ALAHADY FAHATELO FANKALAZANA NY PAKA

Nampiditra : harilova
Daty : 17/04/2010

Miaraha miasa miaraka amin’i Piera fa izany no Eglizy

 Alatsinainy 19 : tsaroantsika am-bavaka manokana ny faha-5 taona nahavoafidy ho Papa an'i  Benoit XVI...indrindra amin'izao vanimpotoana diavin'ny Fiangonana izao.

Amin’ity alahady fahatelo ity, manohy ny fandalinana mikasika ny misterin’ny fitsanganan-ko velona ao amin’ny Sakramenta isika dia miompana indrindra amin’ny fandinihana ny Eokaristia. Ny taona A dia mandinika manokana ny Mpianatra roalahy tany Emaosy, nahalala an’i Jesoa teo am-pamakiana ny mofo (jereo eto). Amin’ity taona ity, mitohy ny famakiantsika ny Evanjely nosoratan’i Md Joany.[1]

Ny evanjely manokana dia manambara ny mety ho fitondrantenantsika manoloana ny zava-mitranga. Ny apostoly very hevitra satria toa fongana tanteraka izay nantenaina, dia nanapa-kevitra hiverina amin’ny asany taloha. Adino ny fiantsoan’i Jesoa ho Mpanarato olona… (jereo alahady V) ka aleo mandeha miverina amin’ny fanaratoana nahazatra  dia mifampitaona handeha hanarato, ka ny voalohany ilay be herim-po saingy resin’ny tahotra ka nandà ny Tompony, i Tomà ilay tsy mino maty raha tsy avy mandevina, i Natanaely, ilay Israelita tsy misy fitaka (Jn 1, 47), ary ireo zanak’i Zebede efa nandao ny rainy niaraka tamin’ny harato mba hanaraka an’i Jesoa, saingy tsy nahazo na inona na inona iny alina iny…

I Kristy tafatsangan-ko velona kosa dia namelona ny fanantenana, nanavao ny fomba fijery satria Izy no ilay Zanak’ondry natao sorona, hanafaka antsika amin’ny fahafatesana, ka mendrika ny haja amam-boninahitra (Apok 5, 11-14). Io Soron’ny Zanak’ondry io no ankalazaintsika isaky ny manolotra sorona Masina isika. Tsy Sorona hafa tsy akory fa ilay Sorona tokan’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana. Sorona mampiombona ny foko amam-pirenena rehetra, izay manaiky ka mahare ny feon’ny Zanak’ondry…

Ny fihetsik’i Piera dia mazàna ny fanaontsika ihany rehefa hifanehatra amin’ny olona mety ho tohina noho ny nataontsika… nirotsaka anaty rano, hilazana fa nanenina amin’ny fandavana in-telo, asa, matahotra sao ho tebahin’ny Mpampianatra eo imason’ny mpianatra sasany, izay mety tsy nahafantara akory ny fandavana tamin’ny alin’ny alakamisy masina….

Hafa anefa ny fihevitr’Andriamanitra. Ilay Tompo nolavina indray no nanontany an’ i Piera raha mbola tia Azy na tsia. Endrey izany ohatra navelan’ny Tompontsika! Tsy vitan’ny namela heloka fa nanokatra midanadana ny fony ho loharanom-pibebahana ho an’ilay nofidiany hitondra ny Fiangonany, ho voalohany amin’ny fiainana sy ny fitoriana ny Fitiavana, ho finoana iorenan’ny Fiangonany.  Tsy fitiavana fe fitiavana asesiky ny fietseham-po intsony anefa fa fitiavana mampisiki-ponitra, hamahana ny ondry sy ny zanak’ondry… Iio fitiavana io no nameno hafaliana ny apostoly, ka na manoloana ny fijaliana ombam-pandrahoanana hatramin’ny fahafatesana dia nandeha an-kafaliana hatrany, satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa (Vak I Asa 5, 27-41). Izany no nahatonga an’i Piera ho vavolombelona marina tokoa hitory ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny anaran’i Jesoa.

Izany no misterin’ny Fitsanganan-ko velona. Isaky ny mivondrona mankalaza ny zanakondrin’ny Paka isika dia mamelombelona indray izany finoana izany. Miaiky fa tsy ny lakroà na ny haizin’ny halina nitondra hakiviana no tompon’ny teny farany, fa ny fitsanganan’ny Tompo ho velona. Dia hihaino an-tsitra-po ny feony, tsy hametra-panontaniana amin’ny mety ho mistery fonosin’ilay manome baiko, fa handrotraka ny harato ao an-kavanan’ny sambokely…

Izany no toe-po amam-panahy tokony hoentintsika mankalaza ny Sorona Masina, fa indrindra amin’ny fiomamanana handray ny Tompo amin’ny Eokaristia Masina. Efa nolazaintsika teto ihany ny nikasika ny fanaovana Komonio tsara (jereo eto momba ny sakana sy ny fiomanana handraisana komonio), saingy mahasoa ny mamerimberina azy ireny matetika, mba hamelombelona ny aim-panahy tsy ho azon’ny fakampanahin’ny fahazarana, indrindra amin’ny vanim-potoana iainantsika izay, mazàna ny fampianaran’ny Fiangonana, heverin’ny sasany ho lay andro, ka ny habibiana na ny fahalemen’ny Mpitondra no hanosoram.potaka ny Fiangoanana iray manontolo.

 

Isika no mirafitra ho Fiangonana, miorina eo ambonin’ny finoan’i Piera  an’i Jesoa ho Kristin’Andriamanitra (Mt 16, 13ss). Saingymanoloana ny zava-mamoha fady mitranga sy tantaraina etsy sy eroa, dia adinontsika fa isaky ny mankalaza ny sorona masina isika, dia mamerim-berina, magataka amin’Andrimanitra tsy hijery ny fahalemena sy ny fahotan’ny mpisorona sy ny vahoakany, fa ny finoan’ny Fiangonana mamondrona ny firenen-drehetra (vavaka fangataham-piadanana aorian’ny Rainay any an-danitra).

 

Tsy ho adinointsika ary ny hahatsiaro manokana ny Papa, dimbin’i Md Piera, mba hiorina mandrakariva ao amin’ny fitiavana izy, ho feno ny Fanahy Masina, hamahana ny ondry nankinin’ny Tompo aminy, indrindra amin’izao hitsingerenan’ny nifidianana azy ho papa izao (16 teo ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany ary ny  alatsinainy 19 ny faha-dimy taona nahavoafidy azy ho papa).

 

Ianao no Piera, filohan’ny Eglizinay, arovy tsara izahay rehetra ondrikelinao….

 

 



[1] Mety hanontany tena isika hoe fa nahoana no amin’ny taonan’i Md Lioka dia i Md Joany no vakiana raha ny amin’ny taonan’i Md Matio, sy Marka vakiana i Md Lioka! Manamafy ny fifamenoan’ny Evanjely.

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0681 s.] - Hanohana anay