Tompo o! Ampianaro mivavaka izahay.
I Jesoa mivavaka dia efa fampianarana antsika hivavaka. Ny fahitan'ny Mpianatra ny fomba fivavak'i Jesoa no nanosika azy ireo hanontany ny Mpampianatra hoe : izahay koa mba ampianaro mivavaka (Lk 11, 1-13). Nandray izany fampianaran'i Jesoa hivavaka izany, ary manohy ny vavaka nataon'i Jesoa ny Fiangonana, ary mahatsapa ny vavaka dia tsy azo fintinina amin'ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin'ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran'ny Soratra Masina momba ny fivavahana : ilaina koa ny mianatra mivavaka. Ary amin'ny alalan'ny fampitana manan-kery (ny Lovam-pampianarana masina) no ampianaran'ny Fanahy Masina ny zanak'Andriamanitra hivavaka, ao amin'ny "Fiangonana mino sy mivavaka"(KFK 2650).
Araka ny katesizinny Fiangonana Katolika, dia mazava ny famintinana ny atao hoe vavaka :
"Lehibe ny misterin'ny finoana". Ambaran'ny Fiangonana ao amin'ny Sembolin'ny apôstôly izany (fizarana voalohany) ary ankalazainy amin'ny litorzian'ny sakramenta (fizarana faharoa), mba hifanaraka amin'i Kristy ao amin'ny Fanahy Masina, ho voninahitr'Andriamanitra Ray, ny fiainan'ny mpino (fizarana fahatelo). Io mistery io àry dia mitaky ny mba hinoan'ny mpino izany, hankalazany izany ary hiainany izany ao anatin'ny fifandraisana sady maharitra no an'ny tsirairay miaraka amin'Andriamanitra velona sy marina. Izany fifandraisana izany no atao hoe fivavahana. (KFK 2558).
Izay no iainan'ny Fiangonana, indrindra amin'ny drafitry ny litorjia hankalazana ny Eokaristia : mihaino ny tenin'Andriamanitra ka manavao ny Finoana, manandratra vavaka ho an'Andriamanitra, mitalaho ny famindram-pony mba ho afaka hiombona aminy amin'ny komonio masina sy amin'ny fifampizarana amin'ny rahalahy sy anabavy, ho fiadanana sy famonjena an'izao tontolo izao.
Ny vavaka nataon'i Abrahama ho an'ny tanana'i Sodoma sy Gomoro (Jen 18, 20-32) dia mahatonga saina ahy ihanya min'ny fomba fivavatsika sy ny amin'ny olona hivavahantsika. Izaho manokana aloha dia azom-pakam-panahy hivavaka tsy ho famonjena fa mba hanjavonan'ny olo-meloka. Tsy mora ny malela heloka, hany ka sarotra ny haniry soa ho an'ny fahavalo. Tsaroako ny vavaka fanaonay faha-kely, alohan'ny hatory : Andriamanitra, omeo ny fahasoavanao ny havako, ny sakaizako sy ny fahavaloko... saingy, raha ny marina dia teny ihany izany.
Lazain'i Md Tomà d'Aquin fa amin'ny Fivavahan'ny Tompontsika dia tsy fitanisana ny zavatra mendrika angatahana fotsiny fa fitanisana araka ny lahara-pahamehan'ny fangatahana. Araka izany, ny laharam-pahamehana dia ny miantso an'Andriamanitraho Ray, Ray iombonana. Midika izany fa tokony hitondra tena ho zanaka isika eo anatrehany ary hitondra tena ho mpiray tampo miaraka amin'ny mpiara-belona.
Indraindray anefa, toa tsy mihaino ny fangatahantsika Andriamanitra. Indraindray koa anefa terentsika hanaiky ny sitra-pontsika izy. Saingy ambaran'ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika fa tsy sentosentom-po fa tolona ny vavaka. Rehefa sendra ny sarotra dia manampy ity fankaherezan'ny Katesizy ity :
"ny tolona ataontsika dia tsy maintsy hanoherana an'izay tsapantsika ho tsy fahombiazantsika amin'ny fivavahana : fahakiviana manoloana ny fahamainan'ny fo, alahelo amin'ny tsy fahafoizana manontolo ho an'ny Tompo, satria "manankarem-be" (Mk 10, 22) isika, fahadisoam-panantenana noho isika tsy ankatoavim-bavaka araka ny sitrapontsika manokana, ratra avy amin'ny avonavontsika izay mihamafy eo amin'ny faharatsian-toetra maha-mpanota antsika, tsy fahazakana ny maha-marim-pototra ny fivavahana, sns. Mitovy hatrany ny fehin-kevitra : inona no soa azo amin'ny mivavaka ? Mba handresena ireny vato misakana ireny, tsy maintsy miady ho amin'ny fanetren-tena, ny fitokiana ary ny fitozoana" (KFK 2728).