Izao tontolo izao no irin’Andriamintra ho Fiangonana fianakaviany!

Zomà 30 desambra 2011, Fianakaviana Masina. Alahady 01 Janoary 2012, Masina Maria Renin’Andriamanitra sy Mpanjakavavin’ny Fiadanana. Zomà 06 Janoary 2012 (na Alahady 08 Janoary 2012), Epifania: Ny nisehoan’ny Tompo

 

Hafaliana lehibe ho anay ny manolotra ny fiarahabana arabi-bavaka ho anareo rehetra: Vitasoan’ny Noely 2011 sy Tratry ny Taombaovao2012!

Zava-dehibe ny fankalazantsika isan-taona ny Fetin’ny Fianakaviana Masina sy ny Epifania, na dia miovaova aza ny datin’izy roa ireo. Eny, tsy andeferan’ny olona maro ny 01 Janoary, amin’ny resaka fety fiandohan’ny Taona azy, saingy Fetin’ilay Reny Mpanjakavavin’ny Fiadanana izany andro izany ho antsika Kristianina, sady fetin’ilay Renin’Andriamanitra rahateo; anio koa no nankalazàna ny Anarana Masin’i Jesoa raha ny tetiandro fahiny no arahina; fety lehibe io ho an’ny Fikambanana mitondra izany anarany izany.

Ny Fianakaviana tao Nazareta no banjinintsika amin’ny Evanjely vakina ho fankalazàna ireo fety telo mifanesy ireo. I Jesoa zatovo very hateloana tany an-Tempoly, ka hitan’ireo ray aman-dreniny teo afovoan’ireo mpampiana-dalàna no tantarain’i Lioka 2,41-51 ao amin’ny Evanjely mifandraika amin’ny Fety nankalazantsika ny Fianakaviana Masina. Ireo mpiandry ondry nidodododo nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry eo amin’ny fihinanam-bilona kosa no ambarany ao amin’ny Evanjely anio, amin’izao andro Taombaovao izao (Lioka 2,16-21). Ary ny majy telolahy avy any Atsinana, izay notarihin’ny kintana kosa no lazain’i Matio 2,1-12 ao amin’ny Vaovao mahafaly natokana ho vakina amin’ny fankalazàna ny Nisehoan’ny Tompo na ny Epifania.

Toko telo mahamasa-nahandro ireo fety telo mifanesy ireo na dia miovaova aza ny roa manotrona ny Fiandohan’ny Taona, ny 2012 izay diavintsika anio izao. Natao hamondrona antsika rehetra izany, mba hahay hifampizara ny manta sy ny massa, toy ny mpianakavy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Fa kosa: Andry telo iankinan’ny famoriana ny zanak’olombelona diso làlana izy telo mianaka, dia: i Jesoa sy i Maria ary i Josefa.

Kintana telonohorefy miseho eto anivontsika amin’ny alalan’ilay Zaza vao teraka kosa ny Trinité Masina, te hamonjy sy hanavotra antsika mpanota, toa lavitra akaiky izy ireo noho ny mistery lehibe mamehy Azy: eo ny maha Andriamanitra Tokana, fa ao koa ny maha Olona Telo Azy.

Randran-telo mirindra sy mifampiditra, maneho ny tena tokony ho endriky ny fivondronantsika olombelona ho zary Fianakaviana iray ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny Tompo kosa ireo sokajin’olona telo tonga niankohoka sy nitsaoka ilay Zaza vao teraka: dia ry Maria sy Josefa aloha, izay misolo tena ireo olona tso-piainana sy be finoana; ireo mpiandriondry izay misolo tena ireo mahantra sy madinika na ireo ahilikiliky ny mpiara-belona; ireo majy izay misolo tena ny olona mpanandro sy manam-pahalalana ary ireo manan-kaja, nefa tsara sitra-pò eo amin’ny fanarahana ny fanazavana natolotry ny Tompo antsika olombelona.

I Neny Ra-Maria moa no ilay Kintana Fitarik’Andro misava ny haizina hidiran’ilay masoandro vao miposaka dia i “Kristy, Teny Tonga Nofo, Nofo tonga Mofo, Mofo zary Aina, Aina mamelona, Manangana antsika ho velona mandrakizay miaraka aminy”. Fa Izy no ilay masoandro vao miposaka, velona, hitsara ny velona sy ny maty. Koa omeo voninahitra amin’ny fiainanao sy ny asanao rehetra izy, na dia be kilema aza isika, mazotoa maka tahka an’i Masindahy Josefa, Vadin’ny Renin’Andriamanitra, izay tsy Taranaka malazan’i Davida fotsiny fa mpampitahotra an’Ilay Ratsy sy Mpiaro ny Fiangonana Masina, izy ilay Lohan’ny Fianakaviana Masina, Mpiaro mazoto an’i Jesoa Kristy, lehilahy marina, madio, malina, mahery fò sy nanaiky ary nahatoky indrindra.

Koa faingana rey olona hanatòna an’i Jesoa isika, izy ilay fanazavàna sy fanilo hanafana ny fò amam-panahintsika. Omeo voninahitra Izy ho fiderana ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina. Amen!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099