Alahady faha valo (8) mandava-taona A

Miantso antsika mba hanana fahatokisana azy tanteraka ny Tompo Andriamanitra satria izy no ambonin’ny zavatra rehetra. “Na dia hanadino ny taizany aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao” (Iz49, 14-15) Mamy tokoa izany teny izany, tenim-pitiavana sy feno fanantenana.  Ka anjarantsika ny manaiky sy mandray ny fitiavana atolotr’Andriamanitra ho antsika.

1-    Fiomboanana fiainana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany

Andriamanitra Ray nahafoy ny zanany lahitokana ho famonjena antsika olombelona : Fitiavana mihoapampana izany.

Inona ary no mba atolontsika an’Andriamanitra ho fisaorana izany fitiavana izany ?

-         Dia ny fanekena ny antson’i Kristy zokintsika mba hanana fahatokisana izy Andriamanitra Ray “Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ho famenony ny sisa rehetra”.(Matio 6, 33)

 

-         Ny fanekena fa ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatintsika tsirairay avy satria i Jesoa Kristy efa niditra ao amin’ny fiainantsika raha nandray ny batemy maha zanaka isika.

 2-    Vonona hamaly fitia an’Andriamanitra

Zava-dehibe ny fiombonana fiainana amin’Andriamanitra.

Midika inona moa izany ?

-         Mampanjaka ny fitiavana amin’ny fiainana manontolo (fifanampiana, fifanajana, fahaizana mihaino, sns...)

-         Mampanjaka ny fahamarinana

-         Mampanjaka ny fahamasinana

-         Mampanjaka ny fihavanana sy ny fiadanana Izany rehetra izany no tian’i Jesoa Kristy hiainantsika satria marina eo imason’Andriamanitra no sady fanekena koa fa izy Tompo Andriamanitra no tompointsika fa tsy ny vola aman-karena.

 

Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy ny mihinana na ny misotro na mitafy izay hita maso ety ivelany fa ny ao anaty fontsika lalina ao :fiainana ny rariny, ny  hafaliana mahazanaka atsika miaraka amin’ny fanahy masina.

 

Misy asa maro samihafa velarin'Andriamanitra eo anatrehantsika, tiany hiombonantsika Aminy, koa mandraisa anjara. Rehefa tena manao araka izay azo atao isika dia mitombo ny finoantsika, mitombo ny fiombonantsika amin'Andriamanitra Ray. Aza mitoetra ho fitaovana, fa ho zanaka, mpiara-miasa, mamaly fitia, miombona amin'izay atao ka ho feno fifaliana sy fiadanana.
TOMBOTSOA NY MANAO NY ASAN'ANDRIAMANITRA SY MAHATOKY NY FITIAVANY ARY TSY AFAKA HITOMBO AMIN'NY FINOANA RAHA TSY MANAIKY MIASA MIARAKA AMIN’NY FANAHY MASINA ISIKA.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101