FIAINAM-BAOVAO NY PAKA
Eo
ampiomanana amin’ny Paka efa ho avy dia manampy antsika ny Litorjia anio hiaina
ny fiverenana an-tranon-dray tahaka ilay zaza mpandany. Tsy moramora manko ny
lalana miverina any amin’izay niaviana. Ambaran’ny Vakiteny I (Iz 43, 16-21) fa
Andriamanitra mihitsy no miantso antsika tsy hahatsiaro intsony ny lasana sy
tsy hihevitra intsony ny zavatra taloha! Efa nisy tamintsika ve no afaka
manandino ny lasa? Indrindra moa fa ao ireo zoky tsy miala an-tranon’ny ray, ka
miandry fotsiny hiverenan’ny zandriny mba manaovana tondromolotra sy
himenomenomana, hilazàna fa manana ny maha-izy azy sy mendrika!
Ilay zaza
mpandany koa, ankoatra ny fiheverana izay mety ho fitiavan’ny rainy, dia
hihevitra koa ny mety ho vava avoakan’ny zokiny, satria mahatsapa fa tsy
manan-jo amin’ny inona intsony ao an-tranon-drainy. Na izany aza anefa, moa ve
tsy fiverenana amin’izay niaviana ihany ny fiverenana an-tranon-dray? Amin’izany
lalam-piverenana izany dia azo ampitaina amin’ny tany efitra. Ao no
ampiboiboika rano Izy Tompo ka hanondraka ny tany karakaina.
Mila
fantatsika anefa izany mba hahafahantsika koa mifaly sy mitoky amin’ny
zava-baovao asehon’Izy Tompo. Izany no nahatonga an’i Md Paoly hilaza fa manadino
ny lasa ary miezaka hanatontosa ny ho avy satria mitoky amin’ny
fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Hafatry ny Papa tamin’ity taona ity moa ny
momba ny fahamarinan’Andriamanitra, manambara amintsika fa izay mety ho fahadalàna
ho an’ny tsy mpino no zary Fitiavana mambabo ny fontsika, ka hahafahana mamoy
ny zava-drehetra (Fil 3, 8-14).
Tsy fahamarinana araka ny lalàna anefa iznay ka izay meloka manefa sazy. Fony mbola isika mpanota no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8). Mazàna anefa isika no mitaky amin’izay diso mba hiova mba havela heloka, dia adinontsika fa ilay mpanompo tsy nanan-kaloha no navelan’ny tompony trosa (Mt 18, 15.21ss).
Avoitran’ny evanjely (Jn 8, 1-11) amintsika anefa fa ny famelan-keloka
akory tsy manafoana ny adidy aman’andraikitr’izay voavela heloka : mandehana
ka az amanota intsony. Ny fitodiana amin’ny ho avy, dia ny hahatratrarana
ny fahalavorariana amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy mba ho tonga vahoaka hitory
fiderana ho azy Tompo (Vak I).
Indraindray anefa,
tsy hitantsika ilay ratsantanana manoratra amin’ny tany, toa manambara
amintsika fa vovoka isika, malely, ary samy afa-trosa, matoa mbola afa-mitraka.
Ny fiverenana ao an’aty, handini-tena marina tokoa, dia hahatonga saina
antsika, ka asakasak’izay hitoraka ny vato voalohany….
I Paoly manao ho
fakofako ny zavatra rehetra anefa tsy midika ho fanamaiivanana izay mety
hanampy mba hiaina fari-piainana mendrika ny maha-olona. Miady amin’ny mety ho
fahantrana sy fahoriana ny Fiangonana, saingy mampahatsiaro mandrakariva fa na miondrika
mampiasa ny zava-mandalo ety an-tany aza isika, dia hiraiki-po, hiandrandra ny maharitra mandrakizay kosa (Prefasy
II).