Mifalia sy miravoa fa akaiky ny Tompo!

 

11 desambra 2011, Alahady Fiaviana III - B

 

Avy nankalaza an’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara isika, ny 08 desambra lasa teo, no izao miditra amin’ny Alahady Firavoravoana (Domenica Laetare) sy Fifaliana (Dominica Gaudete) izao, izay avy amin’ny vakiteny roa voalohany fanao amin’ny Alahady Fiaviana III - Taona D, milaza hoe: «Manaova feo firavoravaona ry Israely! Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema» (cf Sofonia 3,14-18a); sy hoe: «Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny averiko indray: mifalia e!» (Filipy 4,4-7). Mavokely toy ny raozy, fanamiana fanao amin’ny andro fihobiana sy firavoravoana, no akanjo voatondron’ny Litorjia hanaovan’ny mpandraharana masina anio, ary manambara fanantenana lehibe izany.

Ho revon-karavoana ao amin’ny Tompo aho, hoy ny mpaminany nirahin’ny Tompo. Isika mpino kao dia mifaly fa miombona amin’i Kristy, satria miray tanteraka amin’ny Mesia, ilay Voahosotra. Eny, voahosotra miaraka aminy koa isika tamin’ny Batemy, ka tsy tokony hihambahamba hilaza izao teny izao: «Ato amiko ny fanahin’ny Tompo, satria voahosotry ny Tompo aho, nirahiny  hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre amin’ny babo fa afaka sy ny ao antranomaizina fa alefa» (Iz 61,1-2a.10-11). Hifaly sy ho voaravaky ny hatsaram-panahy maro isika raha mandray sy miaina izany teny izany; hiravoravo lalandava ao amin’ny Tompo Andriamanitra ny fontsika. Haniry sy hitsimoka tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika ny tena fitiavana, ary hamokatra sy hameno ny asantsika sy ireo manodidina izany, hipaka hatrany amin’ny faran’ny tany, satria ny lazan’ny olo-marina sy masina tsy mba takona afenina, ary ny soa vitany sy fahamarinany ho tantaraina hatrany.

Sitraky ny Tompo ny hifaliantsika mandrakariva, tsy amin’ny fanaranana ara-batana sy amin’ny filibana, fa amin’ny fahaiza-mizaha toetra ny zavatra rehetra, mba hitanana izay tsara, ary hifadiana izay miendri-javatra ratsy. Koa raha mifaly ao anaty fahasoavan’Andriamanitra isika, dia ho voatahiry tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiverenan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy amin’ny fotoana hahatongavany hakany antsika. Eny tsy mivadika ilay efa niantso antsika, koa aoka hatoky Azy isika (cf 1Tes 5,16-24).

Manomana antsika hankalaza ny Noely amin’ny fo sy fanahy voadio ary afa-pahotana i Md Joany Batista amin’ireo teny voalazany anio. Tena manambara mazava izy fa misy olona iray izay tsy fantatrareo eo afovoanareo (Jn 1,6-8.19-28). I Joany Batisata moa no ilay feo miantso any an’efitra, ilay nanambara hoe: «Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra» (Jn 1,36). Io teny io dia averina amintsika mialohan’ny handray Komonio. Eo anivontsika tokoa ilay nanao Btemy antsika tao amin’ny Fanahy Masina, saingy toa kely finoana isika ka tsy mahay mandray azy matetika sy tapaka ao amin’ny Eokaristia sy ao amin’ny namantsika. Samia àry mandinika isika: tany Betania andafin’i Jordany no nilazan’i Joany Batista ireo teny voalazan’ny Evanjely ireo. Toerana any amin’ny sisitanin’ny Tany nampanantenaina izany, toerana fivezivezen’ireo olona tsy dia ampy finoana loatra na sahirana ara-pivelomana, fa mpifindra monina. Mety mivezivezy noho ny antony ara-pivelomana sy fahasahiranana maro loha koa ny fò amam-panahintsika, ka zary Betania kely ny tenantsika, saingy eo ilay mpialoha làlana izay mampahatsiahy antsika anio fa tsy lavitra ary efa eo afovoantsika ny Tompo, koa raiso Izy, ary mifalia fa efa miha-manakaiky hatrany ny andro hanandratany antsika hiara-paly aminy mandrakizay, santatr’izany izao Noely andrasantsika izao.

Mihanta aminao izahay ry Ray mora fò ô. Mba ovay ho toy ny tany lonaka ny fò amam-panahinay, ary rotsahy ny fahasoavanao mba hamokatra fitiavana sy fahamarinana ary fahamasinana, ho fanampiana ny hafa ao amin’i Kristy, ilay andrasanay sy hobinay manokana amin’ny Noely sy Paka ary ao amin’ny Eokaristia! Amen!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.045