Alahady faharoa amin’ny Karemy Taona D

I JESOA NIOVA TAREHY, TARATRY NY HASOAVANA RAHATRIZAY

Mamakivaky ny tany efitry ny fiainana isika, no sady manohy manolotra amin’izy Tompo ny santa-bokatry ny Tany nampanantenaina, hanamafisana ny finoantsika fa avy aminy ny zava-drehetra, ary maharesy ny fakam-panahy isika amin’ny fiombonana amin’i Kristy, amin’ny fitokisana ny fahasoavany.

Amin’ity alahady II ity, mitantara ny fiovan’i Jesoa tarehy ny evanjely, ary eo anelanelan’ny fitantarana ny fijaliana no hitantaran’i Lioka izany (Lk 9, 22.44-45), mba hanamafisana ny finonana ny hasambarana ho avy, fa indrindra indrindra, hanamafy orina ny fanekena, hahafahana hiaina amin’ny maha-mpianatr’i Kristy.

Ambaran’ny Prefasy mazava manko fa amin’ny fandalovana amin’ny fijaliana irery ihany no hahatongavana amin’ny voninahitry ny fitsanganan-ko velona. Toa tsy eken’ny fisainantsika anefa izany, satria zava-manahirana mandrakariva ny mitady ny hevitry ny fijaliana, indrindra rehefa mihatra aman-koditra… nahoana no izahho no hiaran’izany rehetra izany! Eh niangatra Andriamanitra…. Teny mety ho am-bavan’ny kristianina koa iznay, rehefa tsy hita be ihany ny hevitry ny zava-mitranga amin’ny fiainana. Na i Kristy aza, teo ambony hazofijaliana, mba niloa-bava, niantso ny Ray, satria nahatsiaro ho nilaozana (Mt 27, 46)… fa amin’ny maha-kristianina antsika, izany hoe mpaka tahaka an’i Kristy (II Fil 3, 17–4,1 //I Kor 11,1), ka mitondra tena ho toy ny mponin’ny lanitra, mpivahiny ety amin’ity tany fandalovana ity, dia hanohy hametraka ny zavatra rehetra  eo am-pelatanan’ity Ray toa mandao antsika, eny fa na dia efa mananontanona aza ny hiafarana (fahafatesana) (Lk 23, 46).

 

Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fa miankina amin’ny fanekem-pihavanana hifanaovantsika amin’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Abrahama, razamben’ny Mpino (Gen 15, 5-18), tandindon’ny sakramenta noraisintsika ihany koa. Amin’ny maha-fifanekena azy , dia mitaky ny fandraizana anjaran’ny andaniny sy ny ankilany… Ny finoana no hahafahantsika manaiky izay ampanantenain’Andriamanitra antsika, satria raha tahaka an’i Abrama, izay tsy niteraka, ka ampanantenaina ny taranany tany vokatra tantely aman-dronono, iznay hoe fampanantenana roa sosona… toa fampanantenana fampandriana adrisa araka ny fiteny. Miankina amin’ny fifandraisantsika main’Andriamanitra anefa iznay rehetra izany. Raha mino isika fa fitiavana Izy ary mahefa ny zavatrarehetra, dia tsy hanisy olana amin’ny mety hahatanterahan’izany.

 

Ny anjarantsika kosa, mialoha ny zavatra atao sorona, dia mitaky ny faanolorn-tena aloha Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina fa mialoha ity sorona tantarain’ny vakiteny I ity, dia efa nandao ny fianakaviany sy ny tany nisy azy Abrama, ka nanolotra ny tenany hanao ny sitrapo’ilay niantso azy (Jen 12). Izany ihany koa no nataon’ireo mpanara-dia voalohany an’i Kristy : nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy (Lk 5, 11). Izany no hahafahantsika hanadio izay mety ho sarisarin-javatra mety hanakana antsika tsy hiaina ny maha-mpaka tahaka an’i Kristy antsika, ka mety hirehareha amin-java-mahamenatra, na sanatria hanao ny kibo ho andriamanitra. Ny fanatitra atolotsika araka iznay dia tsy misolo fa manamafy ny fanolorantsika ny tena sy ny amintsika manontolo, ho sorona ho an’Andriamanitra.

 

Mba tsy ho finoana maty anefa izany, dia mila porofoina amin’ny fiainana andavan’andro (Jak 2, 17), fa indrindra amin’ny tsy famelàna ny vorona mpihaza hifaoka ny fanatitra atolontsika ny Tompo (vak I), eny fa noho ny fahalemena na ny tsy fitandremana aza indraindray, isika mihitsy no manolotra ny fanatitra horombahan’izy ireo.

 

Ny fiandrasana ny valintenin’Izy Tompo anefa mety hahatonga antsika ho rendriky ny torimaso ka hahatsiaro ho reraka (tahaka an’i Abrama sy ny apostoly), saingy tsy tokony hanadinoantsika ny tanjon’ny fivahinianana izany : ny ho mponin’ny lanitra, hanohitra ireo mitsangana ho fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy, satria mihevitra ny hitia, saingy tsy vonon-kitondra ny lakroà, satria miraiki-po loatra amin’ny eto an-tany. Adala izany mivahiny, mahita ny hakanton’ny voninkazo mandravaka ny  lalana, dia manadino ny tanàna itodiana

 

Anisan’ny zavatra asian’ny Litorjia tsindrim-peo  manokana anio ary ny fomba hifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ny vavaka, izay tsy firesahana ny Lalàna sy ny Mpaminany, na firesahana momba an’Andriamanitra, dia tokony ho firesahana amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ary firesahana amin’Andriamanitra. Izay no hahatonga antsika hiova tarehy eo am-pivavahana… Raha miresaka momba an’Andriamanitra isika fa tsy hiresaka Aminy, dia mazava loatra fa tsy hanome fotoana akory hihainoana ny Teniny. Hafatrafaran’ny Ray antsika anefa anio, ny mba hiainoantsika ilay Zanany malala…

 

Impirifiry moa isika no maheno olona mitaraina fa tys mamaly vavaka Andriamanitra, saingy mampalahelo ny mahatsapa indraidray, fa ao amin’ny fivavahany, tsy mba misy fotoana natokana ho amin’ny fihainoana an’Andriamanitra. Raha mandinika ny Salamo setriny  (sal 26) isika, avy mihaino ny Tenin’Andriamanitra, dia mba manontany tena ihany : inona ny Tenin’ny Tompo manakoako ao am-poko? Tahaka ny an’ny Mpihira salamo ve? Tadiavo ny tavako hoy Ianao… ka valiantsika hoe Ny Tavanao ry Tompo no tadiaviko?

 

Alao hery ary ny hizotra, ho amin’ny fanomanantsika ny Fankalazana ny Paka, hivevitra izay Tenin’ny Tompo, hanakoako eo amin’ny fiainantsika…

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085