Miseho eo anivontsika Ilay Tompon’ny Aina sy ny Fiadanana!

 

Zomà 06 Janoary 2012 (na Alahady 08 Janoary 2012), Taona B,

Epifania: Ny nisehoan’ny Tompo

 

Ny fisehoan’ny Tompo amintsika, izay ankalazaina isan-taona, dia manampy antsika hamantatra ny halalin’ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra ny olombelona. Epifania moa no ilazana izany fety izany. Angatahin’ny Fiangonana koa ny hamoriana rakitra manokana ho an’ny Fiangoanana sy ny fampiepezam-pinoana aty Afrika amin’io andro io. Ity andro anio ity koa (06 janoary) no andro lehibe manokana, fankalazàn’ireo Fiangonana Tatsinanana sasany ny fetin’ny Noely.

Zava-dehibe ny fahafoizan-tena nananan’ireo majy mpanandro, niainga avy any an-tany lavitra mba hizaha sy hitsaoka ilay Zaza vao teraka nambaran’ny kintana niseho avy any Atsinanana (Mt 2,1-12). Nisolo tena antsika hafa firenena rehetra izy ireo, ary izany no mahatonga ity fety ity lazaina ho fisehoan’ny Tompo amintsika (Epifania). Irin’Andriamanitra ho isam-pianakaviany ny olona rehetra, ary indro fa efa miposaka eo amintsika ny voninahitry ny Tompo (Iz 60,1-6), koa na dia tsy mitsaha-manarona ny tany sy ny fon’ny olona aza ny haizina dia ny Tompo kosa no miseho mihariahary eo amin’ny fiainanao, mba hahitanao ny mazava, ao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana marina.

Tonga nofo ny Teny, ary niseho sy naira-nonina tamintsika olombelona, mba hanandratany ny olona ho ao amin’ny tsy fahalòvana mandrakizay. Fototry ny fanavotana ny Fahatongavany ho Nofo, ary andry iankinan’ny fampielezana ny finoana amintsika taranaky ny Jentily ny nidinany tety an-tany mba ho famonjena antsika. Ilay Zaza miseho amin’ny firenen-drehetra tokoa mantsy no nahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro amin’Israely sy ho fananganana ireo izay lavo, ary indrindra ho famonjena antsika avy amin’ny vazan-tany efatra sy hafa firenena.

Koa noho izany dia tonga iray lova sy iray tena ao amin’i Jesoa Kristy ny Jentily sy ny Jody, noho ny ninoany ny Evanjely na ny Vaovao Mahafaly na koa Filazantsara (Efezy 3,2-6). Izany indrina no antony anaingana antsika mba hanatona ilay tena hany Fahazavana, fototry ny fanavotana antsika mpanota. Sitraky ny Tompo tokoa mantsy ny hampihavana ny olombelona rehetra sy hamondrona ny zava-drehetra ao aminy, ho fanehoana ny voninahiny.

Koa faingana àry isika hitsaoka an’ilay Mesia, Zazakely, hany fanazavàna sy fanilo ho antsika na dia maizina aza ny fironana arahin’ny olona amin’izao fiainana izao! Izy no hameno antsika ny fahasoavana sy ny herin’ny Fanahy Masina, mba hihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0632