TENA FIHINANA NY NOFOKO ARY TENA FISOTRO NY RAKO
Mitohy ny fandalinana ny finoantsika mikasika ny Eokaristia. Hatramin’ny alahady faha-21 isika dia manohy ny famakiana ny toko faha-6 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany (Jn 6). Izany fandalinana izany dia manampy antsika hahatsapa ny hasina sy ny anjara toerana misy ny Eokaristia amin’ny Fiainantsika. Raha ny faniriana ny mandrakizay no mameno ny fon’ny olombelona dia mety ho fahadisoam-panantenana ihany ny hihevitra hanatanteraka iznay amin’ny fanangonana ny harena mandalo ety an-tany. Ambaran’i Kristy mazava fa ny Mofo, dia ny Tenany, no sakafo mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Araka ny efa nifampizarantsika (Alahady faha-19) dia sakafo mitaky asa ny Eokaristia, tsy asa aorian’ny hihinanana azy ihany fa asa fanadiovana ny fo ihany koa mba hahamendrika antsika handray azy (Ef 4,30–5,2). Dia tohizan’i Md Paoly ihany izany ezaka hiaina ny Eokaristia iznay, amin’ny fanananarany antsika mba tsy hanaonao foana fa hamantatra tsara ny sitrapon’Andriamanitra mba hisaorana azy amin’ny zava-drehetra (Ef 5, 15-20). Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fisaorana (eokaristia) izany raha toa ka tsy votom-pinoana isika, indrindra rehefa tojo ny mafy sy tambesaran’ny fahoriana mampangirifiry…
Mitaky fanetren-tena tanteraka ny fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny vavaka fisaorana nataon’i Jesoa : Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa (Mt 11. 25) dia amafisin’ny Bokin’ny Ohabolana amin’ny fiantsoana ireo kely saina mba hihinana ny mofo sy hisotro ny divay ampifangaroana (mova tsy tandindon’ny Eokaristia) (Ohab 9,1-6) ka hiala amin’ny tsy fahalalana mba hatahotra an’YHWH satria izany no voaloham-pahendrena (Ohab 9,10).
Ny Eokaristia ary araka izany dia lalana hahafantarana ny sitra-pon’Andriamanitra ary ambaran’i Kristy mazava fa ny Fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra Ray sy Izy Kristy ilay nirahiny (Jn 17,3). Tsy fahalalana araka ny nofo anefa izany, ka hihanona sy hitoky amin’izay mety ho tanjaka sy hakingan-tsaina, ka hifandirana tahaka ny Jody hoe ataon’ilay io ahoana ny fanome ny nofony hohanina (Jn 6, 51-59). Izay miantehitra ihany amin’ny herin’ny tenany sy amin’izay mety ho fahaiznaa amam-pahalalany dia tsy afaka hisaotra lalandava ny Tompo (Sal 33). Ity salamo fisaorana ity moa dia maneho manokana fa isaky ny litera, dia tokony hahitantsika antony hiderana sy hisaorana an’Andriamanitra.
Tsy fisaorana mandehandeha ho azy naefa izany fa araka izay angatahintsika amin’ny vavaka fanombohana hoe soa tsy hita maso no omanin’Andrriamanitra ho an’izay tia Azy, ka ny afom-pitiavany irery ihany no afaka manafana ny fontsika hitia Azy amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazo ny soa lavorary nampanantenainy. Mova tsy ilay Fanahy Masina nolazaintsika fa manafana ny Mofo nendasina tamin’ny vato (vak II Ef 4,30–5,2/Alahady faha-19).
Izany no hiezahantsika mandrakariva hahonon-tena amin’izay mety ho zava-mandalo, tsy himamo divay fa hifeno ny Fanahy Masina mba ho afaka hiventy sy hifampiresaka salamo aman-tononkira masina. Tsy hohadinointsika fa ny fitiavantsika an’Andriamanitra no amafisintsika amin’ny Eokaristia Masina satria mahatsiaro mandrakariva isika fa tsy mahavaly fitia toa zaza, ka ny fiainana manontolo no zary fisaorana ho Eokaristia velona, hisantarana sahady ny fiainana mandrakizay miaraka aminy!