Ahazoana fiadanana sy hasambarana ny miasa amin-keri-pò!


13 nôvambra 2011, Alahady faha-33, mandavantaona – A

Ahazoana fiadanana sy hasambarana ny miasa amin-keri-pò!

Hevitra hampiadana fa tsy hampahory ny hevitry ny Tompo, “hamaly ny antsonareo aho”, hoy Izy; “hampodiko avy amin’ny tany rehetra ny babo aminareo” (Jer 29,11-14). Koa sambatra izay matahotra ny Tompo, sambatra izay matoky sy mino Azy, fa hambinina, ho tahina ary handray fahasoavam-be sy fanambinana avy aminy (Sal 127). Ireo vakiteny aroso ho dinihintsika anio dia mamporisika antsika mba hifofotra sy hiasa am-pahamarinana sy am-pitiavana ao anaty fizorana amin’ny mazava ho voninahitry ny Tompo.

Ny Boky Ohabolana dia miresadresaka momba ny amin’ny vehivavy mahery fò; lazainy fa toy ny nahita voahangy izay nahita azy, mahatoky ny lahy izy, ary herin’ny tokatranony fa miasa an-kafaliana sy milofo manohana ny ankohonany amin’ny vokatry ny asan’ny tanany sy ny herim-pony (rary, tenona, zaitra, asa madinika isakarazany). “Fitaka ny bika soa, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra ny Tompo ihany no ho deraina”. Ny vokatra avy amin’ny tanany moa dia ho mena azy, ary ny asany kosa hitory fiderana eo am-bavahady (Ohab 31,10-13.19-20.30-31). Koa aoka samy handini-tena ireo vehivavy kristianina raha mba azo itokisana tokoa na tsia, ka mendrika ho reny hifehy tokatrano, fa tsy ho fotsy varavarana etsy sy eroa. Aoka anefa mba hieritreritra tsara daholo koa ny lehilahy ato amin’ny Fiangonantsika, asa raha mba midera ny vehivavy noho ny asany sy ny hatsaram-panahiny izy ireo, na sodokan’ny bika aman-tarehy fotsiny, ka zary mamato-tena amy zava-mandalo.

Mila fahononana ny fanarahana sy fiandrasana ny Tompo. Aoka àry hiomana sy ho vonona mandrakariva isika hanao ny tsara sy hitady ny soa. Ho tampoka toy ny mpangalatra amin’ny alina anie ny andron’ny Tompo e! Ary amin’ny hilazantsika fa miadana sy mandry fahalemana tsara iny ny tany  no hilatsaka ny fandringanana, hoy ny apôstôly Paoly (1Tes 5,1-6)); tsapa izany amin’ireny loza voa-janahary ireny ka diniho sy hevero. Aza matoritory fa mifohaza, miomana isan’andro, miareta tory sy mifadia hanina ary milozoha amin’ny asa soa sy asa fiantrana.

Manainga antsika arak’izany i Jesoa, ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio, mba hijoro sy hiseho ho olona azo itokisana (Matio 25,14-30). Aoka isika mba hahatoky amin’ny kely, ary hijoro ho vavolombelon’i Kristy na dia be mpanenjika sy mpakahala aza. Aoka ho mpila tombony ara-panahy mahatoky isika, hanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy hanangonam-boninahitra ho an’ny tena. Aoka ho mpanompo mahatoky sy hendry isika eo amin’ny fiainana sy ny asa fanao an-davanandro: mahay mampiasa sy mampitombo ny talenta napetraka tamintsika, hanandratana avo dia avo ireo soatoavina maha-malagasy kristianina; fa tsy sanatria ho kristianina marary aty ka mandevin-talenta anaty tany sy mandevin-tay an-tsalaka…

Marina fa mijinja amin’izay tsy namafazany sy manangona amin’izay tsy nanahafany ilay lehilahy voalazan’ny fanoharana hita ao amin’ny Vaovao Mahafaly norenesina teo. Nefa kosa nanome fahalalahana izy, ka tokony ho nanao ny adidiny araka ny rariny sy hitsiny ireo mpanompo izay samy nitokisany tokoa fa nametrahany ireo talenta, araka ny anjarany avy. Ry hava-malala, anao ny safidy, na hampiasa ny talentanao ianao hihariana ny soa mandrakizay any an-koatra, na hitahiry sy handevina azy ireny ianao noho ny fitiavan-tenanao. Tandremo anefa fa ho mafy ny fampamoahana amin’ny andro farany: satria izay tsy nanompo am-pitiavana ny mpiara-monina sy ny Tanindrazana ary ny Fiangonana dia ho any amin’ny fikitroha-nify, higogogogo toy ireo mpanao jadona sy mpanampa-pahefana fahiny: nanangon-karena be miavosa, saingy tsy maintsy nilaozany, na nafoiny mbamin’ny ainy aza, tanaty sahotaka avokoa. Tandremo lahy sao ratsy fiafara, fa “Ny soa atao levenam-bola, ary ny ratsy atao loza mihantona”. “Manaova soa an’izay makahala anareo ary tiava ny fahavalonareo”, dia hanan-drakitra lehibe any an-danitra ianareo, hoy ny Tompo!



Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829