ALAHADY FAHA-18 MANDAVANTAONA


Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany ny ain’ny olona.

“Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika”. “Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jo 16,24). Ny tsirairay àry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra”. (KFK 2761)

Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, amin’ny famintinana ny Fizarana fahatelo mikasika ny fiainam-pinoana fa Ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity, mba ho tanteraka ao anatin’ny fahitana sy hasambaran’Andriamanitra izany. “Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe mahita dia mahazo no heviny. Ilay izay mahita an’Andriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsainina” (Grégoire de Nysse). Saingy amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy izany loatra no miseho.

Zava-poana dia zava-poana hoy ny Mpitoriteny (Mpitory 1, 2-23) zava-poana ny hisasarana raha tsy ho fanorenana izay maharitra mandrakizay. Izany no amafisin’i Md Paoly amin’ny taratasiny hoe : katsaho ny zavatry ny lanitra (Kol 3, 1-11). Izany fikatsahana ny zavatry ny lanitra iznay anefa dia tsy mamela antsika hidonanam-poana fa kosa hamono ny rantsam-batana, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy; fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy finoana.

 

Miankina amin’izay heverintsika ho harena anefa izany. Ilay olona nangataka tamin’i Jesoa ho vavolombelona amin’ny fizarana ny lova, dia manambara antsika ny toetsaina indraindray mahazo antsika koa, izany hoe manao an’i Kristy sy ny fiangonany ho antom-pivelomana. Mitamberina ato an-tsaiko ny tenin’i ED Andriamalala, anisan’ny olomangan’ny fanoratana nianarana fahiny tao amin’ny Ilay vohitry ny Nofy  hoe : raha hadihadiana ny loharanon’ny harem-be rehetra dia loto sy fotaka avokoa no miboiboika avy ao.

 

Soa ihany fa tsy miankina amin’izay fananany ny ain’ny olona. Fiononana ho an’ny mahantra izany, na dia fijaliana ihany koa aza ny tsy fahampiana. Ambaran’i Jesoa mazava anefa fa ny harena ao amin’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay. Ny vavaka nandritra ny herinandro mivalona iny dia mampahatsiaro antsika ny tokony hampiròna mandrakariva ny saina amam-panahy amin’ny fikatsahana ny haren’ny lanitra na dia miondrika mampias any zava-mandalo aza.

 

Toa zary nofy anefa ny haremm-panahin’ny Ntaolo, milaza fa aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Indrisy fa ny vola no maha-rangahy ka te ho rangahy avokoa isika rehetra, dia adino fa ny rangahy koa mety hiaran’ny fahafatesana. Loza!Ny fitiavam-bola diso tafahoatra no fototryny fahotana rehetra, hoy i Md Paoly (I Tim 6, 10).

 

Hifampitondra am-bavaka isika mba hahaizantsika mandalanjanja ny fampiasana ny haren’ny tany, ho tonga rakitra maharitra ho lovaina any amin’ny mandrakizay.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.135