Alahady voalohany Karemy Taona B

TE-HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

Ankoatra ireo fomba mampihavaka ny Karemy (asa fiantrana, vavaka manokana toy ny lalan'ny hazofijaliana, fifadian-kanina, ... jereo eto ny lalana tsy mihoatra ny roa metatra atao amin'ny karemy) izay manampy antsika amin'ny fibebahana marina sy ny ady handresena ny ratsy (jereo alarobia fanosorana lavenona) dia mitozo amin'ny asa aman'andraikitra andavanandro izay toa tsy manam-piovana isika, ary ampatsiahivin'ny Fiangonana fa ny fitomboan'ny fahalalana an'i Kristy no mampivoatra izay toe-piainana an-davanandro izany (vavaka fangatahana).

Mazava loatra fa ny fizorana ho amin'ny Paka dia fiezahana hahalala an'i Kristy. Atao ahoana tokoa moa no hilaza fa kristiania isika raha ataontsika antsirambina ny fandalinana ny momba an'i Kristy! Iza i Jesoa izay arahintsika? Izany rahateo no hanompanan'i Md Marka ny finoantsika hiaiky fa i Jesoa no Kristy, Zanak'Andriamanitra (Mk 1, 1), ka zary loharanon-kafaliana (Evanjely) mandrakariva ny Teny aloaky ny vavany.

Tsy mahagaga àry raha mampahatsiaro antsika ny hasin'ny Batemy nentina nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny fahafatesana mba ho mpandova ny fiaianana ny Tenin'Andriamanitra (1 Pi 3, 18-22). Mba ho mendrika izany lova izany dia mila ny fiovam-po amam-panahy, izany no fibebahana anentanan'ny Fiangonana antsika manokana amin'ny vanim-potoanan'ny Karemy.

Ny avana, manambara ny fihaonan'ny rano sy ny hafanana, ny hazavana sy ny tandrifin-draohana, dia manjary loko marevaka, mahafinaritra ny maso, sitrak'Andriamanitra ho famantarana hahatsiarovana ny fanekeny tamin'ny vahoakany (Jen 9, 8-15). Ho antsika kristianina dia ny Lakroa no famantaram-piadanana! Taon-dasa dia nisy resa-be momba ny fampiasana ny saina maroloko toy ny avana (jereo eto Fides 2008) mba tsy hampifangaro ny mety ho firehan-kevitra tsy kristiana (indrindra ny New-Age) izay mampiasa io loko io hoenti-mivoy ny kolontsaina sy ny foto-pisainan'izy ireo.

Izany no nampatsiarovan'ny Fiangonana fa ny Lakroa no famantaram-piadanana lavorary indrindra satria mampihavana ny lanitra sy ny tany, ary tsy mifanohitra ihany koa amin'ny famantarana entin'ny avana : ny tara-pahazavana sivanin'ny rahona (orana), manjary ahitan'ny masontsika ny lokon'ny hazavana! Mova tsy ny fihaonan'ilay Masoandron'ny Famonjena amintsika olombelona mandia tany! Moa va tsy tahaka izay ambaran'i Md Paoly hoe : "amin'ny fahalemena indrindra no iamparan'ny herin'i Kristy. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'ny Kristy amiko." (2 Kor 12, 9)

Ny fibebahantsika anefa dia mandalo fisedrana ny fakam-panahy koa. I Jesoa nalaina fanahy tantarain'ny evanjely amintsika (Mk 1, 12-15) [izay tantarain'i Md Lioka sy Md Matio amin'ny antsipirihany kokoa (resaka fakam-panahy Lk 4, 1ss//Mt 4,1ss)] dia manambara ny safidy tokony hataontsika. Ny fakampanahy dia fitsapana, ka ny fanamafisana ny SAFIDY no hahafahana miady aminy. Tsy afaka maka ohatra hafa ankoatra izay efa nomen'i Jesoa antsika isika. Raha nalain'ny demony fanahy mba hanova ny vato ho tonga mofo izy dia nisafidy ny hampitombo mofo hamokisana ny vahoaka an'arivony... Tsy hampiasa ny harena hitiava-tena fa kosa hanasoavana ny sahirana sy ny mahantra. Raha nalaim-panahy ho tonga mpifehy ny tontolo izy, dia nisafidy ny hanaiky hatramin'ny fahafatesana, satria ny ny sakafo ivelomany dia ny manao ny sitrapon'ny Ray (Jn 4, 34//). Raha nalaim-panahy hampiseho ny maha-izy azy i Jesoa dia nisafidy ny hanaja ny fitiavan'ny Ray Azy. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy ao amin'ny fiombonam-piainana amin'Andriamanitra. Ary heveriko fa ny faratampon'ny fahasambarana dia ny fahatsapana fa zanak'Andriamanitra.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102