KAREMY

 

FANDALINANA NY EVANJELY

 

Efapolo andro fiomanana amin'ny Paka [1] no atombotsika androany. Na dia ankalazaintsika isan-kerinandro aza ny Pakan'i Kristy, dia misy ny fotoana hankalazana azy manokana. Fotoana handalinana ny Famindram-pon'Andriamanitra, hoy ny Papa [2] izao fotoana izao, ka hahatonga antsika koa ho mpamindra fo ny rahalahintsika. 

Zavatra telo no iorenan'ny ezaka atao mandritra ny karemy dia ny fivavahana, ny fifadian-kanina ary ny asa fiantrana. Ireo no iezahantsika isan'andro hanamasinana ny tenantsika mba hiara-maty amin'i Jesoa Tompo, raha ny amin'ny fahotana, mba hiara-belona aminy indray amin'ny Fiainam-baovao (Kol 3). "Ny fo anefa no mila rovidrovitina, fa tsy ny fitafiana" (Joely 2, 12-18). Ao anaty no lalam-pibebahana fa tsy ety ivelany, fiatrehana ny fiainana eo anatrehan'ilay Ray mahita ny miafina (Mt 6, 1-6.16-18) ka izay ataon'ny tanana havanana tsy tokony ho fantatry ny havia.

Izany no mapmpiavaka ny asa fiantrana ataontsika kristiana [3] araka ny lazain'i Md Joseph Benoit Cottolengo hoe : "Aza isaina na oviana na oviana ny vola omenao ny mahantra, satria hoy aho hoe raha ny havanana tsy tokony hahalala izay ataon'ny havia, dia tsy tokony hahafantatra akory hoe ohatrinona no nomeny." Mety ho adalana izany raha jerena amin'ny toe-tsaina mandrafitra ny fiaraha-monina iainantsika izao, saingy, araka ny fampianaran'i Jesoa, dia "ilay vehivavy mananontena" izay nanome izay tokony hivelomany no "nahafoy" be indrindra (Mc 12, 44).

Fahafoizana no tena asa fiantrana. Tsy fanomezana ny ambimbava, fa fanomezana izay "mety ho antoky ny aina" aza. Mety tsy ho vola aman-karena ihany koa anefa, fa izay mety hananantsika, tahaka ny Apostoly Piera tao an-tempoly : "Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jeso-Kristy avy any Nazareta, mamindrà" (Asa 3,6).

Fanehoana ny fo mivalo ny lavenona nahositra ny handrintsika [4]. Samy mahatsapa anefa fa tsy lalana indray andro ny fibebahana fa ezaka sy tolona mandritra ny fiainana manontolo [5]. Aza adino ary, araka ny fangatahantsika amin'Izy Tompo amin'ny vavaka Prefasy [6] hoe "ny fifadian-kanina atao no hanaketrahana ny haratsiana sy hanondrotana ny fanahy ka hahazoana hery sy valisoa".

Aoka ary isika tsy ho sasatra ny hifampirisika hoe "Mihavana re amin'Andriamanitra" (IIKor. 5, 20-6,2).

Mirary anao ho tsara fiomanana amin'ny Paka.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698