Alahady Voalohany fiaviana Taona D

Omany ny hiverenan’ny Tompo

 candles.jpg

Manomboka ny Taona litorjika vaovao isika izao. Ny taona fahatelo, hamakiana manokana ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka, ka handinihantsika manokana ny momba ny misterin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika ho amin’ny lalam-pibebahana. Tsy hoe fiomanana amin’ny fahatsiarovana ny nahaterahan’i kristy akory ny Fiaviana ka hieverantsika , araka iznay ny Noely ho tahaka ny anniversaire rehetra, ka tsingerin-taona hanararaotana hifaliana sy hiravoravoana. Ny fankalazana litorjika roa lehibe ivon’ny finoantsika (Noely sy Paka) dia tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana fa ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe  mémorial.[1] Ny Noely dia tokony ho fahaterahan’i Jesoa indray eo amin’ny tontolo misy antsika. Manova ny fomba hiainantsika ny Fiaviana iznay satria manampy antsika hanomana bebe kokoa ny fontsika handray Azy, manomana ny fontsika ho lava-bato hitoerany, eny fana dia handà tsy handray azy aza ny tontolo manodidina antsika.

Amin’ity Fiaviana ity dia mahafaly ahy ny mifampizara aminareo ny fomba entin’ny Paroasy eto aminay mankalaza izany. Efa fomba nahazatra taona maromaro izay ny fampiasana ny couronne de l’Avent. Ireo loko efatra ho entina mamakivaky ny Fiaviana araka izany dia natao hanampy ny tsirairay mba hihaina sy hivelona ny Fiandrasana ny fiavian’ny Tompo amin’ny toe-po sy toe-tsaina kristianina : “atrakao ny lohanareo fa efa akaiky ny vonjy ho anareo” (Evanjely Lk 21, 25-35). Tsy ampy araka izany ny miantehitra amin’ny vonjy avy amin’izy Tompo. Ny ezaka avy amintsika mba hanatraka ny loha dia manambara ny fahavononantsika hiatrika ny zava-misy, satria velomin’ny Fanantenana.

Ny labozia voalohany, miloko volomparasy sia manambara ny fahavononana hiandry am-pitokiana, ka hanomana an-kafaliana sy am-panetren-tena ny fibebahana marina. Ny tena fibebahana manko dia vokatry ny fihaonana amin’i Kristy. Tsy afaka hibebaka marina izay mbola tsy tafahaona tamin’i Kristy. Noho izany dia avy amin’ny jiron’ny paka, manambara an’i Kristy Tafatsanga-ko velona no hakana ny afo handrehetana ny jiro voalohany.  Manambara sy mampahatsiaro ny toky nomentsika tamin’ny andron’ny batemy izany, ka iezahantsika ihany koa hiainana amin’ny hafenoany.

Avy amin’ny fibebahana sy ny fiaraha-miaina amin’i Kristy no hitomboan’ny Finoana, ilay voatsinapy satrintsika hitombo ho amin’ny fiainana mandrakizay. Dia izay no ambaran’ny labozia faharoa, miloko mena, manambara ny finoana tiantsika hivelomana miaraka amin’i Kristy. Izany fiaraha-miaina amin’i Kristy izany no zary loharanon-kafaliana miboiboika ao anatintsika, ka tiantsika hivelomana amin’ny alahadin’ny Gaudete, handrehetana ny labozia miloko mavokely (Rose). Dia mazava loatra fa ho an’izay feno fatra ny hafaliana dia ny hizara izany amin’ny hafa no mahamay azy, ka handrehitra ny labozia faha-efatra, miloko fotsy, hanehoana ny fahavononana hijoro ho vavolombelon’ny hafaliana miaraka amin’i Kristy.

Sady mamintina ny tantaram-pamonjena ary ireo labozia efatra ireo no mamintina ihany koa ny ezaka ataontsika. I Kristy ilay ho avy, dia efa tonga sy monina eo anivontsika. Nitondra ny famelan-keloka ho an’i Adama sy Eva, namela ho antsika ny takaitran’ny fahotana tamin’ny fototra; namafy ao am-pontsika ny finoan’i Abrahama, mba handovantsika ny tany nampanantenaina; namela ho antsika ny divaim-piravoravoan’ny fanjakan’i Davida, mba hankalazantsika azy amin’ny salamo aman-tononkira masina; ary hitoriantsika ny hafany, tahaka ny nataon’ireo mpaminany fahiny, nilaza fa hiara-monina amintsika ny zanak’Andriamanitra.

Ny loko volomparasy dia manambara toe-po mivalo, manambara fisaonana sy fiaraha-miory, manambara fanantenana. Izany no toe-po entintsika mamakivky ny Fiaviana, ka hiezahantsika marina tokoa hampitraka ny loha, tahaka ireo miaramilan'i Jedeona fahiny (Mpitsara 7, 1-3) izay nisotro ny rano an-driaka, notovozina amin'ny tanana. Sady miandrandra ny vonjy avy amin'Andriamanitra isika, matoky ny famonjeny, no manaiky ihany koa hisahirana, hisikim-ponitra, hanovo amin'ny felatanantsika ny rano manala hetaheta, miboika avy amin'ny lanivoan'i Kristy ilay fiadanantsika.

 



[1] Izao no hamaritan’i B. Sesboüé azy : « Le mémorial est beaucoup plus qu’un souvenir subjectif. Quand le prêtre de l’Église célèbre l’Eucharistie en mémoire du Seigneur et selon l’ordre qu’il a donné, le Christ rend présent l’événement passé de manière sacramentelle ». Cf. invitation à croire, des sacrements crédibles et désirables, Ed. Cerf. P. 334

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493