ALAHADY FAHA-5 MANDAVAN-TAONA TAONA D

Nampiditra : harilova
Daty : 06/02/2010

 ISIKA TSIRAIRAY
NO ANTSOIN'ANDRIAMANITRA SY IRAHINY

 

 HAFATRY NY EVEKANTSIKA
amin'ny
TENY MALAGASY -
EN FRANçAIS

 

Mahatsiaro am-bavaka ny fiantsasatry ny fanahin'i Mgr RANDRIANASOLO Joseph Ignace isika no manohy ny fandinihana ny  fampianaran’i Md Paoly, mametsovetso ilay fitiavana tsy hanam-pahataperana dia mametra-panontaniana hoe : “afaka mitia toa lamban’akoho ve ny olombelona?” afaka misedra ny hasarotan’ny fiainana ve ny Kristianina ka vonona hatrany hijoro ho Mpaminany, hitory fa ny fitiavana no lehibe indrindra, ny fitiavana no mampisy heviny ny fiainana manontolo!

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, dia zary nofinofy ny hilaza fa afaka mitia marina tokoa ny olombelona, ka ny samaritana ny teny hoe : fitiavana aza, miova ho amin’izay hahazoana hafinaretana sy hafaliana mandalo fotsiny ihany. Ireo zavatra telo mitoetra, lazain’i Md Paoly, dia mampiditra antsika amin’ny misterin’ny fitiavana : ny finoana sy ny fanantenana. Ary ny fitiavana.

Ho antsika mpino dia Andriamanitra no fitiavana, ka  tsy azo heverina akory ny hilaza fitiavana ivelan’Andriamanitra! Ny sakramenta, famantarana manambara ny fitiavan’Andriamanitra, dia manamafy fa ao amin’Andriamanitra sy omban’ny Fanahy ihany no hahafahantsika maharitra mandrakizay amin’ny fitiavana. Ny finoana manambara ny toe-pontsika miandry ny famonjena avy Aminy ,ary ny fanantenana manambara ny finiavantsika hitolona, manantena fa hody ventiny ny rano nantsakaina, na ho ela na ho haingana… satria ny fitiavana no hitsarana antsika.

Amin’ny iraka maha-mpaminany antsika, hitory ny tenin’Andriamanitra, anoloan’ny Vahoaka mety hitsangana ho fahavalontsika sy hanangana ady amintsika ( Jeremia Vakiteny I alahady IV), ka hatoky fa YHWH tsy mandao antsika, dia avoitran’ny Tenin’Andriamanitra anio fa ny tena mpaminany marina dia mahafantatra ny tenany sy ny manodidina azy…

Iza isika izay irahina? Iza aho? Tsy mora ny mahafantatra ny tena ary tsy azo odian-tsy hita ny vatomisakana amin’ny fandinihan-tena, mahazo ny ankamaroan’ny feon’ny fieritreretana (conscience) maro. Matetika tsy ny Sitrapon’Andriamanitra intsony no ho enti-mandini-tena fa ny masom-bahoaka sy ny fanaon’ny besinimaro. Tsy mahamenatra intsony ny manao zavatra iray, na eny imasom-bahoaka aza, rehefa eken’ny besinimaro! Firifiry amintsika no mivelona amin’ny tsolotra sy mamelona ny hafa amin’ny tsolotra, sao very ny tombontsoa manokana! Tsy maninona izany satria izay no fombany. Firifiry amintsika no mandinika ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenentsika, ka hikatsaka marina ny hiadanan’ny vahoaka mialoha ny tombontsoa manokana? Ho antsika kristianina, hanaporofo izany ny fasahiantsika hanao ny famantaran’ny hazofijaliana mialoha ny handatsa-bato, raha tahiny ho tonga soa aman-tsara amin’ny fifidianana isika, hanaporofoantsika fa tsy tombontsoa manokana na sentosento ihany fa tena fikatsahana ny tombontsoa iombonana ny safidintsika!

Izaia Mpaminany, manoloana ny vahoakan’Israely, nanadino ny Andriamaniny (vakio ny Toko I Izaia) ka nidiran-doza, dia mahatsiaro tena fa mpanota, (Vakiteny I Iz 6, 1-8) tahaka an’i Piera, nahita ny fahagagàna nataon’i Jesoa (Evanjely Lk 5, 1-11), rehefa niala maina nandranto nandritra ny alina! Izay no fiantombohan’ny fibebahana : ny fahatsapana ny fahalemen’olombelona ka hibanjinana ny halehiben’ny Voninahitr’ilay Masina! Masina! Masina! Io ilay fifanatrehan-tava hahalalantsika ny tenantsika tahaka ny hahalalan’Andriamanitra antsika nolazain’ny Vakiteny tamin’ny heriny (IKor 13, 12) : mpanota voavela heloka tamin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy.

Ny fitoriana ny Teny dia miainga avy amin’ny fihainoana ny Teny! Ireto Apostoly ireto no vavolombelon’ny Voaloham-pamantarana tany Kanà, nilazan’i Masina Maria mba Hanao izay rehetra holazainy (Alahady II Jn 2). I Simona (ara-bakiteny : ilay fatra-pihaino) no  Piera (Vatolampy), araka ny Tenin’i Jesoa ho an’izay mihaino ny Teny ka mitandrina Azy (Lk 6, 48). Tsy mandeha amin’ahim-pony ny Mpaminany fa voairaka! Mazava loatra fa tsy ho iraka raha tsy mihaona sy mihaino ny Mpaniraka! Ka hihaino avy amin’ny firesahana aminy ny hafatra hampitaina! Izay no hanakana antsika tsy hitory tenA fa hitory TenY, dia ilay Teny tonga nofo sy niara-nonina tamintsika, maty fa nitsanga-ko velona ho santatra ho antsika (Vakiteny II).

Evanjely noraisintsika izany, ka mila tànana tahaka ny nitoriana azy tamintsika (Vakiteny II IKor 15, 1-11). Tsy mora ny miandry izay ho iraka, ho mpanataro olona, tsy mpanarato ka hanala ny trondro anaty rano anefa mba ho faty, fa ho mpanarato hanala ny olona amin’ny fahazaran-dratsy mba ho velona. Io ilay Duc in altum malaza, niainantsika, mirosoa amin’ny lalina! Ny mpanarato tsy matahotra ny onjan-drano, tsy hanala ny trondro amin’ny fahafinaretana sy ny mety ho aro aina amin’ny rano lalina tsy akory (zwgre,w, midika hoe misambo-belona, na ny marina kokoa misambotra ho amin’ny fahavelomana, jereo Jn 10,10)[1] fa hitondra ho amin’ny fiainana ny vahoaka efa zatra sy miaina milamina amin’ny tsy fahitàna ny mazàva, saingy tian’i Kristy hoentina handia ny tany maina, hanandrana fiainana vaovao! Higòka ny hamamin’ny Fiainana. Izay rahateo no mampiavaka ny fitantaran’i Lioka, manisy tsindrim-peo fa izay te hanaraka an’i Jesoa dia handao ny zavatra rehetra, handao ny hafinaretan’ny rano lalina!

Izay te hanara-dia an’i Jesoa ka te ho iraka ho Azy, dia hahatsiaro mandrakariva fa ny Heriny sy ny Fahasoavany no mahavonjy, ary mahatsiaro tena fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-toy izao azy (vak II). Izay mety ho fialonana na mety ho fifaninanana hampanjakana ny tenA fa tsy ny TenY araka izany dia mifanohitra amin’ny iraka maha-mpaminany antsika.

Alao hery ary ny hiaina araka ny maha-mpaminany antsika, hifanome tanàna tokoa hiroso amin’ny lalina! Hiantso vonjy amin’ny hafa, hifarimbona amin’izay trondro mila hojonoina… ary hahatsiaro tena mandrakariva fa isika koa, miandry mpanjono hitondra antsika amin’izy Tompo, mba hibanjinantsika ny voninahiny sy ny fitiavany ilay hany maharitra mamndrakizay ka hahafahantsika manantena ny hitia tahaka Azy (Salamo setriny 137)



[1] Amin’ny andininy faha-10 i Lioka dia mampiasa ny zwgre,w  fa tsy ny a;gra nampiasainy tamin’ny andininy 4 sy 9

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1025 s.] - Hanohana anay