ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBATRA FA TSY NY HAREN’NY TANY
HAFATRY NY EVEKANTSIKA
amin'ny TENY MALAGASY -
EN FRANçAIS
Voaantso ho Mpaminany, hanarato ny olona ho amin’ny fiainana isika. Asa fanirahana mandrafitra ny Fiangonana rahateo moa izany, araka ny ampatsiahivin’ny Konsily Vatikana II antsika fa ny fitoriana ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy no voalohany indrindra hanorenana ny Fiangonana araka ny sitrapon’Andriamanitra izany tia ny hahavonjy ny olona rehetra (Ag Gentes 6-8). Eo amoron’i Tira sy Sidona[1], amin’ny andininy 18-19 ( Evanjely Lk 6, 17-26) dia milaza ny hery niala avy amin’i Jesoa ka nitondra fanasitranana, nitondra ho amin’ny fiainana izay nitady hanendry Azy. Ny Mpianatra manko, rehefa voaantso hiroso amin’ny lalina, dia nandao ny sambokely, namoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa (Evanjely Alahady V), mazava kokoa ao amin’ny fitantaran’i Md Marka (Mk 1, 17) : Andeha hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo.
Zavatra mandeha ho azy ho an’ny olombelona ny hamoy izay ananany mba hahazoana ny tsaratsara kokoa, hany ka tsy mahagaga raha nanaraka an’i Jesoa ny vahoaka satria nahita ny famantarana amam-pahagagàna nataony. Tsy tokony ho fanarahana noho ny zava-mandalo ihany anefa izany (Jn 6, 26) fa kosa noho ny finoana fa tapi-dalan-kaleha isika, ho any amin’iza moa, satria ao amin’i Kristy no misy ny fiainana mandrakizay ( Jn 6, 68)
Izay no fototra hahafahana mahazo ny hasambarana araka ny lazain’ny Evanjely. Ireo hasambarana efatra lazain’i Lioka dia mampametra-panontaniana antsika hoe . Inona no fahasambarana ho ahy! sambatra ny mahantra fa azy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra; sambatra ny noana fa ho voky; sambatra ny mitomany fa ho faly; sambatra ny ankahalaina sy mijaly fa ho lehibe ny valisoany any an-danitra! Tsy valisoa amin’ity fiainana ity araka izany no ampanantenain’ny Evanjely fa mbola miandry amin’ny fiainana any an-koatra!
Tsy mahagaga ay raha mitohy ny fitarainantsika, tahaka ny traikefam-piainan’ny Mpihira Salamo, ka indraindray mialona ny ratsy fanahy amin’ny fahombiazana amin’ity fiainana ity (Sal 73) ka mieritreritra fa miankina amin’izay ananana ny aina sy ny fahoriana amin’ny fandaozana ity fiainana ity (Lk 12, 20-21). Araka izany, ny mifikitra amin’ny haren’ny tany ka manao ny vola ho andriamaniny dia tsy afaka handova ilay fanjakana voavoatra ho an’izay mitovy amin’ny zaza manankim-po ny fiainany amin’ny raiamandreny (Lk 18, 16-17), tahaka ireo apostoly, nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa…
Ny vakiteny amin’ny alahady VII[2] (Lk 6, 27-35) moa manamafy fa ny fitiavana marina no hahafahantsika miaina izany fanarahan-dia an’i Kristy izany… ka hahafahantsika mitia ny fahavalo sy manao soa ny mpankahala. Dia ho vitantsika ve ny hanao soa, rehefa hosoram-potaka sy dradradradraina ny imasom-bahoaka teny fanebahana manohitra antsika?
Tanteratsika izany raha ny Tompo no hany toky ho antsika (Jer 17, 5-8) ka hahatsiarovantsika fa raha tsy Izy, tsy ho afaka ny ho isika akory isika. Ampahatsiahivin’ny Papa manokana amin’ny hafatra hanombohantsika ny Karemy izany, hilazany fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia ilay tsy marina maty fa nitsangan-ko velona ho tonga tso-drano ho antsika[3] ka hahatsapantsika fa manana trosam-pitiavana isika…
Mifototra amin’ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona anefa izany rehetra izany (Vakiteny II 1Kor 15, 12-20), miankina amin’ny fo amam-panahintsika, lanaky ny adim-piainana sy ny olana isan-karazany, te hitantara sy hiala vonkona amin’izay rehetra mandalo ka miseho ho vahiny ho any Emaosy… saingy raha manaiky hitoetra eo amin’ny latabatry ny Soratra Masina sy ny Fizarana ny Mofo isika, ka hitalaho aminy hanokatra ny masom-panahintsika hahalala Azy, dia ho tonga vavolombelona haneho azy marina …. Hahafoy ny zava-mandalo mha hifikitra amin’ny mandrakizay!
[1] Raha mandeha amin’ny dika ara-bakiteny isika dia mahatsapa fa Tira (avy amin’ny Tsor, vatolampy) sy Sidone (fahabetsahan’ny tsondro) dia mampahatsiaro an’i Sefasy (Piera) sy ny zoogreo iraka hanarato olona. Mety hametra-panontania araka izany hoe nahoana no lazain’i Lioka hoe teny an-tany lemaka ny fampianarana, nefa ao amin’ny fitantaran’i Matio, eny an-tendrombohitra (Mt 5, 1-12)… mifandraika indrindra amin’ny TORAH, ny lalàna nohavaozin’i Kristy, ho tonga lalam-pahasambarana ho amin’ny Fanjakan’ny lanitra(Mt 5, 17-19)
[2] Amin’ity taona ity dia voadingana ny alahady VII –X