FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO
Isan-taona
isika dia mankalaza, na ny marimarina kokoa mamerina ny fihobiana nataon’ireo
mponin’i Jerosalema an’i Jesoa niakatra tao Jerosalema, henemana mialoha ny
Paka (jereo
eto Mt 21,1-11
Taona A/ Mk 11, 1-10
na Jn 12,12-16 Taona
B/ Lk 19, 28-40
Taona D). Mialoha ny Vavaka Fanamasinana anefa isika dia miventy io antsa
nataon’ny Zanak’Israely io : “Hozàna! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny
Tompo; Hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hozana
any amin’ny avo indrindra” (Mk 11,10).
Inona no hevitr’izany ho antsika? Inona no tonga ao an-tsaintsika isaky ny
miventy izany? Hozana dia avy amin’ny teny ebrio hoshi’ana’ izay midika hoe : “vonjeo, izao ankehitriny izao; vonjeo
malaky”. Ho an’ireo niventy azy tamin’zany dia namerina ny Salamo 118, 25 ka ny
famonjena dia ny fiverenan’ny Fiketrahan’i Davida, araka ny nampanantenain’Andriamanitra
(Iz 9,6) mba hiorenan’ny
rariny sy ny hitsiny.
Dia ilay
taranak’i Davida andrandraina hitondra
Fiadanana sy Famonjena no hobian’ny Mponin’i Jerosalema, na dia ireo
vahoaka ireo ihany aza, voasesiky ny hevi-dratsin’ireo Lohandohan’ny Mpisorona,
noho ny fialonana (Mk
15, 10) no niorakoraka afaka henemana : “Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy”
(and. 13). Midika
izany fa raha tsy matotra ny finoantsika an’ilay Andriamanitra, hany afaka
hamonjy antsika, dia hivily ho azy any amin’ny zava-mandalo no ametrahantsika
ny fitokiantsika. Saingy ventesintsika mandrakariva ny antsa : “Fantatro ilay nametrahako ny fitokisako : i
Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay” (2Tim 1, 12)
Amin’ity Taona ity (jereo eto) isika dia hibanjina ny firaisantsika aina amin’i Jesoa, Ilay Kristy, Zanak’Andriamanitra (Mk 1, 1). Mazàna ny nenina no entintsika mihaiky fa Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io (Mk 15, 39), ary na izany aza, mbola sahintsika ny misalasala amin’ny fahafatesany, sao mbola hanelingelina antsika, ka aleo lefonina ny Fony (Jn 19, 34). Fotoana handinihana marina tokoa ary izao hoe : Iza i Jesoa ho antsika! Aiza ny toerana nomentsika Azy eo amin’ny fiainana… Ary raha mankalaza ny Fijaliany isika, efa nampitandrina antsika Izy, tsy hitomany ny Fijaliany fa ny fahotantsika (Fijanonana 8 // Lk 23, 28).
Moa ve ao amin’i Kristy tokoa no hiandrasantsika ny famonjena? Sa sanatria ny vola aman-karena, ny haja amam-boninahitra amam-pahafinaretana no hobintsika hoe : “Hosana!” ka andrasantsika izay tsy izy, satria zary mameno ny fontsika!
Lazain’i Kristy fa raha tena mpianany isika, dia ny Hazofijaliany ny ho reherehantsika, ka hampahatsiaro antsika fa tsy ny hafinaretana na ny fanaranam-po amin’ny fananana sy ny sitra-po no hahasambatra antsika ka hampisy hasiny ny fiainana, fa ny FITIAVANA. Ka raha sanatria, fijaliana no tsy maintsy hosedraina ho tambin’ny fitia, dia hozakaina am-pitsikiana, satria na isika aza mba notiavina koa, satria “fony isika mbola mpanota no maty ho antsika ilay tia antsika dia i Kristy arahintsika” (Rm 5, 8-9)
Mirary anao hiaina ity herinandro masina ity!