Alahady faharoa Paka

ALAHADY FANKALAZANA NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA

Manohy ny fiainana sy ny fivoasana ny momba ny sakramenta ny fiangonana mandritra ny vanimpotoana fankalazana ny Paka, antsoina koa hoe : temps mystagogique (vanimpotoana fivoasana ny mistery). Amin’ity alahady faharoa amin’ny fankalazana ny Paka ity, natokan’ny papa Joany Paoly II ho fankalazana ny famindrampon’Andriamanitra ity, dia manampy antsika handinika manokana ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny fampihavanana.

Manoloana ny fahatsapantsika ny fahalemena sy ny fahotana dia manolo-tanana ho antsika ilay ray Mpamindra fo. Tsy kisendrasendra ary araka iznay raha raiketin’ny tso-drano ataon’ny pretra amin’ny fiandohan’ny fankalazana ny sakramenta ny hoe : Enga anie Andriamanitra nanazava ny fontsika [tamin’ny Finoana] mba hanampy anao hiaiky marina fa nanota ianao, ary Izy kosa e indrafo. Indraindray anefa adinontsika fa tsy fampanginana ny feon’ny fieritreretana fotsiny ny konfesy fa fanovozana fahasoavana hihavaozana. Izany no hahafahantsika mahazo fa amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fampihavanana dia tsy tokony hohadinoina ny Famakiana sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra.

 

Mazàna anefa adino izany, ary ireo dingana dimy lehibe mandrafitra ny Konfesy tsara (1-Fiantsoana ny Fanahy Masina, famakianan ny Tenin’Andriamanitra sy fandinihin-tena; 2- fanenenana marina tokoa amin’ny fahotana vita; 3- Fikasana hiovaka hitadiavana izay fomba handresena ny ratsy; 4- filazana amin’ny pretra ny fahotana mba hangatahana famelana avy amin’Andriamanitra; 5-asa fanonerana sy fangataham-pahasoavana)

 

Matetika dia heverintsika fa ny faha-efatra ihany no zava-dehibe. Tsy mandeha ho azy anefa ny fiainana am-panahy fa miankina amin’ny fikolokoloana ataontsika. Ny fankalazana ny famindram-pon’Andriamanitra dia manamy antsika indrindra indrindra hahatsapa ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra. Io famindram-po io ihany no hahafahantsika miandrandra ny Paradisa. Ataon’ny olona iray ahoana moa no ho sambatra mandrakizay, raha sanatria tsy hahavita ny hamela heloka izy, ka ny olona mampivonto ny fony no hiara-midera an’Andriamanitra aminy mandrakizay, satria namindran’Andriamanitra fo tahaka azy koa!

 

Fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona ny Fanahy Masina manafaka ny fahotana. Indraindray anefa na isika katolika aza milaza fa tsy ilaina ny mikonfesy, inona no hataoko any amin’ny pretra izay fahafaham-barakan’ny fiangonana amin’ny fitondrantena mamoafady dradradardraina etsy sy eroa? Mahamenatra tokoa ny zava-mitranga sy ny fahalemena mbamin’ny tsy fitandreman’ny olom-piangonana, saingy tsy mampiova ny hasin’ny sakramenta tsy akory ny tsy fahamasinan’ny mpisorona. Mialoha ny komonio, moa tsy mivavaka ve isika mba tsy hijery ny fahotan’ny mpivavaka Andriamanitra fa ny Finoan’ny Fiangonany? Ny mety ho avonavona vokatry ny tsy fahampian’ny finoana dia mety hahatonga antsika hanosi-bohon-tanana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka hievi-tena ho mahavita tena, tsy mila na iza na iza, mba hanamasin-tena.

 

Tsy tokony hampiasa saina antsika ny mety ho tsy firaikàna amin’ny Fiangonana alahady. I Md Tomà aza tsy tao am-piangonana ny alahady voalohany. Ny tokony hampatahotra antsika dia ny tsy hanana hotantaraina amin’ny tsy tonga niangona. Rehefa miverina avy any am-piangonana tokoa moa isika, inona no mba tantaraintsika amin’ny hafa? Ny fihaonantsika tamin’i Kristy ve sa ny zavatra  mety nampihena ny hafaliantsika, na nahasorisorena antsika na nampahatezitra antsika? Moramora kokoa manko mitantara ny halavan’ny toriteny noho ny hevi-dehibbe mety hamelombelona ny fanahy fonosiny; mandeha ho azy ny mifosa ny hafa noho ny manoro hevitra na ny mitady hevitra mba hanampy azy hiova sy hihatsara!

Ny misterin’ny famindram-pon’Andriamanitra no manampy antsika hihaina ny tena fiaraha-miaina marina araka ny maha-kristianina antsika. Ny Fiadanana navelan’i Kristy ho antsika no havaozin’ny pretra amin’ny sakramentan’ny fampihavanana : efa namindra fo taminao ny Tompo, mandehana am-piadanana… fiadanana izay manokatra ny fontsika koa hamindra fo amin’ny hafa.

Mirary soa ny Paka

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.192