Fankalazana ny Vatana aman-dRan'i Kristy

SOROM-PIHAVANANA
SY SAKAFO MAMPIRAY NY EOKARISTIA
[1]

eokaristia.jpg

Sorom-pihavanana sy fampiraisana tokoa ny Eokaristia. Izany no hiantsoantsika azy hoe : komonio. Fiombonana amin'ny tena sy ny namana, vokatry ny fiombonana aina amin'i Kristy... satria izay iray vatsy, iray aina. Hatramin'ny 2003 nanoratan'ny Mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II ny Ansiklika Ecclesia de Eucaristia (teny frantsay eto) izay nentiny nanomana indrindra ny taonan'ny Eokaristia (oktobra 2004-oktobra 2005 : Mane nobiscum Domine) sy ny sinaodin'ny Eveka nandalinana manokana ny Eokaristia loharano sy hafenoan'ny fiainana sy ny iraka ao amin'ny Fiangonana, dia afaka niaina misimisy kokoa sy nandalina tsaratsara kokoa ny Misterin'ny Eokaristia isika.

Sakramenta Masina, satria ivom-piainantsiska kristiana, sakramentam-pitiavana, izany hoe: famantaranana maneho ilay fitiavana tsy misy fetra, nasehon'i Kristy ho an'ny olombelona ary nolazainy miharihary tamin'ny Mpianany : Indro aho eo aminareo mandrakariva, mandrapahatonga ny faran'zao tontolo izao (Mt 28, 20). Sakramenta misy ny Vatana aman-dran'i Kristy, ilay sakafo mampiray... eny fa na dia cena domini (sakafo harivan'ny Tompo) aza.

Tafaresaka tamin'ny sasantsasany amin'ny mpiara-miangona aho indray andro ka niresaka momba izany fanasan'ny Tompo izany, sakafo hariva! Eny fan a dia ankalazaintsika isa-maraina aza. Sakafon'ny Paka (Evanjely) fa sakafo fanaovam-belona ihany koa manko ny Eokaristia (Ny alina namadihana Azy, tsaroantsika amin'ny fankamasinana ihany koa I Kor 11, 23). Veloma, tsy hoe hisaraka samy hihazo ny lalany anefa, fa veloma maniry ny tsy hifandao na ao anatin'ny mafy sy ny mihatra aman'aina aza samy nandeha nihira ny Hallel ary samy mandeha nivavaka tany an-tanimbolin'oliva... saingy indrisy : marisika ny fanahy fa osa ny nofo (Mk 14, 38).

Sakafo hariva, izany hoe sakafon'ireo reraky ny tanik'andro ka maniry ny mba hiala sasatra, hifaly sy hikorana miaraka amin'ny havana aman-tsakaiza... mety ho sakafo harivan'ireo tsy nahita hatokona koa anefa ka nivenjivenjy nandritra ny andro mitady karama varimasaka, sitrany ahay... Mety ho sakafo harivan'ny manana ka manontany ny ory koa anefa, ka handaniana mihoatra ny mety, mba hisehoana ka manan-katao... efa nisy teo amin'ny tantaran'ny fiangonana izany (I Kor 11, 21). Fa araka ny henontsika tamin'ny Evanjely kosa dia sakafon'ny Paka miaraka amin'ny Mpianatra (Mk 14).

Sakafon'ny Paka ka mampahatsiaro ilay ran'ny fanekena nataon'ny Tompo tamin'ny vahoakany (Eks 24, 3-8). Tsy fanekena mandeha ila sanatria, ka hiandrasana an'Andriamanitra hanao vahagagana lava eo, fa fianianana hitandrina ny Tenin'YHWH : "Izay teny rehetra voalazan'Iaveh dia hotanterahinay avokoa", amafisin'ny salamo setriny hoe : hanefa ny voadiko tamin'Iaveh aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra (Sal 115). Ny fanafahana antsika amin'ny asa maty manko dia mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona (Vakiteny II Heb 9, 11-15).

Tsy fireharehana araka izany ny fankalazana ny Eokaristia, ary tsy fisehoana ho madio na mendrika noho ny sasany... Tsy sasatra isika ny mitsakotsako ny tenin'i Kardinaly hoe : "tsy haninkanim-poana ny Eokaristia fa hanin'ny mpanao zavatra"...

Sakafo hariva no ankalazana ny Eokaristia, fisaorana, satria ankoatra ny fanomezan-toky hanompo Azy dia handinika koa ny soa sesehena nomeny... inona no havaliko ny Tompo amin'ny soa rehetra nataony ahy? (salamo setriny) Indraindray anefa lasa ihany ny saina hoe : manoloana ny fahafatesana, ny kristianina mbola mankalaza ny Eokaristia, manoloana ny aretina, ny fahoriana sy ny fijaliana, ny tsy fahampiana sy ny fahantrana... aorian'ny tontolo alina miala maina fa tsy nahazo na inona na inona (Jn 21, 3)! Nahoana aho no hisaotra ny Tompo?

Jereo ny nataon'ny Tompo : manoloana ny fijaliana hatrehany, mialoha ilay vavaka naha-tsembo-dra tao Getsemania... dia hihira ny Aleloia (hira fiderana) niaraka tamin'ny Mpianany i Jesoa, hoy ny Evanjely (Mk 14,26), satria mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo. Ao amin'ny fijalian'i Kristy no hahitantsika ny hevitry ny fijaliana : ny fitiavana. Ny fitiavana no mampisy heviny ny fiainana, ary ny fitiavana no hitsarana antsika (Mt 25). Saingy mazàna, tsy ny fitiavana no fetra hamarantsika ny fiainana fa ny fitiavan-tena n any fitiavan-javatra hafa ho an'ny tena. Indraindary adino fa ny eokaristia dia Komonio, ka ny fiombonako amin'ny hafa dia mety hovidiako lafo, hahafoizako hatramin'ny aiko aza... satria kristianina aho ka i Kristy no ohatra ho ahy! Saingy nofinofy ve ny maha-kristianina rah any maha-malagasy aza tsy tanterako? Dia ho sanatria ve havalona ho angano ny fahendren-drazana milaza fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana? Dia havalona miaraka amin'izay koa ny Vaovao Mahafalin'i Kristy : "Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa hono izay mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany (Jn 15, 13).

Ny fanaovantsika komonio matetika anie hahatsapantsika fa na ny fijaliana mianjady aza, fanafody manasitrana antsika amin'ny firaiketana amin'izay mandalo, ka mampisokatra ny fontsika hila vonjy amin'Andriamanitra sy hisaotra Azy mandrakariva, satria "fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany" (Rm 8, 28)


[1] Azo jerena ny momba ny fandraisana komonio (fiomanana sy ny fifadian-kanina adiny iray mialoha...) sy ny fankalazana ny Eokaristia Masina taona A

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114