I Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy hosorina aminy
Eo am-pikatsahana izay mety ho fahasambarana, na ny mandalo ihany, na izay maharitra mandrakizay, dia natoron’i Jesoa antsika ny lalana : Mitandrina ny didy, mitia an’Andriamanitra amin’ny fo amam-panahy, amin’ny saina sy ny hery manontolo, ary mitia ny namana tahaka ny tenatiaviko izany aloha ny tenako… (Lk 10). Tsy mora anefa ny hitia ny namana tahaka ny tena, tsy mandeha ho azy, tahaka ny valin-tenin’ny sasany akory iznay ka hotsotsorina amin’ny hoe :
Tia ny namana tahaka ny tena isika rehefa maniry ho an’ny hafa ihany koa izay tiantsika ho antsika, rehefa mahatsiaro ny fahorian’ny hafa raha sanatria ka amintsika no hiaran’izany… Mazava ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ilay Mpampiana-dalàna : mandehana ary manaova tahaka ilay samaritana tsara fanahy.
Tsy famporisihana ihany anefa izany fa fampianarana ihany koa handanjalanja sy hitsara ny zava-misy araka ny fitiavana : ataon’ny mpanora-dalàna ahoana moa ny haka tahaka ity samaritana ity, raha toa ka tsy ny fitiavana fa ny avonavona no mameno ny fony? Impiry isika no latsaka amin’ny fitsaratsarana foana, amin’ny fitsarana ivelany, ka mitapi-maso tsy hahita ny soa ataon’ny olona heverin’ny rehetra ho mpanota matevin-koditra!
Raha ataontsika lisitra ireo olona alaintsika tahaka, mba ao anatin’ireo ve ny mitovy amin’ity Samaritana ity? Mazàna ny olo-malaza tahaka ny mpisorona sy ny Levita izay nandalo fotsiny ihany no manaitra antsika sy alaintsika tahaka… satria olona tsongon’olom-bolo!!!!
Tsy mahagaga
araka izany ny fahadisoam-panantenan’i Marta amin’ny Evanjely anio (Lk 10,
38-42) raha naka toky tamin’ i Jesoa mba ananatra ny rahavaviny satria
midonanam-poana. Tsy
nampoiziny anefa ny alin-tenin’ilay mpampianatra : maro erehina sy be
tebiteby ianao. Tsy ny manao zavatra manko ny zava-dehibe, fa ny
Impiry isika no milaza fa sahirana
noho ny amin’i Jesoa, mikenokenona tahaka an’I Marta, saingy manadino ny
manokana fotoana, na kely fotsiny ihany aza, mba hiresahana aminy, hihainoana
ny Teniny, sy hibanjinana ny endriny!
Izany endriny izany dia mety ho
hitantsika amin’ny Mpivahiny, tahaka an’i Abrahama nampiantrano ireo Anjelin’ny
Tompo (Jen 18, 1-10); mety ho hitantsika ao amin’ny fijaliana hamenoana ny tsy
ampy amin’ny fijaliana niaretan’i Kristy ho antsika koa anefa (Kol 1, 24-28).
Mazàva ny tenin’i Md Paoly : i Kristy no torianay, ka ny fakana tahaka azy no
heverina fa lalana mankamin’ny fahalavorariana. Atao ahoana tokoa moa no hitory
fa nijaly sy maty noho ny fitiavana ny mpanota i Kristy, ka tsy hiaritra ny
mafy amin’izay ateraky ny asa fitoriana!
Iza no honina ao an-tranon’izy
Tompo?
Mampatahotra ihany ny valintenin’ny
Mpihira salamo (Salamo 15): izay mizotra tsy aman-tsiny, mitandro ny rariny sy
milaza ny marina voarakitra ao am-pony, ka tsy manely lainga mampisavoritaka ny
mpiara-monina…. Mampisambo-bola maimaim-poana ary tsy mandray tsolotra hahavoa
ny tsy manan-tsiny. Dia manontany tena ihany aho hoe : ny mpiasan’ny banky ve
iznay mba hiditra ny fanjakan’ny lanitra?
Iezahantsika ary ny hihaina ny Fiainana miaraka amin’i Kristy. Miankina amin’izay ironan’ny fontsika anefa izany. Atao ahoana tokoa moa ny hisiki-ponitra hihaino sy hihaina ny Evanjely raha tsy mbola maniry ny fahasambaran’ny lanitra ny fontsika! Ry Mpampianatra tsara o, inona re no ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay? Anontaniantsika an’i Jesoa koa izany.