nahatratra ny Paka!
Fanomezana omen'i Kristy ny Mpanara-dia azy ny Fiadanana, Fanomezana navelany ho lova, satria Azy... Dimampolo andro handinihana manokana ny misterin'ny Finoana sy ny sakramenta ny vanim-potoanan'ny Paka. Izany no hiantsoana azy efa hatrany amin'ny fiandohan'ny Fiangonana hoe : Vanimpotoana Mystagogique...
Ireo Neofita (terabao) nandray ny Sakramenta firosoana ho Kristianina (Batemy - Fankaherezana - Eokaristia) diamandinika ny fahasoavanasy ny raki-miafinafonosin'ireo Misterin'ny Finoana nankalazaina...Dia ahoana ho hahalalana fa mino ny olona iray? Inona ny Finoana...
Raha mino amin’ny fonao tokoa
ianao dia hovonjena, hoy ny mpitoriteny... dia hoy aho hoe mba
tena mino ve izy ireo, sa mitory mba hahazo laza na hahazo tombontsoa? Inona no
hahafantarana fa mino ny olona iray? Inona ny Finoana ambaran'i Joany amintsika? Vakiteny faharoa (1Jo 5, 1-6) Fahaterahana amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra izay noraisintsika tamin'ny Batemy ka hivelomantsika araka ny Didy natolony ho antsika: ny didim-pitiavana.
Raha miresaka momba ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona isika dia mazàna lasa resaka habobo no atao. Terena hino ny tsy hain’ny tena hazavaina akory ny olona. Tsy misy afaka mampita ny finoana manko afa-tsy izay mino ihany.
Ambaran'ireo Evanjely mitantara ny fitsanganan-ko velona fa izay nifankahita tamin'i Kristy Tafatsangana dia ho maimay hitantara izany amin'ny havana aman-tsakaiza.
Dia iza no mino? Ahoana
no hahatsapantsika fa tena mpino isika? Sa dia atao valy boraingina fotsiny hoe
rehefa mino ianao dia tsara, tsy mino ianao, raharahanao izany... (Jereo ny fanontaniana
farany amin’ity fifampizarana ity) Hanazava izany ny famintinana ireo vakiteny aroso amin'ny alahady 7 fankalazana ny Paka ao amin'ny tohiny...
Anisan’ny fanehoana
izany finoana izany ny Sakramenta (Ny famaritana ny sakramenta dia Famantarana
hita maso na tsapain’ny tanana na renesin’ny sofina, manambara sy mampahazo ny
Fahasoavana), izay hifampizarako aminao etoana. Aorian’ny Paka manko no fotoana
nandalinan’ny kristianina ny tena maha-kristianina azy, indrindra raha zohiana
ny lovam-panahy nifandovana tamin’ny taonjato maro nifandimby, hatrany
am-pihandohana. Nandritra ny karemy manko, ireo nantsoina hoe katekomena (avy amin’ny grika hoe κατηχο�?μενος izay midika : mampianatra amin’ny
feo avo, tsy azo afangaro amin’ny katesizy izay midika akon’ny fampianarana
amin’ny fiainana) dia niomana ho amin’ny fandraisana ny batemy.
Tsy hoe ny efapolo
andron’ny karemy ihany anefa no fiomanana fa efa nialohavana fotoana elaela
nizahana toetra ireo nangataka hiroso ho amin’ny batemy. Raha tsy hita ny
fahatapahan-kevitra hiaina ny fitsipi-piainana maha-kristianina, tsy miroso
amin’ny sakramenta. Dia izay ilay hoe : “Miara-maty amin’i Kristy, ny
amin’ny fahotana”.
Ireo alahady 7 amin’ny Paka, araka izany dia
nandinihana ny sakramenta fito (Tsy hiady hevitra momba
ny isan’ny sakramenta aho, satria manko ho an’ny Mpino an’i Kristy sasany, tsy
misy afa-tsy sakramenta roa na telo... ho an’ny fiangonana katolika dia
notanana ho fito ny isan’ny sakramenta), loharanom-pahasoavana ho an’ny mpino.
Ny alahady voalohany dia niainana sy nanavaozana
ny tokin’ny batemy (ankoatry ny fankalazana ny sakramentan’ny Batemy, ny
litorjian’ny Jiro sy ny Rano dia manavao ny toky nomena tamin’ny batemy ny
Kristianina).
Ny alahady faharoa, alahadin’ny
famindrapon’Andriamanitra, hiderana ilay famindram-po tsy misy fetra : “Raiso
ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavela…” (Jn 20,19-31).
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo
novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i
Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo
mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35) amin’ny taona B dia tohizana ny
famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny
tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa
dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro
manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jn 21, 1-19)
kanefa mbola mivohitra ihany ny famakiana ny mofo sy ny hazandrano….
Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry
Ondry tsara, dia vakiana ny Evanjely araka an’i Joany (Jn 10, 1-30) : i Jesoa
ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jn 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny
ondriny (taona B : Jn 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay
manaraka Azy (Taona D : Jn 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana
ho an’ny mpitondra fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy
ho relijiozy amin'io alahady io.
Ny alahady faha-dimy dia manisy tsindrim-peo
amin’ny didim-pitiavana tokony hihainan’ny Kristianina : ny fifidianana ireo
fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 7, 1-7 : vakiteny
I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny
hifankatiavantsika (1Jn 3, 18-24 : Vakiteny II taona B / Jn 13, 31-33° :
Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Apok 21,
1-5 : vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava
momba ny sakramenta, fa mamporisika kosa hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary
mazava loatra fa anisan’ireny ny marary. Ny sakramentan’ny marary manko tsy hoe
hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana ihany fa
porofom-pitiavana asehon’ny fiangonana ho an’ny zanany osa.
Ny alahady faha enina dia ny fampanantenana ny
mpanafaka alahelo. Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo
hafa ianareo (Jn 14, 15-21 : Taona A), dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy
Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay
rehetra nolazain’i Kristy (Jn 14, 23-29 : taona D).
Ny alahady faha-fito kosa, ialohavan’ny Fiakarana
any an-danitra ‘Ascension’ amin’ny faritra sasany, alahadin’ny fiakarana ho
an’ny sasany, dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny fiangonana : mba
ho iray ihany izy rehetra. (Jn 17, 1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26
[taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny
Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana (Vakio ny Taratasin’i Paoly ho an’ny
Efesiana (Ef 5, 21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy).
Raha manaraka ireo
tsipihevitra lazaiko ireo ianao dia hahatsapa fa ny fandinihana manokana ny
sakramenta tsirairay dia manambara ny fifandraisana misy amin’izy ireo
tsirairay avy. Ny zava-dehibe dia ny fiverenantsika matetika amin’ny
fandinihana ny hasarobidin’ny fiantsoana niantsoana antsika.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique dia ny hanavaozantsika
ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara
ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty
amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka aminy.
Dia samia mandinika ny
fiainany hoe tamin’ny inona no niarahako maty tamin’i Kristy... ho ahy manokana
manko, mbola manana matoatoa (ireo fahotana sy ireo zavatra nolaviko mba
hanarahako ny Tompo, nefa avy eo toa mahafinaritra ahy indray ny miverina aminy
avy eo... toa tsy foiko hofongorana tanteraka) mandehandeha ao
am-poko aho ka mazava loatra ireo no manakana ahy tsy hihaina tanteraka ny
misterin’ny Paka.
Dia sahy hilaza ve aho hoe : mino?
Mino aho Tompo fa mba
vonjeo re ity tsy finoako... (Mk 9, 23-24)