ARAHABAINA NAHATRATRA NY PAKA

Tsy ho nofinofy akory ny Paka e!

Nofonofiko hono, io maraina io,
Tsio-drivotra malefaka, sady tony no madio
Nanafoana ranomaso, nampitony fijaliana
Ka tsy hisy intsony ankaso, fa ho dibo-kafaliana !
Nofinofiko hono, ka lazaiko anareo,
Tsy nisy intsony ny tomany, foana hatreo ny toreo,
Fa ny maty tao am-pasana, tsy tamana ka nifoha,
Tonga manko ilay nandrasana, ny fahaveloman’i Jesoa !

Nofinofiko hono, toa paradisa an-tany

Fa hora-pety lavareny ka tsy hisy fiafarany,
Fa foana teo ny valifaty, tsy tsaroana koa ny lasana
Fa nifoha indray ny maty, ka dia foana teo ny fasana.

Dia nofinofiko ihany ve ka noforonin’ny fisainako ?

Sa mba tena zava-misy ka hampiova ny fiainako ?
Asa lahy raha mahadiso, ny manonofy fihatsarana
Ka tsy hanao ampitso ampitso,.ny tononandrom-piovana.

Ny karemy nanomanana tsy ho nofinofy lahy,

Fa efapolo andro be izao no nanomanako fanahy,
Dia tampon-doha efa  ho sola, no nohosorana lavenona
Ary lohalika efa kola nandohalika nanenina.

Dia nandalo fitsapana sy fisedrana maroloha

Tsy kivikivy sanatria fa nialoha lalana i Jesoa
Ny fibebahana hono lahy no hanomanana ny Paka!
Ka ny fiainana am-panahy no tokony hahazo laka.
Dia nihafy sy nitsitsy ho fanampiana ireo sahirana
Nahafoy am-po tokoa sy amy tava miramirana.
Eh ! Ho foana hatreo rafahoriana, ho an’ireo ory tsy havan’ny manana
Fa hifankatia sy hiray hina, hatambatry ny fihavanana.

Fa omaly alina izay, raha namaky ny evanjely

Dia ts’omby tratra ny hafaliako ka tsy hay lazaina velively
Tsy nofinofy sanatria tsy anganongano na arira
Velona i Kristy ! Amen Aleloia ! no noredonina amin-kira !

Dia tsarovy ihany koa ho antsika izay malemy

Nefa efa nohatanjahiny tamin’ny ranon’ny batemy
Fa any andro, any volana, asa, rahoviana izany
Tsy hisy intsony ny olanolana, ka ho foana ny tomany.
Dia hiara-paly isika ka atsaharo ny alahelo
Fa nitsangana ny Tompo tamin’ny andro fahatelo

Dia aoka izay ny adilahy, foano hatreo ny disadisa

Mifankatiava re ry lahy fa izay no paradisa
Amen, Aleloia !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088