Alahady faha-efatra mandavantaona Taona D


Voafidy isika ho Mpaminany hitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny vahoakany

fihaonann'ny Anio

Androany no tanteraka izany teny izany! Ny anio ambaran’i Jesoa amin’ny fitoriany ny evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia mampahatsiaro antsika zavatra roa lehibe : anio mampiditra ilay Mandrakizay eo anivon’ny tantara, ka manaiky ho voafetran’ny fotoana sy ny toerana, io ilay kenosis, fihetrena ho tsinontsinona neken’ilay Teny mandrakizay tonga Nofo sy niara-nonina tamin’ny olombelona, ary nanaiky ho tonga Mofo hamelona antsika. Anio koa anefa hilazana fa ao aminy no tanteraka ny fampanantenana rehetra, ka isika mitory ny vaovao mahafaliny dia hiezaka ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’izay toriana, mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava.

 

Ny Litorjia anio dia mampatsiaro antsika ny iraka maha-mpaminany antsika. Ny batemy nanosorana antsika ho mpanjaka, Mpisorona sy ho Mpaminany, dia nanambatra antsika ho vatana iray ao amin’i Kristy, ka mahatonga antsika ho Mesia, olom-boahosotra, hitory ny anio, ho tetezana mampiray ny tany fandalovana ho zary fanomanana ny mandrakizay. Tsy zavatra moramora anefa izany. Andriamanitra mihitsy no nampitandrina an’i Jeremia amin’ny loza miandry azy amin’ny hananganan’izy ireo ady hanohitra azy, saingy Andriamanitra tsy mandao izay nantsoiny, fa mamonjy azy ireo.

Ny mety ho tsy fifanarahan’ny fitondran-tena sy ny asam-pitoriana dia sakana lehibe manakana ny Teny ho tonga nofo. Vay an-kandrina izany indraindray ka sady mahamenatra no maharary. Saingy na eo aza ny fahalementsika, ny toky omen’ilay nidify antsika dia hery lehibe ho antsika. Ny famakiana ny tenin’Andriamanitra dia heveriko fa tsy fandinihana loatra fa fihaonana, satria ny Tenin’Andriamanitra dia i Kristy, niseho amin’ny anion’ny tantara, ka fihaonana aminy ny famakiana ny Teny. Izay fihaonana izany ho hanova ny fiainana, rehefa mahita azy, ankoatra ny maha-zanak’i Josefa azy isika, izany hoe afaka mandeha mihoatra ny tantara mba hanakatra ny mandrakizay, dia ny fitiavana.

Ny famakiana ny tenin’Andriamanitra dia tokony hanampy antsika indrindra indrindra hahalala bebe kokoa ny tena, ka tsy hihonona amin’izany ho mety ho firazanana sy ara-nofo (zanak’i Zozy) fa hahatsiaro ny fahariana antsika hitovy endrika amin’ilay Mpahary. Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fa mila finiavana, mila misikim-ponitra hoy ny vakiteny I, mila miala amin’ny fanahin-jaza hoy i Md Paoly, ka mitoetr’olondehibe handray andraikitra.

Amin’ny seha-piainana andavanandro anefa, tsy moramora ny hihira ny  salamo 70 setriny, ka hilaza fa izy Tompo dia hanao zava-mahatalanjona ho antsika. Saingy tsy midika izany fa mandao antsika Andriamanitra. Tsy vitsy amintsika ny minainaina fa mandao azy Andriamanitra saingy manadino ny mametraka eo am-pelantanany ny fanahy, tahaka ny nataon’i Kristy teo ambony hazofijaliana. Amin’ny sehatry ny fitiavana indrindra indrindra dia adino fa ao anatin’ny fijaliana no hahafahantsika manaporofo marina tokoa raha lalim-paka sy mandrakizay ny fitiavantsika, na fitiavana mifono fitiavan-tena ihany, ka hilaza tahaka ny mpiray tanàna amin’i Jesoa hoe : nahoana no tsyy mba atao aminay ny fahagagana nataonao tany Kafarnaoma!

Inona tokoa moa no hasarobidin’ny fitiavantsika raha maha-te ho tia ny olona hotiavintsika. Saingy ho sarobidy sy ho lavorary izany rehefa hhanala tsiny ny zavatra rehetra, hiino ny zavatra rehetra, hanantena ny zavatra rehetra ary handefitra amin’ny zavatra rehetra… satria maharitra mandrakizay! Firifiry ny tokantrano rava satria tsy mendrika ho tiavina intsony ny vady! Fa iza no mendrika hotiavina ho antsika Kristianina? Firy no  mitsoaka an-daharana amin’ny asa fanompoana satria tsy mendrika ny maha-olona ny fiainana zakaina! Dia inona no holazaintsika ny amin’izany niaretan’i Kristy ho antsika?

Na inona na inona anefa ataontsika, dia ny fitiavana no zary vimiaina manome heviny iznay amin’ny maha-kristianina, satria zary tetezana mampifandray ny anio amin’ny mandrakizay. Ny fitiavana ary no fahatanterahan’ny Teny vakiantsika, ary hiaraka hiezaka isika hihaina ny maha-kristianina antsika, amin’ny maha-Zana-pitiavana antsika hoy Itompokolahy Kardinaly[1]



Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099