TRIDUUM SACRUM PASCHALE



Herinandro Masina

 

 

Manomboka ny hateloana hankalazana ny Paka isika izao, ny Triduum sacrum paschale. Ny Vavaka mitohy (Triduum, Neuvaine…) dia fanomanam-panahy amin’ny fotoan-dehibe iray. Ny Paka araka izany no hiomanantsika amin’izao hateloana izao.

Ny Alakamisy Masina, araka ny hamporisihin’ny Fiangonana, dia handinihana manokana ny Sakramentan’ny Eokaristia, ny Sakramentan’ny Filaharana ary ny fifankatiavan’ny Mpirahalahy. Ny Dingana voalohany amin’ny hateloan’ny Paka ary, ialohavan’ny fanamasinana ny menaka masina, izay hoentina hanamasinana ny vahoaka kristiana (voahosotra), dia ny fahatsapana fa eo anivontsika i Kristy, ny Eokaristia, navelany ho antsika, hankalazana ho fahatsiarovana Azy dia fanese-pihavanana, nasiany tombon-kase tamin’ny fanaporofòny ny faratampon’ny fitiavana . mahafoy ny ainy ho antsika mpanota.

Mba hananantsika anjara amin’i Kristy, dia mila manaiky hosasàna tongotra isika… Manaiky fa mila ny hafa, tsy amin’ny zavatra lehibe ihany, fa na amin’ny zavatra tsinontsinona heverina ho asan’ny mpanompo sy ny andevo aza… Tsy izany ihany anefa, fa voaantso koa hanao toy ny nataon’i Jesoa : hanompo ny hafa (Jn 13, 1-15). Tsy zavatra mandehandeha ho azy anefa izany sanatria. Fantatsika ny hasarotry ny fiaraha-miaina, na ao an-tonkantrano, na ao amin’ny fiombonam-piainana na any an-toeram-piasana, eny fa na dia ny eny an-dalam-be aza. Angamba tsy mahazatra antsika loatra, saingy mila hizarantsika ny hanontany tena hoe : raha i Kristy no eto, inona no nataony! Ny fahatsapantsika ny halemena izany no hamporsisihana antsika hiambina sy hivavaka satria marisika ny fanahy fa ny nofo no osa.

Ny Zoma masina, handinihana ny fijalian’i Kristy, androm-pisaonana sy fifadian-kanina, dia manampy antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavana nasehon’i Kristy ho antsika, ka ho setrin’izany no hampipololotra ny vavaka ho an’izao tontolo izao. Andro hanombohana ny hasivian’andro amin’ny fitondrana am-bavaka ny sokajin’olona rehetra hotahian’ny Famin-drampon’Andriamanitra… Tsy andro manjombona hisaonana loatra anefa (miakanjo mena ny mpisorona) fa andro hilazana ny fandresena… Impiry isika no mandini-tena ka tsy mahita valiny manoloana ny fijaliana mianjady amintsika na amin’ny havantsika… Indro i Kristy manoro antsika ny tena fiainana : tsy ny fandosirana ny fijaliana akory on hampisy hasiny ny fiainana fa ny fitiavana, hatramin’ny fara-fofon’aina. Ny fitiavana no hitsarana antsika.

Ny Sabotsy masina, adro fahatelo kosa, no hankalazantsika ny ivon’ny taona litorjika : Paka. Asa, fandalovana ve? Dia fandalovana vetivety any am-piangonana? Sao Fandalovan’i Kristy eo amin’ny Fiainantsika? Tandremo sao tsy hiverina fanindroany anefa izany…

Isika tsirairay avy ary no voaantso handinika manokana ny fiantsoana niantsoana antsika, ary handalina manokana ny maha-kristianina antsika, amin’ny fanahafantsika an’i Kristy. Mazàna manko, toa ny fahadalana sy ny fitiavan-tena narafitry ny tontolo manodidina ho fahendrena no entintsika miaina, ka ny ara-dalàna sy ny fomba nahazatra zary hanandevo ny marina sy ny fitiavana…

Isika rehetra no voaasa amin’ny Fanansan’ny Zanak’ondry : Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareoSamia misotro amin’ity ianareo. Saingy tsy isika rehetra no madio… Tsy misy mendrika handray an’i Kristy, saingy nomeny antsika kosa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana, Fanahy izay raisintsika main’ny sakramentan’ny Fampihavanana.

Ireo tsy afaka manantona amin’ny latabatry ny Tompo kosa (izay mitoetra amin’ny toe-pahotana) tsy hoe voahilikilika tsy akory, fa afaka mivelona amin’ny faniriana tsara handray an’i Kristy, ary hivoky ny Teniny izay Kristy ihany koa. Fa indrindra tokony hampandini-tena antsika mandray Azy, araka ny handidian’ny Fiangonana hanao komonio tsra amin’ny Paka, ka hahatsiarovantsika ireo zavatra telo lehibe hanomanana ny komonio tsara : ny faniriana handray an’i Kristy, ny Finoana fa i Kristy no ao amin’ny Eokaristia ary ny fitiavana vokatry ny fiombonana aina amin’i Kristy. (jereo eto katesizy).

Dia mirary Paka sambatra ho anao!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109