriana sy ny fanantenana iainanareo isan’andro, miaraka amin’i Kristy mifantsika amin’ny hazofijaliana sy nitsangan-ko velona, mba hanomezany anareo ny fiadanana sy ny fahasitranan’ny fo. Ary miaraka Aminy, dia enga anie ka hiambina eo anilanareo koa i Maria Virjiny, izay antsointsika am-pitokiana hoe « Fahasitranan’ny marary, ary Fanalana alahelo ny ory ». Teo am-pototry ny hazofijaliana no tanteraka taminy ilay faminanian’i Simeona hoe hotrobahan-tsabatra ny fon-dreny ao aminy (jr. Lk 2,35). Avy ao anaty hantsan’ny fahoriany, izay niombonany amin’ny fahorian-Janany, no nandraisan’i Maria ny andraikitra vaovao nankinina aminy, dia ny ho Renin’i Kristy ao amin’ireo rantsam-batany rehetra. Tamin’ny fotoana nihantonany teo amin’ny Hazofijaliana, dia natolotr’i Jesoa azy ny tsirairay tamin’ny mpianany, nataony hoe : « Indro ny zanakao » (Jo 19,26-27). Ny fon-dReny mangoraka ny zanany no lasa fon-dReny mangoraka antsika tsirairay avy, amin’ny fahoriana entintsika isan’andro (jr. Toriteny tany Lourdes, 15 septambra 2008). Ry havana malala, amin’ity Andro Eran-tany ho an’ny Marary ity, dia miantso an’ireo Manam-pahefana ihany koa aho, mba hanatevina hatrany ny foto-drafitr’asa momba ny fahasalamana, hahafahana mamonjy sy manampy an’ireo mangirifirin’ny aretina ary hitsinjovana manokana an’ireo mahantra indrindra sy ireo fadiranovana indrindra. Mandefa ny eritreritro mankamin’ny diosezy rehetra aho, ka miarahaba am-pitiavana ny eveka, ny pretra, ireo rehetra nanokan-tena ho an’Andriamanitra, ny seminarista, ny mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpirotsaka an-tsitra-po, ary ireo rehetra manolo-tena am-pitiavana hitsabo sy hampitony ny ferin’ireo havana marary, any amin’ny hopitaly, any amin’ny toeram-pitsaboana, na eo anivon’ny fianakaviana ; mahaiza mijery mandrakariva eo amin’ny endriky ny marary an’ilay Endriky ny endrika rehetra : dia ny an’i Kristy. Entiko am-bavaka ianareo rehetra ary tso-drano apostolika manokana no omeko anareo tsirairay avy.
Vatikana, 21 novambra 2010,
Fetin’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao.
Ny Papa Benoît XVI