Batemin'ny Tompo

Ny Batemy iombonantsika aina amin'i Kristy

Eo am-pamaranana ny fankalazana ny Noely, ka hanombohana indray ny herinandro mandavan-taona, dia mampahatsiahy ny hasin’ny batemy noraisintsika mba hiombonantsika aina amin’i Kristy ny Fiangonana. Sady manamafy ny fankalazana ny Epifania moa izany no mampiditra antsika koa amin’ny andavanandrom-piainana. Midika izany fa ny sakramenta raisintsika ho fiombonan’aina amin’i Kristy dia fisehoan’ny fahasoavan’Andriamanitra namonjeny antsika, saingy kosa hanangana vahoaka ho an’Andriamanitra, vahoaka mafana fo fatra-pitia asa soa rehetra (Tit 2, 11-14; 3, 4-7). Izany fiombonana amin’i Kristy izany manko no mahatonga antsika ho mpandova am-panantenanna ny fiainana mandrakizay, tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony”.

 

Indraindray nefa ny zavatra mitranga dia mahatonga antsika hieritreritra fa efa voavonjy izany isika, ka tsy mila mivaky loha amin’izay ezaka tian-katao intsony. Dia miverina indray ny adihevitra momba ny finoana sy ny asa : tsy ny asa andidian’ny lalàna no hanamarinana antsika fa ny finoana an’i Jesoa Kristy… ka adino fa i Kristy no hafenoan’ny lalàna mba hanamarinana izay mino (Rm 10,4). Ny fahamatoran’ny fiainam-panahy dia araka izany dia izay nolazain’i Md benoà hoe ora et labora, manamasina ny asa amin’ny vavaka ary manamafy ny vavaka amin’ny asa... ka hivavaka tahaka ny hoe miankina amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary hiasa tahaka ny hoe miankina amintsika.

 

Ny Feo manambara fa i Jesoa no zanaka Malala tokony hohenointsika, dia milaza ny adidy miandry antsika izany amin’ny fihainoana ny teniny sy amin’ny fanatanteraha azy (Jak 1, 22), ka handraisantsika ny batemin’ny Fanahy Masina sy afo. Efa nambaran’i Md Joany Batista anefa fa raha tiantsika ny ho voavonjy, ho mendrika izany batemy izany dia tsy maintsy miaina am-pahamarinana sy am-pitiavana (Lk 3, 10-14).

 

Ireo Fanomezana nomen’ny Majy an’i Jesoa dia manjary anjara lovantsika, tamin’ny nandraisantsika ny Batemy. Natolontsika Azy ny volamena, emboka manitra ary mira, satria ekentsika fa Izy no tiantsika hanjaka ao am-pontsika, ao amin’ny fianakaviana sy ny firenena, inoantsika fa Izy no Andriamanitra afaka hamonjy antsika ka anolorantsika ny vavaka ho toy ny emboka manitra (Sal 142, 2) hanankinantsika ny fiainana aminy, ary ekentsika ka  tena lombelona mitovy amintsika Izy, ka na dia hihatra ny fahafatesana aza, dia inonantsika fa afaka hanokatra fanantenana vaovao, satria efa nandresy ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horeseny (1 Kor 15, 26).

Fa isika koa, noho ny batemy noraisintsika dia tonga mpanjaka, mpisorona aty mpaminany, ka tokony hitondra toe-piainana mendrika ireo fanomezana ireo. Ny volamenan’ny fitiavantsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana; Ekentsika ny handray ny emboka manitry ny fivahantsika,  tahaka an’i Jesoa nivoaka ny ony Jordany, mba handrenesantsika lalandava fa Zanak’Andriamanitra isika, Vatana nohamasininy ho Tempoly honenany, ary natsangany ho mpandova ny fiainana miaraka aminy, satria zanaka tiana. Izany rahateo no italahoantsika amin’ny vavaka fangatahana : mba hiaina lalandava ao amin’ny fitiavany. Ary ekentsika ny handray ny mira, manambara ny fahalementsika olombelona, satria na dia eo aza ny fahalementsika, inoantsika ny herin’ny fahasoavana entin’ilay Emanoela eo anivontsika.

Midika izany fa ny zo maha-zanak’Andriamanitra Mpandova antsika dia mitaky koa andraikitra ny hihaina mifanaraka amin’izany amin’ny andavanandrom-piainantsika, ho voninahitr’Izy Andriamanitra Raintsika.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1474