NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANAMPY ANTSIKA
HIFANOTRONA TOY NY FANIRIN’AKONDRO
Taorian’ireo fitantarana ny Fisehoan’ny Tompo, Epifania nanosorany antsika ho Mpanjaka, Mpisorona sy Mpaminany dia mampiditra antsika amin’ny andavanandrom-piainana amin’ny fiainana izany ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Litorjia anio. Ao amin’ny Vakiteny I dia hitantsika i Nehemia[1] Governora (Mpanjaka), i Esdrasa Mpisorom-be, ary ireo Levita sy mpanora-dalana mampianatra ny Lalàna. Ambaran’i Md Paoly manko (vakiteny II I Kor 12, 12-27) fa na dia nandray ny hafenoan’ny Fanahy aza isika, dia tsy afaka ny hiambo hanana ny hafenoana rehetra, fa ny Fanahy no manome antsika ny fanomezam-pahasoavana[2] hifamenoantsika amin’ny fandrafetana ny Vatana iray, voahosotra hitory teny soa amin’ny malahelo, hankahery ny torotoro fo, hilaza hafaliana amin’ny mpifatotra sy fahiratana ho an’ny jamba, hanafaka izay hampahoriana ary hitory taom-pahasoavan’ny Tompo (Evanjely Lk 4, 14-21).
Manoloana izany dia mety ho lasa saina isika hilaza hoe : izaho ary mba ho inona? Teo am-pandinihana iznay indrindra no nahatonga an’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely hahita ny anjara toerany eo anivon’ny Fiangonana : ho fitiavana[3]. Ny fikatsahana ny anjara toerana amin’ny maha-ratsambatana manko dia hanampy antsika higaga ny asan’ny ratsambatana. Amin’ny andavanandrom-piainana anefa dia tsy izany no miseho. Indraindray, mahafaly antsika ny miantso an’i Mb Terezy hivavaka ho antsika, tadidiko ny akon’ny fandalovan’ny sisantaolany tamin’ny Tanindrazantsika, saingy firy no mba maniry ho fitiavana, tsy misy mpahafantatra, mihiboka, mba ho fo, hampikoriana rà hamemlona ny tena manontolo? Toa ny ratsam-batana hitam-bahoaka no irin’ny maro, ka ny asa sy ny zavatra hisehosehoana no hifandrombahana mba hilazana fa velona ny Fiangonana!
Avohitran’ny Tenin’Andriamanitra anio ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny Lalàna, ny fiaraha-mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’ny Alatsinainy dia nampahatsiahivin’i Md Ignace d’Antioche[4] fa ny fivoriana matetika mba hisaotra an’Andriamanitra sy hidera ny voninahiny no hampivondrona antsika ao amin’ny finoana ka handesena ny asan’i Satana[5]. Ny fivoriana anefa matetika ataontsika saingy ny firaisam-po amin’ny fideràna Azy Tompo indraindray adinontsika, dia ny vavaka litorjika zary adidy tsy maintsy ho efaina, ny fivoriana masina lany amin’ny resa-bola sy latsak’emboka…
Fa ny hanirahana antsika dia ny mba ho Vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly. Amin’ity herinandro natokana hivavahana ho an’ny Firaisam-pinoana ity, ahoana no hijoroantsika ho Vavolombelon’i Kristy? Ahoana ny fomba hilazantsika amin’ireo olona an’hetsiny maro maty sy 2 hetsy tsy manan-kihalofana sy tsy manan-ko hanina any Haiti? Matetika manko, rehefa an-koditra ihany vao mampibabababa ny fahooriana, kahiheverana ho olona nidiran’andro, niangaran’ny vitana!
Mazàva ny hafatr’i Nehemia ho antsika : mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra… ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo”. Ambaran’ny Salamo setriny (Sal 18) fa madio ny tenin’ny Tompo, ary maharitra mandrakizay, inoantsika izany. Koa aoka ny zava-mitranga mampioron-koditra sy mampatahotra, tsy hampitebiteby ny fontsika, ka na tsy ho apostoly hisotro ny divay aza isika, ka hino fa i Jesoa no Kristy (Evanjely II D Jn 2, 1-12), enga anie ho mpanompo hanovo rano, hameno ny sinivato ka hino fa ny harerahana mety holazain’ny sasany ho hadalàna, ho zary fanohitra hanamafy ny finoan’ny Fiangonana manontolo satria inoantsika fa tsy afaka ny ho vatan’i kristy isika raha tsy miombona amin’ny ratsambatana rehetra ka tsy hahatsapa fotsiny ihany fa mila ny hafa, fa hiezaka koa hitondra ny anjara birikintsika amin’ny fanorenanana ny Fiangonana tempoly arafitra ho vatan’i Kristy (Ef 2), hiaina amin’ny maha-fianakaviana ny fiangonana, tahaka ny akondro, ka maty, sty hamela voa ihany fa ho zezika, hampamokatra ny taranaka amam-para….
[5] Demony (Diabolon = mpamisaraka)