Alahady tsotra faha-17 Mandavantaona Taona B


Velomin’Andriamanitra amin’ny mofo avy aminy isika

 

Taorian’ny nitantaran’i Marka an’i Jesoa nihatra ireo vahoaka tahaka ny ondry tsy manam-piandry (Mk 6, 30-34 Alahady 16B) dia manomboka ny fampianarana momba ny “mofo velona nidina avy any an-danitra” isika mandritra ny alahady 5 mifanarakaraka (Md Joany toko faha-6). Mitohy amin’ilay fitiavana nanosika an’i Jesoa hampianatra ny vahoaka notantarain’i Marka izany. Andriamanitra manome hanina ny vahoakany!

Ny tantaran’i Elisea (Vakiteny I 2 Mpaj 4, 42-44) izay tanteraka koa amin’i Kristy mampitombo ny mofo dimy sy hazandrano roa (Jn 6, 1-15) dia mahalasa saina ihany! Manoloana ny hanohanana sy ny fahantrana mandrongatra, mampitaraina ny tsy manan-kianteherana dia amintsika no hiantefan’ny tenin’i Kristy : “Omenareo hanina izy ireoMk 6, 37. Izy Kristy ihany anefa no milaza ny mety ho valinteny azontsika omena: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” (Jn 6,5) ary mety hotohizantsika koa hoe : Aiza no hahitana vola hividianana mofo ho an’ireo???

Ho an’izay tsy vonon-kahafoy dia mahita tsiny mandrakariva. Ambaran’i Jesoa anefa fa ny tena mpianany dia mpitory fanantenana sy mpizara hafaliana! Tsy ny habetsahan’ny atolotra no andrasan’i Jesoa aamintsika fa ny fahafoizana izay hanu kely hananana! Tsy ny ambim-bava manko no homena ny mahantra fa izay kely mba ivelomana (Mk 12, 43) ambaran’ny mofo dimy sy hazandrano roa. Izay vokatry ny fontsika ho santa-bary no entina hitsinjovana ny mahantra (Vakiteny I 2 Mpaj 4, 42-44) ka tsy fiononana fotsiny ihany amin’ny fahamarinana hanomezana ny tandrify azy ny hafa izay, fa fitiavana hahafoizana ny an’ny tena, ho an’ireo izay heverina ho niangaran’ny vintana na sanatrian’izany aza ho an’ireo tsaraina ho kamo be tenda, mivelona amin’ny hataka… satria mahatsapa fa ny fitiavana no manova sy mampibebaka ny fo, ka tsy vesatra velively ho an’ny fiaraha-monina ny mahantra fa fambara manaitra ny fontsika hitia bebe kokoa satria ny fitiavana no hitsarana antsika. (Caritas in veritate toko III)

Mamintina ny tahotra mahazo antsika anefa ny vavaka fangatahana : tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo ety an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay. Izay fikatsahana ny mandrakizay izay ihany no manafaka antsika amin’ny mety ho fahihirana amin’ny harena mandalo. Izany no manampy antsika hahatsapa fa tsy ny habetsaky ny voahangona hitsinjovana ny vodiandro ho merika tsy akory no hahafahana mahazo ny mandrakizay fa ny fahafoizana maneho ny fitiavana, ka hahasambatra ireo nahafoy ho an’i Kristy. 

Izay no hidirantsika tsikelikely amin’ny fandalinana ny toerana omentsika an’ilay hany Mofo mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay ka hampisy heviny ny Eokaristia ankalazaintsika. Izay no hahatsapantsika ny fahamendrehana niantsoana antsika ka hikelezana aina hitafy ny firaisam-po! (Vakiteny II Efes 4,1-6) Dia avelantsika ho lasa a-javony ve ny fahendren’ny Ntaolo hoe : aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!

Ilay Andriamanitra ihavian’ny zava-drehetra sy ao anatintsika rehetra no hany antoka mampiombona antsika. Izy izay marina amin’ny lalany rehetra fa mamahana ny voaariny rehetra ara-potoana (Salamo 144) dia manana antsika halala-tanana hamahana ny vahoakany, ka ny fahasarotana na ny habetsahan’ny zavatra atao sanatria tsy hampiraviravy tanana fa kosa hampisiki-ponitra hamahana ny vahoakany tsy amin’izay hanina mandalo ihany fa ho amin’izay maharitra mandrakizay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781