Ny Herin’ny Fanahy no hahafahana mandresy ny Fakam-panahy.
Eto am-panombohana ity 40 andro hiomanana amin’ny Paka ity, vanim-potoana antsoin’ny fiangonana ho sakramentan’ny fibebahantsika, dia manampy antsika ny Litorjia handalina ny fifandraisantsika amin’ilay Andriamanitr’Israely, amin’ny alalan’ireo fiadiana telo atolotry ny Fiangonana hoentintsika manamasin-tena, manomana ny Paka : ny fifadian-kanina, ny vavaka ary ny fahafoizana ho an’ny hafa, handresena ny fahotana ka hiavaozana tanteraka.
Amin’zany fifandraisana amin’Andriamanitra izany no ampahatsiahivin’ny vakiteny I fa manana adidy isika hanatitra ny santa-bokatra ho an’ny Tompo, hahatsiaro fa nomeny antsika ny tany[1] nampanantenainy ny razantsika. Ny antom-pisaorana araka izany dia tsy voatery noho ny soa azon’ny tena fa mety koa soa nolovaina tamin’ny razana, fahatsiarovana ny fanafahana (paka) teo ambany fanandevozan’ny Ejipsiana. Moa tsy izany ve ny mofo dy ny divay izay atolotsika ho santa-bokatra, hanoloranana ny hasasaran’ny olombelona sy ny fahasoavan’Andriamanitra nampamokatra ny tany, fa indrindra indrindra, hahatsiarovana sy hanavaozana ny Soron’i Kristy, nijaly sy maty ary nitsangana ho antsika, ilay Paka, santatra ho antsika.
Indraindray anefa adinontsika fa ny fanafahana, eny fa na dia tamin’ny tana-mahery sy sandry ahinjitra (Det 20, 4-10) aza, dia làlana maharitra efapolo taona, efapolo andro… izany hoe mitaky faharetana sy finiavana. Mampalahelo fa noho ny toe-tsaina te hahazo eo noho eo, dia mazàna jamba ny masontsika tsy hahita intsony ny fanafahana nataon’ny Tompo, ka himenomenona any an-tany efitra, hihevitra fa ny olon’afaka dia izay tsy handalo fitsapana intsony, satria ny fahafahana dia zary fahafahana izay tiana atao fa tsy fahafahana hanao izay tokony hatao ho amin’ny fahalavorarian’ny fiainana intsony… Ny olon’afaka ankehitriny dia ireo izay terena hanao ny tsara, kanefa aleo mifidy izay mety hanenenana mandrakizay.
Io ilay lalana diavintsika aorian’ny batemy, tahaka an’i Kristy nentin’ny Fanahy tany an’efitra, ka nalain’ny demony fanahy (Evanjely Lk 4, 1-13). Tsy fahataperana araka izany ny firosoana amin’ny batemy sy ny sakramenta, fa fanomezan-toky kosa hiady ka handresy, miaraka amin’i Kristy, filoha. Raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika. Izay firaisan’aina amin’i Kristy ao amin’ny sakramenta, izay noantitranterintsika tamin’ny fankalazana ny Epifania, dia fiatrehana miaraka aminy koa ireo fakam-panahy, hatrehintsika amin’ny maha-mpaminany, mpisorona ary mpanjaka antsika. Tsy Andriamanitra anefa no maka fanahy antsika (Jak 1,13) ary tsy hamela antsika halaina fanahy mihoatra izay mety ho zakantsika, fa isam-pakam-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakana azy, hoy i Md Paoly (I Kor 10, 13). Tsy inona izany fa ilay Hery avy any ambony (Lk 24, 49) izay manambatra antsika amin’ny fandresen’i Kristy : ny Finoana.
Ireo fakampanahy ireo ary, azontsika jerena amin’ireo fiantsoana nanandratana antsika tamin’ny Batemy, araka ny efa natsidika teo ambony. Mpaminany isika, rehefa manaiky hotolorana ny mira,[2] manambara fa na dia eo anatrehan’ny fahafatesana aza, tahaka an’i Kristy nitofezaky ny hanoanana tany an’efitra, dia hahatsiaro mandrakariva fa ny fahavelomantsika dia miankina amin’ny Teny izay tonga nofo mba hananantsika ny fiainana ary mba hananantsika azy amin’ny hafenoany (Jn 10,10). Mpaminany tokoa isika rehefa mivelona amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray, tahaka an’i Kristy (Jn4, 34). Impiry anefa isika no manaiky hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra, indrindra manoloana ny tombontsoa manokana, mety hiverenana amin’ny vilany feno hena sy ny tongolon’i Ejipta, ka hanadinoana ny tena fahafahana marina dia ny hitahiry ny Teny ao am-bava sy ao am-po (Rm 10, 8-13). Manao ahoana anefa ny toe-po sy fitandremana entintsika mihaino ny Tenin’Andriamanitra, fa indrindrra ny fiomanana sy ny hafanam-po enti-mandray ny Eokaristia, Ilay tsy nanova ny vato (zavatra) ho zary mofo fa nanova ny mofo kosa ho zary Andriamanitra?
Amin’ny maha-Mpisorona antsika dia mazàna isika no alaim-panahy hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka amin’izay mety hahazoana ny harena mandalo, ka hanome ny fotoana, ny fiainana sy izay antsika rehetra mba hahazo anjara amin’ny fanjakan’i Satana. Firifiry no zary mpanemboka, manesoeso sy misolelaka amin’ny fahefana sy ny fanapahana mba hiarovana ny tombontsoa manokana, na dia mety ho fahavoazan’ny hafa aza izany! Dia adinontsika fa Andriamanitra irery no hivavahantsika, Izy irery no hotompointsika. Raha hadihadiana ny loharanon’ny olana ara-politika mianjady amin’ny firenentsika, dia tokony samy handini-tena ny kristianina, na ireo mitonona ho kristianina,raha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany tokoa no katsahin’izy ireo mialoha ny zavatra rehetra! Tenin’i Jesoa izany (Lk 12, 30-31), kanefa toa jentily amin’izao tontolo izao ihany ny rehetra, miahy ny amin’ity fiainana ity, ka manadino ny hiafarana (Mt 16, 26). Atolory ny Tompo ny tenanareo, ho Sorona velona, masina, ankasitrahany (Rm 12, 1ss)…
Mpanjaka koa isika, nefa toa fisehosehoana ho mahery sy mahavita zava-mahatalanjona no imasoantsika, hitsambikina avy eny ambonin’ny tilikambom-piangonana… ka manadino fa voaantso hampanjaka ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany[3] isika, ka tsy haka fanahy Azy, tahaka ny vahoaka Jody fahiny (Fanisana 20, 2-13) ka ao anatin’ny manahirana dia himenomenona sy hiteny ratsy an’Andriamanitra mbamin’ny mpanompony Moizy sy Arona… izay nanafaka antsika ka nampiditra antsika amin’ny lalam-pahafatesana, any an-tany efitra tsy misy rano….
Tsy hohadinointsika ary, fa amin’ity efapolo andro hoentintsika manomana ny Paka ity, dia ho tsaroantsika fa lalan’ny hazofijaliana ny fiainantsiika, voaantso tsy handà ny hazofijaliana, raha iznay no ilaina, satria tsy ny fandresena aaraka ny heverin’izao tontolo izao no fandresena sy tena fahafahana marina, fa ny fahafahana mitia, hatramin’ny mahafoy ny aina (Jn 15, 13), mba ho vavolombelon’ilay efa tia antsika (I Piera 2, 9), ka hahatsiaro mandrakariva fa ny Fitiavana no hitsarana antsika….
[1] Andriamanitra nanome ny tany, fa tsy ny vokatra. Anjarantsika araka izany ny miasa sy mampahavokatra ny tany, eny fa na dia miankina aminy koa aza ny hampitsimoka ny voa (Sal 126)
[2] Didinkakkzo manitra ampiasaina amin’ny fandevenana… manambara ny maha-olombelona antsika.
[3] Ny hafatryy ny Papa amin’ity taona ity