Ianao koa anie nasaina e

Alahady tsotra faha 28 mandavantaona, Taona A 

Fanoharana vaovao mikasika ny Fanjakan'ny lanitra indray no aroson'ny Fiangonana hodinihitsika androany. Ny fotokevi-dehibe dia misy itovizany amin'ireo fanoharana tamin'ny heriny sy tamin'ny tapabolana dia ny hoe "Maro no nantsoina fa vitsy no fidina". Izany hoe tsy izay rehetra nantsoina dia hofidina. 
 
Tsy ampy tokoa ny voaantso mba hahatongavana amin'ny Fanjakan'ny lanitra. Tsy ampy ny mamandri-toerana fa ezaka isanandro no mila atao mba hitazomana izany toerana izany. 
Ny Evanjelin'i Matio dia Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Izany hoe mibahana ao anatiny ny fanazavana ny momba ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fomba hahatongavana amin'izany. Izy mantsy dia niaina teo anivon'ny Jody nibebaka izay nihevitra hatrany fa voafidin'Andriamanitra manokana. Izy ireo, matetika, dia nihevitra ny tenany ho efa nanana ny fahamarinana avy amin'ny lalàna nomen'i Moizy azy ka nieritreritra fa moramora kokoa ho azy ireo ny mahazo ny Fanjakan'ny lanitra. Ka ho azy ireo indrindra no nanoratan'i Matio ity fanoharan'i Jesoa ity. Nohatrintrateriny fa raha mitaredretra izy ireo dia homena ny poblikana sy ny mpivaro-tena ny toerany. Raha tsy tonga amin'ny fanasàna izy ireo dia ny olona eny an-dalana rehetra, na ratsy na tsara, no hasaina hisolo toerana azy ireo.
 
Amin'izao androntsika izao dia maro dia maro ny voasoratra ho Kristianina, satria hoe vita batemy. Mahagaga anefa fa tsy mifanaraka amin'izany isa izany ny mpiangona. Ary vao maika vitsy noho izany ihany koa ny tena miaina ny fiainana maha Kristianina ao anatin'ny fitiavana. Ny ankamaroan'ny vita batemy tsinona dia nijanona teo amin'ilay voaantso fotsiny. Faly fotsiny nahazo ny voninahitra voaasa handray anjara amin'ny fanasàna. Fa tsy nanao ezaka hanatrika izany fanasàna izany. Ao amin'ny fanoharana dia misy antony vitsivitsy tsy nandehanan'ireo olona nasaina. Ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nandeha any amin'ny varony, ny sasany moa dia namono ireo nirahina. Tsy zavatra ratsy avokoa matetika no misakana antsika tsy  hamaly fanasàna fa fiainana an-davanandro aza. Sahirana amin'ny fiainana, voatery amin'ny fitadiavana. Vonjy aina izany, hoy angamba isika miala tsiny fa efa mba vita batemy ihany izahay. Tsy ampy anefa izany, tsy ampy ny voasoratra ao anaty lisitra fa mila mandray ny adidy vokatr'izany. Tsy ampy ny vita batemy fa mila mivelona ny batemy izay noraisina. Tsy ampy ny manana zo maha Kristianina fa mila manatanteraka ny adidy maha Kristianina ihany koa. Ary rehefa mahatsapa hoe "mba efa nanao kosa aho" dia amin'iny fotoana iny indrindra no tokony hanao be be kokoa izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
 
Hoy indrindra i Jesoa : Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Mt. 7, 21

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1201