I KRISTY NO ILAY FAMANTARANA MANAMBARA NY FITIAVAN’NY RAY HAHASAMBATRA ANTSIKA
Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika ka amin’ny fankalazana ny paka isan-kerinandro, amin’ny handinihana manokana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika amin’ny fibebahana lalandava.Amin’ity alahady faharoa ity no hamakiana ny herinandro araka ny fitantaran’i Md Joany (Jn 1, 19 – 2, 12) izay zaraina amin’ny taona litorjika telo.
Amin’ity taona ity dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiantsika (Jn 2, 1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo, nankalazaina ny alahady, ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Vakiteny II alahady heriny Tit 2, 11-14; 3, 4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Ambaran’i Md Joany, fa i Kristy naneho ny voninahiny ka nino azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany. Tian’i Joany asiana tsindrim-peo fa ny hahazoana ny famonjena sy ny hafaliana dia ny finoana an’i Kristy, izany hoe ny fanatanterahana izay rehetra lazainy amintsika.Ny fitantarana ny famantarana izay ampifandraisin’i Joany amin’ny Herinandro Masina, nony afaka hateloana, hilazana ny divay lany, manambara tsy ny alahelo ihany fa ny fitaintainana satria tsy misy antenaina intsony! Aiza no hahita divay? Aiza no hanovo hafaliana? Efa fanambarana sahady ilay Tompon’ny aina milofika eo ambonin’ny hazo, tafasandratra hiala amin’ny tany, mba hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jn 12, 32) satria afaka hateloana dia naneho ny voninahiny.
Ireo siny vato fidiovana, lazain’i Joany fa enina, isa manambara ny tsy hafenoana, manambara fahabangana, manambara tsy fahampiana[1], nofenoin’ireo mpanompo hatramin’ny molony, ka tonga divay manambara ny loharanon-kafaliana (Sal 104, 15). Midika izany fa tsy ny fahamendrehantsika tsy akory no hireharehana hahazoana hafaliana fa fahasoavan’Andriamanitra zarainy maimaim-poana. Tahaka ny hafalian’ny mpampaka-bady hoy Izaia (Iz 62, 1-5), satria fisehoan’ny voninahitry ny Tompo, amin’ny tany tontolo ka hanasan’ny Mpihira salamo ny tany tontolo hihira hira vao, hiderana ny famonjen’ilay Tia antsika (Sal 95).
Fahasoavana zarazarainy amintsika rehetra izay, tsy araka ny mety ho fiheverantsika fa araka ny halehiben’ny fahasoavany, ka ny fanomezam-pahasoavana zarainy amin’ny tsirairay, dia zary adidy hoenti-manompo ny olombelona rehetra. Tsy misy afaka milaza isika fa tsy nahazo fahasoavana, eny fa na dia tsy araka izay noheverina aza, ka mety hiteraka fialonana sy fifampiandaniana amin’ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina. Raha ataontsika ho voninahitr’Andriamanitra anefa ny zava-drehetra, dia ho hafaliana ho antsika koa ny mahita ny hafa, mifanome tanàna amintsika, satria ratsam-batana mirafitra ho tena iray ao ami’i Kristy, haneho ny Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina.
Izany no hanentana natsika amin’ity herinandro ity, hahatsiaro manokana ireo tra-boina any Haiti, hanohy hivavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahin’ny Kardinaly, ary hiara-mivavaka ho an’ny firaisam-pinoana[2]. Ho tsaroantsika marina tokoa anie fa iray ihany no Tompontsika, ary asan’Andriamanitra no hiaraha-mikatroka, hahasoa ny olona rehetra (i Kor 12, 4-11) ho vavolombelona mahatoky sy azo antoka hitory ny evanjely!
[1] Tsy mahagaga raha 666 no ilazan’i Joany ny tsy fahampiana sy ny haratsiana faratampony (Ap 13,18)